· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Septambra, 2012

Video: Tafatafan-Tsingerintaona Miaraka Amin'ny Mpitarika Hetsika “Occupy Wall Street”

David DeGraw, mpiara-manorina ny hetsika 99% no manazava ny fahaterahana sy ny fitomboan'ny hetsika Occupy Wall Street (Bodoy Wall Street) tao anatin'ny herintaonany. Tafatafa niarahana tamin'i Cenk Uygur nandritra ny fandaharana fahitalavitra The Young Turks, noresahiny tamin'izany ny fisandratan'ny hetsika sy ny vato misakan'ny fikambanana.

20 Septambra 2012

Okraina: “Ireo Lavenon'ny Fahalalahana Miteny”

Olona an-jatony vitsivitsy no nifamory [uk] tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Kyiv ny 16 Sept. teo mba hanme voninahitra ny fahatsiarovana an'i Georgiy Gongadze, Okrainiana iray mpanao gazety izay nanjavona tamin'io andro io, 12 taona lasa izay, ary ireo mpanao gazety maro hafa maherin'ny 60 namoy ny ainy nandritra ny taona maro nahazoan'i Okraina ny fahaleovantenany tamin'ny 1991

17 Septambra 2012

Alzeria : Tsy Dia Mirongatra Loatra Ny Fihetsiketsehana Manohitra Amerikana Mitaha Amin'ireo Firenena Arabo Hafa

Lasibatr'ireo mpanao fihetsiketsehana tamina toerana maro samihafa tany amin'ny tontolo arabo ireo solotena tandrefana, indrindra fa ny Amerikana, taorian'ny nandefasana tao amin'ny Youtube ilay lahatsary « Innocence des musulmans », na «Ny havendranan'ny Miozolmana» . Tsy dia nisy namaly loatra anefa ireo antso hanaovana fihetsiketsehana tao Alger. Nitety ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra alzeriana maro i Salah Ziah:

16 Septambra 2012