Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Mey, 2016
Lasa Nisarika Ny Sain'ny Rehetra Ny Fihenan'ny Farihy Urmia Ao Iran, Noho Ny Nataon'i Leonardo DiCaprio Avy Any Hollywood
"Nanontany aho raha toa ka fantatr'izy ireo ny loza mety hitranga aminay raha toa ka ritra ilay farihy. Dia hoy izy ireo hoe, raha ritra izy, tsy maintsy mandeha any an-kafa isika."
Manampy Ireo Fianakaviana Ao Goatemalà Hikaroka Ny Olon-tiany Nanjavona ny “Tetikasa Fifindra-monina”
Any Zacualpa, mindram-bola ireo mponina sasany ary mihazo any avaratra mba hikaroka fiainana tsara kokoa. Saingy tsy mahomby amin'izany avokoa izy rehetra ary manjavona ny sasany.
Miatrika Ny Fandriky Ny Trosa Anaty Tranonkalam-pifandraisana ireo Shinoa Mpianatra
Nilaza ny People’s Daily, izay tantanan'ny governemanta, fa tokony "hitarika ny fisainan'ny [zanany], hikolokolo ny fahalalàny ara-bola ary hampitombo ny fahatsapàny ny loza mety hitranga" ny ray aman-dreny
Nanjakan'ny Mosary ny Fahazazany Tao Etiopia. Ankehitriny, Hitany Fa Lany Indray ny Sakafo
Manahy momba ny tanindrazany ny Etiopiana iray mpila ravinahitra noho ny haintany sy ny fiovaovan'ny toetrandro mandrahona hitondra mosary iray hafa.
Nangatahana i Aostralia Mba Hampitsahatra Ny Fangalarany Ny Solika Sy Ny Hoavin'i Timor Atsinanana
Voampanga ho nanitatra ny sisin-dranomasiny izay manala amin'i Timor Atsinanana ny zony hanana ny tahiriny momba ny solika sy entona i Aostralia.
Inona No Mitranga Amin'ny Politika Afrikana Tatsimo? Araho Fotsiny Ny Tenifototra
Fantaro ny momba ireo tenifototra valo izay manamora ny adihevitra ara-politika sy mikarakara fihetsiketsehana any Afrika Atsimo mihitsy aza.
Na Eo Aza Ny Fomban-drazana Sy Ny Dinam-piarahamonina, Mitàna Ny Ejiptiana Eo Amin'ny Sehatra Fandihizana Ny Salsa
Minoa na tsia, fa manana iraisana kokoa noho ny zavakanto sy kolontsaina tranainy sy ny fananganana piramida i Amerika Latina sy i Ejipta.