miora · Desambra, 2010

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Desambra, 2010

Okraina: Rà tao amin'ny Parlemanta

  28 Desambra 2010

Ny 16 Desambra, dia nisy ady nangotraka nipoaka (ENG) tao amin'ny Parlemanta Okraniana, izay nahatonga mpanao lalàna efatra farafahakeliny naiditra hopitaly noho ny ratra goavana. Mandinika ny bilaogy sy Twitter i Tetyana Bohdanova mikasika ny fihetsehan'ny vahoaka Okrainiana sy ireo mpanao politika.

Venezoela: lany ilay volavolan-dalàna handrindràna ny aterineto

GV Mpisolovava  25 Desambra 2010

Tamin'ny Alatsinainy 20 Desambra lasa teo, dia nandàny ny volavolan-dalàna izay manome fahefana ireo Mpanatanteraka handrindra ireo zavatra rehetra azo tsidihana ao amin'ny Aterineto any Venezoela ny Parlemanta Venezoeliana. Amin'ny alalan'ny sampan-draharaham-pitantanana, ny CONATEL, dia manana andraikitra hisakana ireo zavatra rehetra mety hifandona amin'ny antoko faha 28 sy 29 ireo ISP mpanome tolotra aterineto rehetra any Venezoela

Chile: Bilaogy manohitra ny fanenana ny ora fampianarana ny Tantara

  13 Desambra 2010

Ny bilaogy Historia y Reforma [es] (Ny Tantara sy Fihavaozana) dia nanangona ireo “hevitra samy hafa manohitra ny fanenana ny ora fampianarana ny Tantara izay niparitaka tamina media  sy tambajotra ara-tsosialy samihafa. Mandritra izay fotoana izay ihany, dia afaka hahafantatra mikasika ireo hetsika isankarazany nokarakaraina mba hiarovana ny fampianarana ny...

Zazavavy Maleziana 14 taona manambady

  08 Desambra 2010

Tokony afaka hanambady ve ny zazavavy 14 taona? Vao haingana izay dia namela zazavavy iray 14 taona hanambady lehilahy mpampianatra 23 taona ny Fitsarana Syariah any Malaizia. Miady hevitra mikasika ny fanambadian'ireo ankizy ny mpitoraka-bilaogy

Jordania: Baraingo momba ny raharaha-na telegrama navoakan'ny Wikileaks

Ny zavatra navoakan'ny Wikileaks farany, fantatra amin'ny anarana hoe "raharaha-na telegrama," dia mampisongadina ireo filazana maro nataon'ireo Mpitondra Jordaniana, tahaka izany ihany koa ireo fifandraisana maro avy any amin'ny Masoivohon'i Firenena Mikambana any Amman. Manana fomba fihetsehina samy hafa mikasika ity vaovao ao amin'ny vohikalan'ny *whistle-blower* ireo mpitoraka Tweet.

Manampy HTTPS ny YouTube; tafiditra ny Siriana, Toniziana, saingy…!

GV Mpisolovava  02 Desambra 2010

Tany anaty vaovao ny HTTPS tato ho ato; voalohany, noho ny Firesheep, rindrambaiko izay manome fahafahana ireo mpampiasa ny WiFi hitroka ireo cookies sy hangalatra ny fidiran'ireo mpampiasa tambajotra sosialy raha tsy mampiasa ny HTTPS izy ireo. Vokatr'izany, niainga ny fanentanana iantsoana ireo orinasa mba hanome HTTPS “par défaut” ary dia...