Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Avrily, 2022
Mpikatroka roapolo avy amin'ny farany havanana voaheloka vokatry ny fanafihana mpanao gazety tamin'ny 5 jolay
Mpikatroka miisa 20 avy amin'ny farany havanana no nohelohin'ny Fitsarana tao an-tanànan'i Tbilisi noho ireo fanafihana natao tamina 53 mpiasan'ny media sy olona hafa nandritra ilay Diabe tsy nahomby tao Tbilisi tamin'ny 5 Jolay 2021.
Manao hetsika ‘Akanjo Manga’ ireo mpikatroka ao Myanmar mba hanehoana firaisankina amin'ireo gadra politika
"Nijoro tamim-pahasahiana nanohitra ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila ireto mpikatroka ireto, saingy toa adinon’izao tontolo izao ny momba azy ireo."
Hiram-panoherana matanjaka ao Kenya sy Afrika Atsimo
Ao Kenya sy Afrika Atsimo, fitaovana tsy azo ialàna ireo hiram-panoherana ho an'ny tolom-panafahana
Fihoaram-pahefana, fisamborana ary fanelingelenana: Ny mahazo ireo mpikatroka ara-tontolo iainana ao Vietnam
"Ny fanorisorenana, ny fandrahonana ary ny fanagadrana no sasantsasany amin'ireo tetika ampiasain'i Vietnam mba hampanginana ireo mpikatroka ara-tontolo iainana."
Mitaky ny zo fizakantany ny hetsi-panoherana manerana an'i Kambodza
“Tokony hitady vahaolana ho an’ny vahoaka ny tompon’andraikitra, indrindra amin’izao adin-tany mitarazoka tsy mbola voavaha izao.
Vondrona mitaky ny hamotsorana ireo mpikatroky ny Mother Nature mpiaro ny tontolo iainana
"Tokony ho deraina ny asa izay ataon'ireo mpikatroka mafàna fo fa tsy ho hosakanana", ary tokony ho henoina ny feon'izy ireo fa tsy hampanginina."
Notohizan'i Shanghai ny fihibohana na dia mitaraina, lany vatsy sy mikorontana aza ny vahoaka,
Ao anatin’ny fisavorovoroana ny tanàndehibe satria maro ny mponina ao anatin’ny fihibohana no lany sakafo, tsy mahazo fikarakarana ara-pahasalamana mahazatra, ary sahirana amin'ny fividianana entana ilaina andavanandro.
Noraràna vonjimaika nandritra ny fihetsiketsehana ny sehatra media sosialy tao Sri Lanka
Naverina tamin'ny laoniny ny sehatra media sosialy ao Sri Lanka, anisan'izany ny Facebook, YouTube, Twitter, WhatsApp, ary Viber, taorian'ny fandraràna 16 ora mba hampitsaharana ny hetsi-panoherana ny governemanta ao anatin'ny fitohizan'ny krizy ara-toekarena.
#StandWithUkraine: Miantso ny hamaranana ny ‘daroka rosiana’ ny mpanao fihetsiketsehana ao Makedonia Avaratra
Mihetsika manohitra ny fanafihana rosiana ao Okraina eo anoloan'ny masoivoho rosiana ny Okrainiana monina ao an-drenivohitra Makedoniana Avaratra ao Skopje sy ny olom-pirenena ao an-toerana tamin'ny 25 Febroary.
Navalny, mpitarika ny Rosiana mpanohitra, miantso ny hanohizana ny fanoherana rehefa nahazo sazy an-tranomaizina 9 taona
Tamin'ny 22 martsa, voasazy higadra 9 taona any amin'ny fitondram-pananjahantany henjana i Navalny, izay hanokana-monina azy tsy hifandray amin'ny voafonja hafa sy ny any ivelany.