Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Desambra, 2008
Miresaka momba ny Gaza ny tontolon'ny Twitter @ ankapobeny
Fomba fitorahana bolongana vaovao (na famahanam-bolongana vaovao) ny Twitter , na mizotra izao ny tantara. Tsy misy mampivandravandra azy ankoatra ny amin’ny fotoanan’ny krizy: nandritra ny fanafihana tany Mumbai, mila ho isa-minitra ny mpampiasa ny Twiter no mamatsy vaovao, ary ankehitriny, satria mitohy ny fandarohana avy eny an-habakabaka Isiraelianina an’ny Gaza dia...
Iran : Tamberin'ny taona 2008
Tamin'ny volana Aprily 2008 no namoahan'ny Berkman Center for Internet and Society (ivotoeran'i Berkman misahana ny aterineto sy ny [orinasa na] fiaraha-monina) fanadihadiana mahaliana milaza fa manodidina eo amin'ny 60 000 eo ho eo ny isan'ny bolongana iraniana tsara fahana. Misy isan-karazany ny bolongana any Iran, ary tamin'ny taona 2008...
Iran: Mpamaham-bolongana Islamista Iraniana manohana an'i Gaza
Mpamaham-bolongana Islamista maro no manao fanaitairana ho fanoherana ny fahirano atao amin'ny tehezan-tanin'i Gaza ka manentana ny tontolo Miozolomana hamonjy ny Palestiniana. Mampiasa fitaovana maro tahaka ny Google bombs sy ny banners ny mpamaham-bolongana hielezany eo amin'ny tontolom-bolongana sy hampiroboroboana ny hetsika. Fanampin'izany dia misy fikambanana mpamaham-bolongana Islamista antsoina hoe...
Shina: Ny Sata faha 8, mba halàlaka sy tsy hanan-tahotra
Ankatoky ny fankalazana ny faha enimpolo taonan'ny fanambarana eran-tany momba ny Zon'Olombelona ny 10 Desambra, Sinoa 303 mpitandro ny zon'Olombelona, no niaraka namoaka ny Sata faha 8, izay mitaky fanavaozana pôlitika any Shina. Kanefa, ny governemanta Sinoa dia nanapa-kevitra ny hankalaza ny fanambarana eran-tany ny zon'Olombelona amin'ny alalan'ny famoretana izany...
Madagasikara: Televiziona noterena hijanona
Noho ny nandefasany ny lahatsarin'ny mpanohitra iray an-tsesintany dia nakaton'ny fanjakana ny VIVA televiziona. Miady hevitra momba ity fanapahan-kevitra politika ity sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fahafaham-pitenenana ny mpamaham-bolongana.
Brezila: Lasa mpamono olona mihitsy ny pôlisy breziliana
Amin'ny fotoana ankalazana indrindra ny andro ho an'ny zon'olombelona, ary raha nisy vono olona mitovy tamin'ity mihitsy izay niteraka fitokonambe tany Gresy, dia mihiaka mafy ny mpamaham-bolongana Breziliana manohitra ny fomba tena mampihivinginvin-doha nefa tsimatimanota ataon'ny pôlisy ao Rio de Janeiro - tamin'ity fotoana ity kosa ny niharandoza dia zaza...
Gresy: Ilay gidragidran'ny tanora sy ny pôlisy tany an-toerana
Nisy fihetsiketsehana sy gidragidra nahery vaika nataon'ny olona an'arivony nidina an-dalambe tao an-drenivohitry Gresy, Athena, nandritra ny telo andro, ho fanoherana ny fitifirana nataon'ny pôlisy nahafaty zatovolahy 15 taonaantsoina hoe Alexandros Grigoropoulos tao Athena faritry Exarchia tamin'ny 6 Desambra 2008 lasa teo. Niitatra vetivety hatrany Thesalonikia, tanàna lehibe faharoa any...
Serbia: Vondrona mpanandratra firenena Serba ao amin'ny Facebook
Eto ampanombohana dia sahirana mandrakariva aho mpandika teny malagasy amin'ny fanavahana ny nasionalista sy patriôty. Noho izany manomboka izao ny nasionalista dia hataoko hoe mpanandratra ny firenena (mba tsy hanaovana ny hoe mpankahala vahiny) ary ny patriôty kosa no hataoko hoe tia tanindrazana. Hiditra amin'izay lazain'ny lahatsoratra nadika amin'izay aho....
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...