Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Febroary, 2022
Mivondrona ho fanohanana an'i Okraina ny Zeorziana raha sahirana hamaly ny solombavambahoaka
Olona an'aliny no nidina an-dalambe tao an-drenivohitra Zeorziana, Tbilisi mba hanameloka ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina.
Tsy tsotra toy ny tsinaim-balala ny lahateny Rosiana momba ny ady ao Okraina
Na dia toa maneho ny fomba fiteny rosiana aza ny feon'i Putin dia miteny ho an'ny tenany ihany izy. Miovaova be ny fomba fijerin'ny Rosiana momba ny zava-misy ao Okraina sy ny fanafihana ara-tafika ataon'i Rosia.
Ho lasibatry ny Lalànan'ny filaminam-pirenena ao Hong Kong ve ny mpampianatra oniversite Taiwaney?
Lasibatra i Wu tamin'ny famoahana ny lahatsoratra “Ho an'ny Revolisiona manam-pahataperana” izay niresaka ny asan'ireo mpikatroka nandritra ny hetsika fanoherana ny famindra-toerana (fampodiana) voaheloka tao Hong Kong tamin'ny taona 2019.
Fanafihana voarindra mahazo ireo Bangladeshita mpikatroka ao amin'ny Facebook
Tao anatin'ny fanafihana fiaraha-miasa vao haingana nataon'ireo olon-tsy fantatra, nivadika tamin'ny fomba misitery ho sary fanomezam-boninahitra ahitana ny voambolana "Remembering" (tsaroana) tsy azo idirana ny horirantava Facebook an'ireo olo-malaza, mpanao gazety, olon'ny media ary mpikatroka avy any Bangladesh.
Fiainana ampielezana: Tantaran'ny Nepaley mpiasa iray nifindra monina tany Qatar
"Izany no niainanay. Ireo mangina no tadiaviny. Ireo izay azo ampanginina." Fitantaran'ny Nepaly iray niondrana andafy hiasa niverina nody rehefa nandany telo volana tao Qatar.
Manamarika ny tsingerin-taonan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny ‘fitokonana mangina’ ireo hery mpanohana ny demaokrasia ao Myanmar
“Nandà tsy hamela ny tenan'izy ireo ho lasa andevon’ny miaramila indray ny vahoaka, ary tsy ho kivy mihitsy”.
Tsy hahavaha olana amin'ny fitsinjaran-karena ao Kazakhstan ny fanekena hijery ambany (hitsongoloka) indray
Raha tsy misy fanavaozana matotra indray amin'ny toekaren'ny firenena, naka fepetra hafa mitsongolokaa ny mpitarika ao Kazakhstan mba hiadiana amin-tahotra ny hantsana eo amin'ny olona— antony lehibe indrindra nahatonga ny hetsi-panoherana malaza tamin'ny volana Janoary.
Kambodziàna mpiangaly RAP nivoady hanoratra hira fanakianana na efa nigadra taona iray aza noho ny fandrisihana olona
"Tsy hitsahatra hanoratra sy hihira ireo hirako momba ny fireneko aho. Hotohizako ny hanabe ny vahoaka amin'ny alàlan'ny hirako sy hitaiza ny fanahin'ny fitiavan-tanindrazana hitohy hatrany"
Nifidy ny hijanona miaraka amin'i Frantsa i Nouvelle-Calédonie tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka tsy nandraisan'ny vahoaka indizeny anjara
"Tsy afaka aorina ny hoavin'i Nouvelle-Calédonie raha tsy misy ny vahoaka indizeny. Ny feo Kanak no vato fehizoron'ny lahatra iraisan'i Nouvelle-Calédonie."