Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Oktobra, 2014
Ndeha Mba Hitety An-tsary Ny ‘Kianjan'ny Elo’ an'ireo Mpomba Ny Demaokrasia Ao Hong Kong
Tranolay maherin'ny 1.600 no nijoro tao amin'ny foiben-toeran'ny hetsika Occupy Central, toerana nilasian'ireo mpanao hetsi-panoherana nitakiany amin'ireo manampahefana ao Hong Kong sy Beijing mba hisian'ny fifidianana mangarahara sy malalaka
Mitokona Noho Ny Zava-doza Tao Ayotzinapa Ireo Meksikana Mpianatry ny Anjerimanontolo
"Velona ry zareo no nalaina, Velona izy ireo no tianay hita miverina!" Maneho ny firaisankinany ho fitakiana ireo mpianatra nanjavona tao Ayotzinapa, Guerrero, ary tsy mbola nahitam-bahaolana, ny vondrom-piarahamonin'ireo mpianatra ao Meksika
Manome Tsirim-Panantenana Ireo Mpikatroka Mpanohana ny Demaokrasia Indray Ny Fiarahaba ‘Hunger Games’
Ny fiarahabana fanangana-tanana amin'ny rantsa-tanana telo nandritra ny fandoroana ny fatin'olom-panjakana teo aloha iray indray no nataon'ny mpikatroka ho fiampangana ny ny fanonganam-panjakana sy ny fahaverezan'ny demaokrasia ao Thailandy.
Fisantaran'Andraikitra An-tserasera 3 Handrisihana ny Mpifidy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana 2014 Ao Tonizia
Nandatsa-bato ny Toniziana tamin'ny Alahady mba hifidy solombavambahoaka. Afaka mandinika tsara izay hofidiany ny olom-pirenena ao amin'ny aterineto ary mijery izany mpanao politika milaza ny marina na azo itokisana.
Tsy Nampitony Ireo Haisiana ny Fahafatesan'i “Baby Doc”
Tsy nizaka ny heloka vitany fahavelona avokoa ireo mpanao didijadona Jean-Claude sy Francois Duvalier; mbola tandroka mamely ny Haitiana maro ihany ny tsy nampiharana ny rariny (fitsarana).
Ny Mety Hoavin'i Shina No Hitan'Ireo Ao Taiwan Amin'ny Hetsi-panoheran'ireo Mpomba Ny Demaokrasia Ao Hong Kong
An'arivony mahery ireo olona tonga nifamory tao amin'ny "Freedom Square" tao Taiwan mba haneho ny firaisankinany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana any Hong Kong .
Lasa Sary Fihomehezan'ny Pro-Demaokrasia ao Hong Kong Ny Filoha Shinoa Xi Jinping sy ny Elony Vony
Nisy sary fanaovana propagandy ny mpitondra shinoa tanibe nandritra ny fitsidihana ofisialy natao tao amin'ny faritanin'i Hubei no nisy nanao photoshop mametraka azy ho any amin'ireo toerana fanaovana fihetsiketsehana ao Hong Kong.
Miaraka Amin ‘Atoa Sy Ramatoakely “People” Ao Hong Kong, Fantaro Iza no Iza Ao Anatin'ny Revolisionan'ny Elo
Aingam-panahy avy amin'ilay sariitatra Anglisy "Mr Men and Little Miss," no namoronan'i sariitatra maneho ireo mpanao hetsi-panoherana mpomba ny demaokrasia sy ireo mpomba an'i Beijing hita teny amin'ny hetsika "Occupy Central".
Manakana Ireo Sambo Mpitatitra Arintany Ao Amin'ny Seranan'i Aostralia Hanoherana Fahasimban'ny Toetr'Andro Ny Mponin'i Pasifika
Tamin'ny fampiasana lakana (canoes) tarihim-pivoy voasokitra, miara-dalana amin'ireo kayaks aostraliana am-polony, ry zareo no nahavita nanakana sambo folo tokony handalo ny seranan-tsambo fanondranana arintany tao Newcastle.
GV Face: Resadresaka Miaraka Amin'ilay Mpikatroka Tsy Tian'i Bahrain Hifampiresaka Amintsika

Miditra amin'ny taona fahatelo amin'ny fangejany ny fitroaram-bahoaka i Bahrain.