miora · Mey, 2012

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Mey, 2012

Pakistana: Nandalo Faran'ny Herinandro Fanivànana Ny Twitter

  30 Mey 2012

Niaritra fanivanana tanteraka ireo mpampiasa Twitter manerana ireo FAI rehetra tany Pakistana nanomboka ny Alahady 20 Mey tamin'ny 1 ora tolakandro.noho ny baikon'ny Manam-pahefana amin'ny Fifandraisana any Pakistana izay nilaza fa fanivanana ireo sary manala baraka no antony. Na eo aza izany, mihevitra ireo mpampiasa aterineto fa manandrana ny tolotra Fanivanana URL ireo manam-pahefana. Nesorina iany sakana izany tamin'ny alina.

Nabeel Rajab: Mitohy Ny Tolona Any Bahrain

GV Mpisolovava  29 Mey 2012

Navoaka tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra $800 ny Filohan'ny Foibe Bahraini momba ny Zon'olombelona, Nabeel Rajab, hoy ny mpisolovava azy, Mohamed Al Jishi. "Ity no fotoana voalohany teo amin'ny fiainako nitanana ahy nandritra ny fotoana naharitra. Namafisin'ny zavatra niainako tany am-ponja ny finoako fa mpanao didy no mifehy antsika. Mila miziriziry hanohitra isika, ary hiady mafy hanohitra ity famoretana sy tsy rariny ity mandra-pahatanteraka ireo fangatahana rehetra izay nanatanterahantsika hetsi-panoherana tamin'ny 14 Febroary. Hitohy ny tolontsika mandrapahazoantsika ny zontsika rehetra."

Fitaovana Asongadina: Ny “Mobile In A Box”

Rising Voices  28 Mey 2012

Miaraka amin'ny fielezan'ny finday any amin'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika sy zara raha voasolo tena, ilain'ireo olom-pirenena mpanao gazety sy mafana fo ny mianatra ny fampiasàna sy ireo tetikady mikasika ity teknolojia mihanaka be erak'izao tontolo izao ity. Ny Mobiles in-a-box izay an'ny Tactical Technology Collective, dia tahirinà fitaovana sy torolàlana narafitra hanampy ireo fikambanana mpisolovava sy mafana fo hampiàsa ny teknolojian'ny finday anatin'ny asany.

Witness: Mianatra Mampiàsa Lahatsary Ho An'ny Fiovàna

Rising Voices  23 Mey 2012

Mandrisika ny olona hamadika ireo trangana fanararaotana manokana niainany ho fitaovana matanjaka ho an'ny rariny ny WITNESS amin'ny alalan'ny fampiasàna lahatsary vokarin'ny mpampiasa. Nanofana olon-tsotra avy any amin'ireo firenena mahery ny 80 izy amin'ny alalan'ny atrikasa fifanampiana. Nanomboka ny fanofanany feno sy takatry ny rehetra mikasika ny fisoloana vava ny zon'olombelona ny WITNESS avy amin'ny alalan'ny lahatsary, izay azonao sintonina maimaim-poana.mba hanitarany ny fiantraikan'ny fanofanana ataony..

Torolàlana Asongadina: Torolàlana Momba ny Fanaovan-gazety Firaketana – Fomba Vaovao Fitantaràna

Rising Voices  10 Mey 2012

Ny fanaovan-gazety tarihan'ny rakitra dia dingan'ny fanaovan-gazety mifototra amin'ny fandinihana sy ny fisafidianana miaraka amina fitaovana manana loharano misokatra - na 'open source', fitambaran-drakitra midadasika, izay afaka tsidihana malalaka ao anaty aterineto. Ny Novambra lasa teo, tanatina atrikasa naharitra 48 ora tany amin'ny Fetiben'ny Mozilla tany Londona, nanomboka niasa ho amin'ilay torolàlana voalohan'ny Fanaovan-gazety Firaketana ireo mpanao gazety sy Mpandrafitra rindram-baiko marobe. Natomboka tamin'ny fomba ara-dalàna io Torolàlana io ny 28 Aprily 2012, tany amin'ny Fetibe Iraisam-pirenen'ny Fanaovan-gazety tany Perugia (afaka alaina maimaim-poana ao anaty aterineto).

Inde: Awaaz.De – Mitondra Ny Feon'ireo Vondrom-piarahamonina Anjorom-bala Sy Taraiky

  08 Mey 2012

Rindrambaiko mitondra fomba vaovao ny Awaaz.de (rafitra Famaliana amim-peo "interactive" ampiasàna ny Voice-XML) izay mamela ireo fikambanana fampandrosoana hifandray amin'ireo vondrom-piarahamonina mahantra, tambanivohitra sy anjorom-bala amin'ny alalan'ny fanomezana vaovao ho an'izay mangataka izany amin'ny finday. Afaka miditra ao amin'ny rindrambaikon'ny Awaaz.De ny olona amin'ny fanoratana ireo laharan'antso mahazatra mba hiasana miaraka amin'ireo rakipeo amin'ny alalan'ireo "interface"-na feo mandeha ho azy.

Kolombia: Zazalahy 12 Taona Maty Noho Ny Vono Nahazo Azy Tany Am-pianarana

  01 Mey 2012

Zazalahy kely 12 taona no maty herinandro lasa izay noho ny vono nahazo azy tamin'ny fiarovany ny mpiara-mianatra taminy. Na dia nanambara aza ny mpitsabo mpahay lalàna fa aretin'ny taolana no nahafaty azy, nandà izany fanapahan-kevitra izany ny reniny [es] sy ireo manam-pahaizana vitsy [es] ary nilaza fa ilay fidarohana azy no antony tena niteraka ny fahafatesany. Mihetsi-po amin'ny fahafatesan'ity zazalahy ity ireo Kolombiana mpampiasa aterineto.