Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Avrily, 2013

29 Avrily 2013

Gresy : Fahadisoam-panantenan'Ireo Tsy Misy Taratasy Ara-Dalàna Migadra

Naparitaka tao amin'ny Twitter ny tantaran'ny hadisoam-panantenana, rehefa avy nitsidika ny tobin'ny mpitandro filaminana any Drapetsona any Piraeus , toerana misy ireo mpifindra monina tsy nahazo alàlana maherin'ny 100 miaina amin'ny toerana tsy mendrika sy haizina ireo mpanao politika, mpanao gazety ary ireo mpikatroka mafàna fo mpanohitra ny fanavakavahana. Isan'ireo...

Fivoriana Manohitra Ny Fankahalàna Hanosehana ny Fanavakavaham-Bolonkoditra Mihamanjaka ao Sri Lanka

Miomana ny hivory ao an-drenivohitra Colombo ny andron'ny 28 avrily ny mpikatroka manohitra ny fankahalana. Niaina fanafihana maherisetra misingatsingana sy kabary fankahalàna vondron'olona vitsy an'isa ny firenena tao ho ao. Tonga roa herinandro monja taorian'ny fiaretan-tory amin-dabozia nataon'ireo olona nijoro teo ivelan'ny biraon'ny Bodu Bala Sena (na Herin'ny Tanjaky ny...

Niakatra Ny Tahan'ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika

Violeta, tovovavy mpianatra 18 taona no hita faty [es] tao amin'ny làlan-tany ao amin'ny Faritra Chiapas, nahitana dian-dratra ny vatany. Nandritra izany ihany, tao amin'ny Faritra Guanajuato, fatim-behivavy iray antsoina hoe Olga no hita [es] nalevina ny tapan'ny vatany ary rakotra sokay. Toa nokendaina izy. Roa amin'ireo lasibatra manoloana ny fihanaky ny herisetra arahina...

27 Avrily 2013

Fandraketana Trangam-Panavakavahana Mba Hampitsaharana Ny ‘Tsy Fikitika’

ONG iray iraisampirenena ny Video Volunteers, no sady mpiaro zon'olombelona, nanomboka ny fanentanana ARTIKLA 17 tamin'ny taona lasa izay idiran'ny fandraisana andraikitra amin'ny fijoroana vavolombelona mikasika ireo endrika samihafa isehoan'ny 'Tsy Fikitika' noraketin'ireo Mpifandray amin'ny Vondrom-piarahamonina Video Volunteers an-tsary. Hatreto dia lahatsary 30 no azo jerena mikasika ny fanaovana izany...

25 Avrily 2013

An-jatony Ireo Namoy Ny Ainy & Mbola Karohina Noho Ny Fianjeranà Tranobe Tao Savar

Tamin'ny 24 Aprily 2013 maraina, tranobe misy rihana sivy no nianjera tao Savar, tanàna manodidina ny renivohitr'i Bangladesh, ao Dhaka. Olona maherin'ny 142 no namoy ny ainy, olona an'arivony teo kosa no naratra ary an'arivony ireo mbola karohina ao anaty korontan-trano-rava. Ahitana orinasan-damba manomboka ao amin'ny rihana faha-3 hatrao amin'ny rihana faha-8. Olona...

Doka Tatinjaza Ho ‘Fanolanana’ Ny Tantaran'i Philippines

Nibaiko ny hampitsaharana amin'ny fahitalavitra ny doka iray maka tahaka sady maneso ny zava-nitranga raha namono ilay portiogey mpamakilay Ferdinand Magellan tamin'ny 1521 nandritra ny Fifanandrinan'i Mactan i after A Philippine diaper manufacturer has been ordered to stop airing a TV advertisement that parodies the scene when Datu Lapu-Lapu ny orinasa iray mpamokatra...

23 Avrily 2013

Venezoela: Miteraka Herisetra Ny Ahiahy Taorian'ny Fifidianana Sy Ny Tsy Fahatokisana

Mitohy ety anaty aterineto sy eny an-dalambe ny fanehoankevitra mivaivay mikasika izay ho vokatry ny fifidianana ao Venezoela, natao tamin'ny 14 Aprily. Feno hafatra an-katezerana sy fifampiangàna avy amin'ny andaniny sy ny ankilany ireo tambajotra sosialy, izay mahatonga fisarahana eo amin'ireo mpomba ny foto-kevitra Chavez sy ireo mpiara-dia amin'ny mpanohitra...

22 Avrily 2013

Mitolona Manohitra Ny Heloka Amin'ny Fomba Amam-panao Ny Gaboney

Nampivandravandra ny lozan'ny famonoan'olona ara-pomba amam-panao ao Gabon ny fandaharana iray amin'ny fahitalavitra Canal Plus. Anisan'ny finoana mahatonga famonoan'olona ara-omba amam-panao ao Gabon ny fakàna taova aminà olona velona iray mba hahafahan'ny olona iray hanana tanjaka kokoa. Efa nisy fahafatesana nampisaona fianakaviana manontolo izany heloka izany ary mampivarahontsana ny firenena manontolo. Nanomboka tamin'ny volana mey...

Chile : Velona Indray Ny Hetsiky Ny Mpianatra

(Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy) Niverina tanaty hery tamin'ny alalan'ny fidinana teny an-dalambe nanerana ny firenena Shiliana ny hetsiky ny mpianatra mitaky ny fanabeazana maimaipoana sy tsara. Nifamotoana tany amin'ny foibe sosialin'ny tanàndehibe maro nanerana ny firenena ny mpianatra izay niahiakiaka hatrany ny hoe “Hianjera, hianjera, ny fanabeazan'i Pinochet… sy...

19 Avrily 2013

Tanora Haisiana-Dominikana Mitaky Hanan-Jò Ara-Dalàna

Tanora Dominikana lahy sy vavy manana fiaviana Haisiana manodidina ny 50 eo ho eo no nanomana tao amin'ny Movimiento Reconoci.do [es], diabe niainga avy tao amin'ny Katedralin'i San Pedro de Macorís Cathedral mankany amin'ny Lapa Nasionaly tao Santo Domingo mitaky ny hamerenana ny antonta-taratasiny, sy ny zom-pirenena maha-Dominikana, izay nesorina tsotra izao tamin'ny...