Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Desambra, 2014
Tamin'ny Fampisehoana Voalohany Ilay Sarimihetsika Tany Lôndôna, Milaza Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Fa any Thailandy No Tena Misy Ny “Lalaon'ny Hanohanana”
Nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny fampisehoana voalohany an'ilay sarimihetsika malaza "Hunger Games" ireo Thai mpianatra any Lôndôna, hisarihana ny saina amin'ireo rahona mianjady amin'ny demôkrasia amin'ny fiainana tena izy any amin'ny tanindrazan'izy ireo.
Manapa-kevitra ny Hanakatona ny Vohikala Mpampita Vaovao “House News”, Mpiaro Ny Demôkrasia any Hong Kong, Ilay Mpamorona Azy Voahorohoro
Manao fandinihana ny olona sasany ka milaza fa tafiditra anatin'ny faneriterena lavitra ataon'i Pékin amin'ny fanaovan-gazety ao Hong Kong ny famoretana ilay vohikala hikatona.
Izy Ireo No Mifidy Eo Amin'ny Toeranao: Manitatra Ny Fe-potoana Iasàny Ny Parlemanta Libaney
Anatinà hetsika mety ho lafiratsiny lehibe, mety mampidi-doza mihitsy aza ho an'i Libanona, dia nanemotra ny fifidianana fanindroany indray ny parlemantam-pirenena.
Mitsabaka Amin'ny Fanabeazana Ny Fitondrana Mpanongam-panjakana Mba Hampianarana Ny ‘Demôkrasia Marina’
Mikendry ny handrisika ny fampihavanana ireo fanovàna ara-panabeazana tohanan'ny miaramila, saingy nanjavona tampoka tanatin'ireo boky fampianarana ny anaran'ny Praiminisitra teo aloha, Thaksin Shinawatra.
Azonao Tsara Ve Ilay Izy? Afaka Manome Anao Ny Valiny Ireto Andian-Dahatsary Aostralianina
Ahitana ny 'Inona ny Zon'Olombelona?' sy ny 'Fitovian-jo eo amin'ny Fanambadiana' ireo andian-dahatsary mikasika ny Zon'olombelona avy amin'ny Toby Castan misahana ny Lalàna mifehy ny Zon'Olombelona.