Filohan'i Kazakhstan teo aloha Namoaka boky tsiaro mampiady hevitra

Ny boky vaovaon'i Nursultan Nazarbayev, filoha teo aloha tao Kazakhstan, naseho tao amin'ny fivarotam-boky iray. Pikantsary avy amin'ny lahatsary tao amin'ny fantsona YouTube an'ny KTK Digital. Fampiasana ara-drariny.

Tamin'ny 1 Desambra, nahazo ny talantalan'ny fivarotam-boky ao Kazakhstan ny tsiaro vaovaon'i Nursultan Nazarbayev filoha teo aloha an'i Kazakhstan “Menin omirim. Bodandyktan – bostandykka” (Ny Fiainako: Avy amin'ny Fiankinana mankany amin'ny Fahafahana). Tsy araka ireo sangan'asany am-polony tsy nalaza teo aloha, nipaka lavitra ny lazan'ny bokiny farany, ary nisy fivarotam-boky iray tao Almaty, tanàna lehibe indrindra ao amin'ny firenena, nahalafo avy hatrany ny andiam-bokiny voalohany. Miisa 7 500 ny kopian'ny boky naely, ary misy amin’ny teny kazakh sy rosianina izany.

Efa ho 700 pejy ny tsiaro vaovao ary misy toko 22, mitantara ny fiainana manokan'i Nazarbayev sy ny asany politika, ary ny tantara maoderin'i Kazakhstan nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taompolo 1990 mandraka androany. Nanomboka tamin'ny taona 1989 ny fitondran'i Nazarbayev, fony mbola anisan'ny Firaisana Sovietika ny firenena, ary niitatra 29 taona taorian'ny nahazoany ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1991. Niala tamin'ny fiadidiana ny filoham-pirenena izy tamin'ny taona 2019, ka nanolotra ny fitondrana ho an'i Kassym-Jomat Tokayev mpandimby azy sady filoha ankehitriny.

Ankilan'ny famariparitana amin'ny antsipiriany ny fomba nisandratan'i Nazarbayev avy amin'ny mpiasan'ny orinasa tsotra ho filoha ary nitarika ny firenena nandritra ny vanim-potoana nahaterahany, raketin'ny boky koa ny tantaran'ny fihaonany tamin'ireo mpitarika izao tontolo izao toa an'i Mikhail Gorbachev, Angela Merkel, Recep Tayip Erdogan, ary Vladimir Potinina. Na izany aza, tsy ireo antsipiriany ireo no nisian'ny sahoan-dresaka, ny adihevitra ary ny (tinadin'ny) tsiaron'i Nazarbayev. Ny antsipirian'ny fiainana manokana naseho tao amin'ny boky no ivon'ny sehatra.

Nohamafisin'i Nazarbayev ny tsaho efa hatry ny ela ary nekeny fa nanana fisakaizana ivelan'ny fanambadiana tamin'i Asel Isabayeva izy. Nozarainy ny antsipirihan‘ny fifankahitana taminy voalohany nandritra ny dia nankany Taldykorgan any atsimo, nihaona taminy taty aoriana, rehefa avy namaky ny vaovao nahazoany ny fandresena fifaninanana hatsaran-tarehy nasionaly, ary avy eo nanambady “araka ny fomban-drazana silamo.” Tsy ara-dalàna ny fananana vady maro ao Kazakhstan, ary tsy nisaraka tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny vadiny Sara Nazarbayeva i Nazarbayev. Toa nisara-toerana ho azy mihitsy aza izy mivady, ka namerina ny anarany talohan'ny fanambadiana Konakai i Sara.

Navoakan'i Nazarbayev fa nanampy azy “hanaisotra ny fanirery ara-tsaina naharitra an-taonany maro” ny fiarahana tamin'i Isabayeva. Nolazainy fa niteraka roa lahy i Isabayeva. Manan-janaka vavy telo i Nazarbayev tamin'i Sara vadiny ary voalaza fa (mbola) niteraka zanakavavy roa hafa tamin'ny vehivavy iray antsoina hoe Gulnara Rakisheva. Samy tokal i Isabayeva sy Rakisheva, teny Kazakh manondro ireo vehivavy izay manambatra ny andraikitry ny metiresy, vady ary niteraka tsy manana sata ofisialy.

Ity misy lahatsary YouTube momba ny vadin'i Nazarbayev sy ireo tokal ary ny zanany avy amin'izy ireo.

Raha te-hahafantatra bebe kokoa momba ireo tokal, vakio: Very amin'ny fandikanteny ao Azia Afovoany: Toyota ny fiaran'ny Tokal-ko [mg]

Zava-nitranga iray hafa mampiady hevitra resahina ao amin'ilay boky ny Qandy Qantar (Janoary mihosin-drà), fihetsiketseham-panoherana lehibe indrindra sy nahafaty olona be indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenena izay nitranga tamin'ny Janoary 2022 ary nahafatesana olona 238 farafahakeliny. Ny fanazavana iraisan'ny besinimaro momba ny fihetsiketsehana dia adim-pahefana teo amin'i Nazarbayev sy Tokayev io, ka ilay voatonona voalohany no resy. Niondrikondrika tsy re teny i Nazarbayev nanomboka teo ary tsy naneho hevitra momba ny fihetsiketsehana, izay nanomezan‘i Tokayev tsiny ireo jiolahy sy vahiny mpampihorohoro.

Araka ny filazan'i Nazarbayev, mpanohitra mahery vaika no tao ambadiky ny hetsi-panoherana mahery vaika, ka ilay Kazakh mpandraharaha sady mpikatroka ara-politika tany an-tsesitany Mukhtar Ablyazov no voalaza fa nanangana toby tao Kyiv mba handrindra azy ireo.

Taorian'ny fahareseny tamin'ny adim-pahefana tamin'ny Janoary 2022, voadona sy pepo ny lova navelan'i Nazarbayev. Nantsoina indray hoe Astana ny renivohitra, rehefa nitondra ny anarana hoe Nur-Sultan vetivety. Nofoanana ny lalàna ara-dalàmpanorenana nanome an'i Nazarbayev ny anaram-boninahitra hoe “Elbasy” (Mpitarika ny Firenena). Nofoanana ny fetin’ny filoha voalohany nankalazaina ny 1 desambra.

Ao anatin'ireo toe-javatra ireo, ny tsiaron'i Nazarbayev dia ezaka hanavotana ny sariny (lazany) sy ny lovany amin'ny alalan'ny fifehezana ireo antsipirihan-javatra manohintohina tafaporitsaka momba ny fiainany manokana sady fizarana ny fijeriny manokana amin'ireo zavabita tao Kazakhstan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.