Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2020

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Janoary, 2020

Torolalàna ho anao momba ny fifidianana ho filoham-pirenena 2019 ao Sri Lanka

Ny 16 Novambra 2019, handatsa-bato hifidy filoha vaovao ireo Sri Lankey. Fantaro bebe kokoa ny mikasika ireo mpilatsaka ho fidiana ary jereo ato ny lisitry ny vaovao tsara ho fantatra.

Ao Hong Kong, ady ataon'ireo mpanao gazety amin'ny fanivanantena, fandrahonana ary herisetra ataon'ny polisy manohitontohina ny fampitambaovao momba ny “revôlisiônan'ny Elo”

Tranonkala 4 mpamoaka vaovao tsy miankina no niaraka namoaka fanambaràna niombonana natao hanamelohana ny herisetra ninian'ny pôlisy natao tamin'ireo mpanao gazety. Mba hampitonitoniana an'i Beijing, manao fanivanantena ny sasany amin'ireo gazety.

Tsy nahasakana olona anarivony hanao ny ‘Hazakazaka anoherana ny jadona’ tao Thailandy ny fampitahorana ara-pitsarana sy ny filàna vaniny

Tsy vitan'ny hoe diso fa fahadalàna ihany koa ny setriny ataon'ny manampahefana sy ny tetika fampitahorana. Raha miverina ho ao amin'ny demaokrasia ny firenena, dia tsy tokony hisy olom-pirenena hiatrika fampitahorana tahaka izao? 

Nifarana am-pilaminana ny fitokonan'ny mpiasan'ny casino, fandresen'ireo mpiaro ny zon'ny mpiasa ao Kambodza

Mety hiatrika sazy noho ny fanitsahana ny didim-pitsarana izay nilaza ny hetsi-panoherana ho tsy ara-dalàna ny mpiasa na dia nahomby aza ny fitokonana.

Taona enina taorian'ilay famoretana nahafaty olona natao an'ilay fitokonan'ny mpiasa amin) orinasa mpanao akanjo tao Kambodza, tsy antenaina intsony ny fitsaràna hoy ireo fianakaviana

" Toa tsy mbola manangasanga eny amin'ny faravodilanitra raha izay rariny izany, na toy ny mitady fanjaitra ao anaty fanambanin'ny ranomasina. Tsy mbola nahita izay mangirana momba ny rariny ho anay izahay."

#WithSyria (Miaraka amin'i Siria) mba hitsahatra ny fandarohana baomba an-jambany ny sivily siriàna

Sonia 100.000 no kendren'ny fanentanana #withSyria (miaraka amin'i Siria) ho azo mba ho henoin'ireo mpitondra erantany ny feony, ka mba hihetsika izy ireny hampitsaharana ny daroka baomba tsy mitsahatra atao an-jambany amin'i Siria.

Global Voices quinceañera: Rehefa nanao ny mety i Karaiba

Tamin'ny taona 2019 ny Karaiba nijery ny marika fanabeazam-bahoaka amin'ny lafiny manontolo kokoa, miteny manohitra ny kolikoly ary niaina indray ny fiverenan'ny fanajana ny vahoaka voalohany ao aminy. Fizarana fahadimy amin'ny dimy.

Mpandraharaha ao Hong Kong manome vahana ny fotokevitra pro-demaokrasia

Maro ny mihevitra fa fitaovam-piadiana matanjaka ny hery aratoekarenan'ny olompirenena hampisy fiovana ara-politika misy dikany ho an'ny tanàna.

Faniriako Krismasy i Hong Kong afaka: Ahoana ny fampiasan'ny mpikatroka karatra fandefa fety ahafahana mamoaka ny teny

Maro ireo olona manao volantera handika an-tsoratra ireo fiarahabana fety amin'ny fiteny samihafa sy hanoratra taratasy mitovy rafitra ho an'ny olona manana fiaviana sy saranga samihafa.

Iza no namotika ny fandriampahalemana sy ny hafaliana krismasy tao Hong Kong?

Sady tsy nilamina no tsy nahafaly ny krismasy tao Hong Kong raha miezaka mandeha amin'ireo distrika lehibe fiantsenana ny polisy misahana ny rotaka mitondra fitaovam-piadiana enti-miady amin'ny rotaka hanaparitahana ireo fihetsiketsehana tselatra ho fanoherana. Hatramin'ny 28 Desambra teo, hatramin'ny 336 ny isan'ny olona nosamborina.