
Famoriam-bahoaka tany Manila mitaky ny hisian'ny fandriampahalemana ao Palestina. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'i Bayan.
Niteraka fanehoan-kevitra mahery vaika ho fanohanana ny Palestiniana ny vondrona samihafa ahitana ny Miozolomana Filipiana, tanora mpiserasera, mpampianatra oniversite, mpikatroka ary vondrona fiarahamonim-pirenena ao Filipina ny ady ao Gaza ataon'ny governemanta Israeliana. Nantsoin'ny tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Firenena Mikambana teo aloha ho “boky fianarana momba ny fandripahana” ny valifaty Isiraeliana tamin'ny fanafihana tsy nampoizina tamin'ny 7 Oktobra notarihan'ny Hetsika Fanoherana Palestiniana Islamika (Hamas) tamin'ny toby miaramila Israeliana sy ireo vondrom-piarahamonina sady toby miaramila manamorona ny lemak'i Gaza.
Tsy nitsahatra nanatontosa fanafihana an'habakabaka izay nandrava hopitaly, sekoly, trano fonenana ary fotodrafitrasa sivily ny tafika Israeliana, ary nanomboka ny faran'ny volana oktobra ny fanafihana an-tanety, izay nitarika fahafatesana Palestiniana sivily miisa 17.000, ka zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Namporisihan'ny governemanta israeliana ny faritan'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ho famindra-toerana an-keriny ny ankamaroan'ny mponina 2,3 tapitrisa ao Gaza mankany atsimon'ny faritra, izay nitarika ho amin'ny “fahasimban'ny maha-olona”. Tonga izany rehetra izany ho teo an-tampon'ny fanidiana tsy mbola nisy hatrizay nataon'i Israely ny Gazôita tsy hahazo sakafo, fanafody, solika, rano, herinaratra ary fifandraisana aterineto nandritra ny 15 taona.
Farafahakeliny nisy Filipiana efatra anisan’ireo 1200 namoy ny ainy nandritra ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny miaramila Israeliana sy ireo mpiady Palestiniana izay namaky ny rindrin'ny sakana nanasaraka an'i Gaza tamin'ny faritanin'Israely. Misy Filipiana roa ihany koa anisan'ireo 240 babon'ny Hamas anantenana fanamoram-panakalozana Palestiniana an'arivony gadra politika, anisan'izany ny vehivavy sy ny ankizy, migadra any amin'ny fonja Israeliana. Anisan'ireo gadra sivily navotsotry ny Hamas nandritra ny fampitsaharana ady vonjimaika tamin'ny faran'ny volana Novambra ireo olom-pirenena Filipiana ireo.
Lohahevitra mampisara-bazana ao Filipina ny fifandonana Israely-Palestina ampolony taona maro, Filipina izay firenena Kristiana amin'ny ankapobeny ahitana foko silamo vitsy an'isa, dia ny vahoaka Bangsamoro, any amin'ireo nosy Mindanao atsimon'i Filipina sy ny vondronosy Sulu. Voavolavolan'ny fandraisana ny baiboly manome vahana ny Isiraeliana ho “vahoaka voafidin'Andriamanitra” sy ny fivavahana mankahala Miozolomana ho “extremista” sy “mpampihorohoro” ny adihevitra ampahibemaso momba ny raharaha Palestiniana ao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ao Filipina sy ny vondrom-piarahamonina anjotra. Naneho ny fanohanana an'Israely ny governemanta Filipina.
Nanosika ho amin'ny antso hampitsahatra ny fandripahana ao Gaza sady nampiroborobo ny firaisankina tamin'i Palestina kosa ireo Filipiana Miozolomana, vondrona fiarahamonim-pirenena, tanora mpiserasera, ary ireo mpampianatra oniversitera. Tamin'ny 16 Oktobra, olona 12.000 no nanatevin-daharana ny “Fihaonambe Bangsamoro ho an'i Palestina Afaka” teny an-dalamben'ny tanànan'i Cotabato.
Nisy famoriam-bahoaka notanterahana teo anoloan'ny masoivoho Israeliana tamin'ny 31 Oktobra. Nilaza ny masoivoho Israeliana ao Filipina fa “voahelingelin'ny” fandoroana ny sainam-pirenena Israeliana tamin'ny iray amin'ireo fihetsiketsehana ireo.
“SINO? SINO? SINO ANG TERORISTA?”
“ANG U.S.! ANG ISRAEL! SILA ANG TERORISTA!”
In the end of program of YOUTH SOLIDARITY MARCH FOR PALESTINE, Israel and US flags were symbolically burned as commitment of filipino youth to the international solidarity for Palestine's liberation. pic.twitter.com/oOJfe4Iwao
— League of Filipino Students (@LFSPhilippines) October 21, 2023
“SINO? SINO? SINO ANG TERORISTA?”
“ANG US! ISRAEL! SILA NY TERORISTA!”
Tamin'ny fiafaran'ny programa firaisankina diaben'ny tanora manohana an'i Palestina, dia nodorana saimbôlika ny sainam-pirenena Israeliana sy Etazonia ho fanoloran-tenan'ny tanora filipino amin'ny firaisankina iraisam-pirenena ho amin'ny fanafahana an'i Palestina.
Nivondrona tao anatin’ny “Diabe ho amin’ny fandriampahalemana ao Palestina” ny ezaka isan-karazany hanehoana fanohanana an’i Palestina, nokarakarain’ny mpampianatra oniversitera, vondrona ara-pivavahana sy fiarahamonim-pirenena toy ny (Firenena) Bayan sy ny Fikambanam-pirahalahiana Filipina-Palestina tany Manila ny 25 Novambra lasa teo. Famoriam-bahoaka hanohanana ny tolona Palestiniana ho amin'ny fizakantenany sy hanamafy fa tsy ho vita ny fandriampahalemana ara-drariny sy maharitra raha tsy mifarana ny fibodoam-panjanahantany ny tanindrazana Palestiniana.
Mpandray anjara maro nanatevin-daharana ireo hetsi-panoherana mpomba an'i Palestina ireo no avy amin'ny sokajin-taona tanora iray izay niloa-bava ihany koa tao amin'ny media sosialy niantso ny governemanta hanaisotra ny fanohanana an'i Israely. Notsikerain'ny tanora mpiserasera ihany koa ny fitongilanana ataon'ny fampitam-baovao mahazatra ao an-toerana manoloana an'i Palestina, izay amin'ny ankamaroany dia mitovitovy amin'ny votoaty miray tsikombakomba sy prô-israeliana avy amin'ny fampahalalam-baovao tandrefana:
Gaza's Ministry of Health released that list, not Hamas. There is a HUGE difference.
ABS-CBN you are disappointing. The government is disappointing. What's more is thousands of people are DYING everyday, yet the Ph gov't sits in neutrality. My government does not represent me. https://t.co/QgA5mdxl2E
— ☃️Dani ⇌ 📌Check pinned!! (@Dani_Thrse25) October 29, 2023
Ny Minisiteran'ny Fahasalamana ao Gaza, fa tsy ny Hamas, no namoaka io lisitra io. Misy fahasamihafana GOAVANA.
Mandiso fanantenana ianareo ry ABS-CBN. Mandiso fanantenana ny governemanta. Ankoatra izany ny olona an'arivony no MATY (miala aina) isan'andro, nefa mitoetra ho tsy mirona ho atsy na aroa ny governemanta Ph. Tsy misolo tena ahy ny governemantako. https://t.co/QgA5mdxl2E
Tamin'ny fanambaràna iray tamin'ny 19 Oktobra, melohin'ny Fikambanan'ny Mpianatra Miozolomana ao amin'ny Anjerimanontolon'i Philippines (UP) sy ny Fikambanan'ny Mpianatra Miozolomana UP ny “fitohizan'ny ady sy ny fandripahana ny vahoaka Palestiniana.” Niantso ny “fampahalalam-baovao Filipina sy Tandrefana mba hanambara ny fahamarinana feno ao ambadiky ny toe-javatra sy ny tantaran'ny ady Palestiniana” ihany koa izy ireo.

Fanambaràna avy amin'ny fikambanan'ny mpianatra miozolomana ao amin'ny Oniversitem-Panjakana sy ny Fikambanan'ny mpianatra miozolomana UP manohitra ny “Fibodoana tsy ara-dalàna, tsy araka ny fahamarinana sy tsy ara-drariny an'i Palestina.”
Fanambaràna iray hafa avy amin'ny Fikambanan'ny Anthropolojia UP, fikambanan'ny mpianatra anthrôpôlôjia ao amin'ny Anjerimanontolon'i Filipina, no mandrafitra ny fifandonana ho tolona eo amin'ny fanjanahantany-fametrahamboanjo Israeliana sy ny fanesoran'ny Palestiniana ny fanjanahantany.
The Violence of Liberty: Dismantling Israeli Settler Innocence in the Struggle for Palestinian Decolonization. A Statement-Situationer by the UP Anthropology Society. pic.twitter.com/H6SNDvYQ75
— UP Anthropology Society (@UPAnthroSoc) October 29, 2023
Ny Herisetran'ny Fahafahana: Fandravàna ny tsy fananan-tsinin'ny Voanjo Israeliana ao anatin'ny tolona fanalana ny voanjo Palestiniana. Fanambaràna araka ny toe-draharaha avy amin'ny Fikambanana Anthropolojia UP.
Ny Filankevitra Oniversiteran'ny Anjerimanontolon'i Filipina Diliman, anjerimanontolom-panjakana voalohany ao amin'ny firenena, izay manana tantara lava sy manan-tantara ho akanim-pikatrohana sy fahalalahana akademika, dia namoaka fanambaràna manameloka ny fandripahana tao Gaza sy miantso ny fanafahana an'i Palestina.
The UP Diliman University Council released a statement expressing their solidarity with the Palestinian people in their struggle for liberation.
The statement can also be accessed at https://t.co/nKtjwJsHT3. pic.twitter.com/JEKALnpDUV
— UP Diliman (@Official_UPD) November 22, 2023
Namoaka fanambarana maneho ny firaisankinany amin'ny vahoaka Palestiniana amin'ny tolona fanafahana ny Filankevitry ny Anjerimanontolo UP Diliman.
Ny fanambarana dia azo jerena ao amin'ny…
Omen'ireo fomba fijery ireo ny fanitsiana manan-danja amin'ny fitantarana miely patrana mpomba an'Israely sy mamely ny Miozolomana nasehon'ny sioka mampiady hevitra nataon'ny Masoivohon'i Filipina Teddy Locsin Jr. milaza fa “tokony hovonoina ny ankizy Palestiniana” satria “mety ho lasa palestiniana tsy manan-tsiny mamela ny Hamas handefa balafomanga any Israely” na “manao fanafihana famonoan-tena faobe”. Namafa sy niala tsiny tamin'ny rantiny i Locsin tamin'ny farany ary miatrika raharaham-panesorana azy amin'ny asany noho ny fanambaràny mirehidrehitra.
Anisan'ny fitomboan'ny hetsika maneran-tany ho fanohanana an'i Palestina ny hetsi-panoherana ao Filipina sy ny fielezan'ny fanairana, indrindra eo amin'ireo tanora Filipiana, momba ny fahorian'ny vahoaka Palestiniana. Iray amin'ireo fanehoana an'ity firaisankina maneran-tany ity ny asa fandikana amin'ny teny Filipiana sy ireo fiteny Filipiana hafa nataon'ireo tanora Filipiana mpanoratra ny tononkalo “If I must die” (“Raha tsy maintsy ho faty aho”) nataon'i Refaat Alareer, poeta Palestiniana sady mpampianatra oniversite izay novonoina vao haingana tamin'ny fanafihana an'habakabaka Israeliana tao Gaza. .
Translated Refaat Alareer (@itranslate123)’s poem ‘If I must die’ into Filipino. Will ask friends if they could to translate it into Hiligaynon and Kinaray-a. @TranslfromGaza pic.twitter.com/HQ2QXKt1P2
— E_Abalajon (@JLaneria) December 8, 2023
Nandika ny tononkalon'i Refaat Alareer (@itranslate123) ‘Raha tsy maintsy ho faty aho’ ho amin'ny teny Filipino. Hanontany ny namana raha azony atao ny mandika izany amin'ny teny Hiligaynon sy Kinaray-a.