Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Desambra, 2023
Raha manomboka ny Tahirimbola ho an'ny Fatiantoka sy Fanonerana ny COP28 dia nasongadin'ny orambe mivatravatra kosa ny fitomboan'ny faharefoan'ireo Nosy Karaiba manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro.
Mitovy tahaka ny any amin'ny faritra hafa any Karaiba ny toe-javatra any Jamaika, izay atahorana ny tsy fanjariana ara-tsakafo noho ny "loza voajanahary" miverimberina ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro vokatry ny ataon'ny olombelona.
RV Newsletter: Hirika famatsiambola ho an'ireo tetikasa fanaovan-gazety sy fanadihadiana
Famatsiambola, asa fanaovana gazety, hirika sy maro hafa !
Nahoana aho no mampiasa ny zoko ho afaka hanao hetsipanoherana aty Trinidad & Tobago
Tsy hetsipanoherana fanairana fotsiny ity diabe manokana ity : fihetsika fisaonana ihany koa. Maro amin'ireo vahoakanay no maty noho ny herisetra tamin'ity taona ity.
Fahazarana tsara vintan'ireo ao Gaza hoe ?
Miezaka ny hatory aho na dia eo aza ny tabataban'ny zera baomba mahery vaika sy ireo tatitra amin'ny onjampeo. Miha-mavesatra hatrany ny masoko. Ary avy eo niafara tamin'ny tsy fahatsiarovako tena ka dia renoky ny tory aho nony farany.
[Karatra paositaly misy feony] “Fiarahabàna avy amin’ …” i Umasoye, mpikatroka dizitaly ho an'ny fiteny Ekpeye avy ao Nizerià
Asain'ny Rising Voices ianao hiaraka aminay amin'ny andiany voalohany amin'ny "Fiarahabàna avy amin'.." ka amin'ity dia anasongadinana an'i Umasoye, mpikatroka dizitaly ho an'ny fiteny ekpeye ao Nizerià
Nodimandry teo amin'ny faha-65 taonany i Benjamin Zephaniah, poeta britanika tsy manam-paharoa manana faka avy any Karaiba ary manintona be ao anatina fiarahamonina manana kolontsaina marolafy
Lasa mpanakanto sy mpandika teny ankafizina izy izay namakivaky ny sisintany rehetra ary nikaroka izay hanasitranana ny fiarahamonina voasamantsamaky ny fanjanahantany, ny fanavakavaham-bolonkoditra ary ny tsy rariny ara-tsosialy.
Ahoana ny fiantraikan'i Karaiba amin'ny asa an-tokantrano sy ny “parlemantera iraisam-pirenena misahana ny asa”
"Nitranga tao anatin'ny korontana tamin'ny faramparan'ny taona 1960 ireo tolona niainga avy ao an-toerana ireo, notovanan'ny hetsi-panoherana ho an'ny zo sivily, ny fandravana ny fanjanahana an'i Afrika sy ireo fihetsehampo midadasika kokoa manohitra ny fanjanahantany midadasika kokoa ny fanjanahantany tany amin'ny "Tontolo Fahatelo".
Ao anaty fanadihadiana iray vaovao, Ozbekistan mankalaza ny hetsika reformista Jadid
Toa mbola haharitra ela ny fiverenan'ny Jadid eny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe, miaraka amin'ny governemanta mampiasa ny lova navelan'izy ireo ho fitaomam-panahy.
Cop 28, nanambara ny fametrahana tahirimbola heverina hanonerana ireo firenena avy amin'ny ilabolantany atsimo ao anatin'ny ady hanoherana ny fiovaovan'ny toetrandro
Nambaran'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana ho an'ny Toetrandro (Cop28) ny fampandehanana ilay tahirimbola ho an'ny fatiantoka sy ny fanonerana natao hanonerana ireo firenena avy amin'ny ilabolantany atsimo tena marefo manoloana ny fiovàn'ny toetrandro. Ankoatra ireo fanambaràna, midika inona ireo tarehimarika?
Ny fomba nahatonga ny rugby ho anaty ADN-n'ireo Afrikàna Tatsimo
Neken'ireo Afrikàna Tatsimo avy amin'ny lokon-koditra samihafa ny ekipa iray izay fon'ireo Afrikaners sy ny apartheid taloha, fomba ahoana no nahatongavany tamin'izany?