Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Mey, 2015
Mahatsiaro Ny Tsingeritaona Nahavoafidy Ny Filoha Teo Aloha Khatami Ao Amin'ny Twitter Ny Iraniana Reformista
Malaza ny diezy Twitter #faharoaniKhordadaho ho fankalazana ny nahavoafidy ny filoha reformista teo aloha Mohammad Khatami tamin'ny taona 1997.
Taratasy Misokatra Ho An'ny Filoha Obama Avy Tamin'ny Bahraini Mpiaro Ny Zon'olombelona
AlMahafdah, gadra politika teo aloha tany Bahrain, mangataka ny Filoha Obama mba ho "feon'ny vahoakan'i Bahrain" rehefa mifanena amin'ny zanaka lahin'ny mpanjaka izy.
Goiana : Minisitry Ny Fahasalamana Mivazavaza sy Miteny Amin'ny Mpiaro Ny Zon'ny Vehivavy Hoe ‘Tiany Hofelahana Ny Fitombenany’
Mitabataba amin'ny mpikatroka mafana fo iray mpiaro ny zon'ny vehivavy izay manasongadina ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ary ny politika misy any Goiana amin'izao fotoana izao ny Minisitry ny Fahasalamana.
Na dia Misy aza ny Fanoherana, Mbola Miasa Hanangana Tohodrano Goavana Mety Hamindrana Toerana ireo Teratany 20.000 i Malayzia
"Natsangana ho tombontsoan'ny hafa izy io fa tsy ho amin'ny tombontsoan'ireo monina ao Baram ary rahatrizay any aoriana be any vao ho fananan'i Baram.."
“Voaozona Hohadihadiana ny Uber ao Shina”
Mitsikera ny manampahefana Shinoa tamin'ny fangejana ny tolotra taxi iombonana Uber ny mpiserasera habaka, miampanga azy ireo ho miaro ny indostrian'ny taxi sy mamely indray ny orinasan'aterineto vahiny.
Lasa Fantatry Ny Daholobe Ireo Fitokonana Tsy Mihinan-kanina Nataon'i Al Khawaja, Hiadiana Amin'ny Fampijaliana Ao Amin'ilay Fonja Malaza Ratsin'i Bahrain
Manao fitokonana tsy mihinan-kanina efa 24 andro ilay Bahraini mpiaro ny Zon'olombelona , Abulhadi Al-Khawaja, manohitra ny fitohizan'ireo fanitsakitsahana sy fampijaliana ireo voafonja ao amin'ny fonjan'i Jaw, satria tsy miraharaha ny fiantsoana ny tokony hanaovana fanadihadiana ireo manam-pahefana.
Fifandonana Tao Mahabad, Iràna, Taorian'ny Fahafatesana Nahatonga Resabe Nanjo Mpiasa Vavy Amin'ny Hotely
"Zavatra iray ny hoe Kiorda any Iran ary iray hafa mihitsy ny hoe vehivavy Kiorda. #RarinyHoAn'iFarinaz."
Manao Fefy Olona Manodidina Ny Mpitandro Filaminana Ireo Vehivavy Makedoniana Mba Hitazonana Ny Hetsika Hilamina
Fandraisana anjara tamin'ny andro faharoan'ny hetsika mitaky ny rariny taorian'ireo horonam-peo niporitsaka hita ho toa mampiseho ireo mpiasam-panjakana miezaka ny hanarona fotsiny ilay famonoana tamin'ny taona 2011 nataon'ny mpitandro filaminana.
Mpiasa Mankalaza Ny Fetin'ny Asa Amin'ny Fanatevenana Laharana Ny Fihetsiketsehana an-Dalambe Manerana an'i Azia Atsimo Atsinana
An'arivony ny mpiasa nidina an-dalambe manerana ny faritra ho fitakiana fampisondrotana karama, tombontsoa isan-karazany, ary fanatsarana samihafa eo anatrehan'ny ny fisondrotry ny vidim-piainana.
‘Any an-Dakilasy no Misy Azy Ireo, fa Tsy any am-Ponja': Managadra Mpianatra Manao Fihetsiketsehana i Myanmar
"Any an-dakilasy no misy azy ireo fa tsy any am-ponja. Izany no antony handokoako ny sarintavan'izy ireo."