· Oktobra, 2019

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Oktobra, 2019

Manatevin-daharana ny Fitokonana ho an'ny Toetr'andro ny tanora any Japana

  26 Oktobra 2019

Manomboka mandray andraikitra ny vahoaka Japoney. Tanora Japoney mpanao fihetsiketsehana 2 500 teo ho eo no nanao diabe niainga tao amin'ny Oniversiten'ny Firenena Mikambana ao amin'ny lalana Omotesando ao Tokyo ho any amin'ny toerana fiampitana malaza Shibuya, miantsoantso teny filamatra manoloana ireo mpandeha an-tongotra mitazana ary hita mazava fa gaga.

Manohy manafay ny vaovao antserasera ny governemanta Zimbaboe mba hifehezana ny fisantaran'andraikitry ny olom-pirenena

GV Mpisolovava  16 Oktobra 2019

Nipoitra tamin'ny politika fanjanahana tamin'ny taonjato faha-20 ny fifehezana ny fampitam-baovao any Zimbaboe, izay feno fisolelahana tafahoatra tamin'ny fahefana politika. Nosokajian'ny governemanta Rhodeziana notarihan'i Ian Smith ho toy ny "fitaovam-piadiana nosafidiana ny propagandy sy ny fifehezana ny vaovao, mba tsy hanohanana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ihany fa mba hanasavoritahana vaovao diso momba ny ady.