Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Septambra, 2021

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Septambra, 2021

Olan'ny lasantsy ao India: Enta-mavesatra roa amin'ny fiakaram-bidiny sy ny fitomboan'ny Tinady

Satria miakatra ny vidin'ny lasantsy sy ny gazoala, dia mitombo koa ny tinady, saika mitarika amin'ny fiakaram-bidim-piainana tokoa, fanampin'izany ny vesatra ara-bolan'ny vahoaka noho ny tsy fananana asa sy ny valan'aretina.

Mitolona hiaro ny sehatra maitso sisa tavela ao an-tanàna ireo mpiaro ny tontolo iainana ao Torkia

Nanomboka ny taona 2014, miady mba hampisy ireo tetikasam-pandrosoana any anaty ala ny Antokon'ny Fampandrosoana sy ny Rariny (AKP), ka mahatezitra mafy ireo mpiaro ny tontolo iainana ao amin'ny vondrom-piarahamonina.

Mitantara indray ny fahoriana sy ny ratran-tsain'ny vahoaka teratany Tamang amin'ny alalan'ny voa nohasinina, taratasy vita tanana

Mampiasa ny voan'ny hazon'i Damocles, taratasy vita asatanana avy amin'ny fakon'ny orinasa taratasy, sy solaitra mba hilazana ny tantaran'ny vahoaka teratany Tamang ilay mpanakanto Nepaley Subas.

Belarosia: nanapaka hevitra ireo manampahefana fa hofoanana ny toeram-pialofan'ireo niharan'ny herisetra an-tokantrano

Ilay fanafoanana dia ampahany amin'ny famoretana amin'izao fotoana izao atao an'ireo ONG, media tsy miankina, ary mpikatroka izay nihamafy tamin'ity lohataona ity, taorian'ny herintaona nisian'ny hetsipanoherana an'ireo fifidianana feno hosoka.

Nahazo alalana avy amin'ireo mpitantana ao an-toerana ny fihaonamben'ireo mpanohitra vakisiny ao Torkia

Tao amin'ny toerana antsoina ho Maltepe, tanàna itatr'i Istanbul, no nanaovana fihetsiketsehana ary nakatoavin'ny Biraon'ny Governoran'i Istanbul. Mpanohitra fanta-daza maro amin'ny vakisiny no nanatrika ny fihaonana izay nahitana dokotera, mpikatroka, artista sy mpanoratra.

Azerbaijan: Mipoitra ny fahanginana satria nokendrena ho faty ny mpikambana iray hafa ao amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ 

Niteraka adihevitra vaovao momba ny fankahalana pelaka, ny tantaran'ny tovovavy niova fananahana iray novonoina tamin'ny volana Aogositra, ny tsy fisian'ny fepetra fiarovana ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+, ary ny tsy fahombiazan'ny governemanta amin'ny fandraisana andraikitra.

Nanampy tosika ireo mpikatroka amin'ny fihetsiketsehana ny artista hanavotana ny fitahirizan-drano ao an-drenivohitr'i Kazakhstan

Nanambatra hery hanoherana ny fivoaran'ny tanàndehibe ao amin'ny fitehirizan-drano ao Malyi Taldykol ao an-drenivohitra Kazakhstan ny vondron'ireo mpanakanto sy mpikatroka amin'izao andro ankehitriny izao.

Manohitra ny fanonganam-panjakana sy ny fanjakan-dehilahy: Antsafa nifanaovana tamin'i Nandar, mpikatroka feminista ao Myanmar

"Tiako ho fantatry ny olona fa tsy fihetsika lafo vidy ny fanehoana firaisankina. Azo atao amin'ny fomba maro izany raha tsy mametra ny tenanao ianao."

Mitaky ny fialàn'ny praiminisitra Thailandey Gen Prayut ny mpanao fihetsiketsehana

Nanomboka tamin'ny herintaona, nitaky ny fialàn'ny praiminisitra Gen Prayut izay tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014 ny mpanao fihetsiketsehana.

Mpanao hetsipanoherana ny fanaovana vaksiny, nanao bemidina tao amin'ny haino-vaky-jerim-panjakana, nandrahona mpanao gazety

Voatery ny pôlisy slôveniàna nanaisotra tamin-kery ireo olona roapolo mahery manohitra ny fanaovana vaksiny no sady tsy nanao arotava sy naniratsira mpanao gazety.