Nandritra ny lalao famaranana nampientanentana tamin'ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany Rugby [fr] tao amin'ny Stade de France [fr], ny Sabotsy 27 Oktôbra, ireo Springboks mahatahotra, ekipam-pirenena afrikàna tatsimo mpilalao “rugby à XV”, no nahazo ny fandresena 12-11 tanaty lalao henjana nanoloana ny All Blacks, ekipa avy any Nouvelle Zélande.
Ankehitriny, mitàna ny toerana voalohany erantany amin'ny rugby, ry zareo Springboks no tompondaka erantany, manana ny zavabita tsara indrindra, fandresena efatra tamina fiadiana ny ho Tompondaka Erantany ( 1995 [fr], 2007 [fr], 2019 [fr] et 2023 ) [fr]. Ry zareo no firenena faharoa nahazo fandresena nifanesy tamina Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany (2019 sy 2023), taorian'ireo mpifanandrina goavana aminy, ny All Blacks, izay ekipa faharoa nahomby indrindra teo amin'ny tantaran'ny rugby. Fa mbola mipetraka ny fanontaniana : ahoana no nahatongavan'i Afrika Atsimo teny amin'io tampony io ? Neken'ireo Afrikàna Tatsimo avy amin'ny lokon-koditra samihafa ny ekipa iray izay fon'ireo Afrikaners (sy ny apartheid) taloha, fomba ahoana no nahatongavany tamin'izany?
Alohan'ny handehanana lalindalina kokoa, ndeha hiainantsika… indray… ny fotoana nahatonga ny Springboks ho lasa ekipa goavana indrindra amin'ny rugby erantany :
@rugbyworldcup The Springboks go back to back 🏆 #RWCFinal #RWC2023 #rugby ♬ som original – WE ARE 00h.03m 🇨🇭
@rugbyworldcup Fandresena mifanesy ny an'ny Springboks 🏆 #RWCFinal #RWC2023 #rugby ♬ som original – WE ARE 00h.03m 🇨🇭
Situation right now at Mall of Africa in Waterfall. Thousands of people are here with us. WE DID IT SOUTH AFRICA!!! We won the Rugby World Cup again. For a record 4th time. In God we trust. The whole country is not sleeping tonight. 🔥🔥🇿🇦 #Springboks #RWCFinal #RWC2023… pic.twitter.com/6pX1Zr65aE
— Toko Masemola (@TokoMasemola) October 28, 2023
Ny zavamisy amin'izao fotoana izao ao amin'ny Mall of Africa ao Waterfall. An'arivony maro ireo olona miaraka aminay eto. AZONTSIKA ATY AFRIKA ATSIMO ILAY IZY!!! Azontsika indray ny Tompondaka Erantany amin'ny Rugby. Ho firaketana faninefany. Andriamanitra no itokiantsika. Tsy mandrimandry ny firenena manontolo amin'ity alina ity. 🔥🔥🇿🇦 #Springboks #RWCFinal #RWC2023… pic.twitter.com/6pX1Zr65aE
— Toko Masemola (@TokoMasemola) 28 Oktôbra 2023
Ao Afrika Atsimo, manana lanja tsy manam-paharoa ny rugby. Izy no namolavola ny tantaran'ilay firenena, ny Springboks no mariky ny hambom-po sy ny firaisankinam-pirenena. Nekeni Nelson Mandela ny fahafahan'ny rugby mandray anjara amin'ny fampihenàna ireo fivakivakisana eo amin'ny samy Afrikàna Tatsimo, maintsy sy fotsy, ary ny fahafahany mampiroborobo hambom-po ikambànana. Fotoana iray niavaka teo amin'ny tantaran'ny fanatanjahantena sy ny firenena io, rehefa nentanin'i Mendela ny firenena mba hitambatra mialohan'ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantanin'ny Rugby 1995, toy izay asehon'ilay fanadihadiana ao amin'ny fantsona YouTube an'ny CBC News mitondra lohateny hoe The Real Invictus: How Nelson Mandela united South Africa through sport (ny fomba nampiraisan'i Mendela an'i Afrika Atsimo tamin'ny alàlan'ny fanatanjahantena) :
Kanefa, ho an'ny sasany, ny fanamian'ny Springboks dia mbola mijanona ho marika maneho ny fanjakazakàn'ireo fotsy hoditra vitsy an'isa mpamoritra tao amin'ny firenena.
Ny tantaran'ny rugby tao Afrika Atsimo
Tamin'ny 1948 ny rafitra apartheid [fr] no teraka tao Afrika Atsimo, rehefa tonga teo amin'ny fitondràna ny Antoko Nasiônaly afrikaner , antoko pôlitika iray izay nahitàna betsaka an'ireo Afrikaners, taranak'ireo Hôlandey, Frantsay, Alemàna mpanjanaka tao Afrika Atsimo. Ny fahambonian'ireo fotsy hoditra vitsy an'isa no nianteheran'ilay antoko ary notadiaviny ny hametraka governemanta iray hanome vàhana io vondrona io. Noho io rafitra io, ry zareo fotsy hoditra vitsy an'isa no nifehy ny endri-piainana maro tao Afrika Atsimo, tamin'ny lafiny pôlitika, sôsialy ary toekarena, nametraka ho ara-drafitra ny fanavakavahana ara-poko.
Araka ny lahatsoratra iray an'i Farrel Evans , io antoko io dia nanana fifamatorana akaiky tamin'ilay tarika mpilalao rugby tao amin'ny firenena. Nandritra ireo sivifolo taona voalohany nisiany dia zava-panaon'ilay tarika ny tsy maka afa-tsy fotsy hoditra hilalao ao aminy. Noraisin'ny antoko ho fahombiazany ihany koa ny fahombiazana azon'ilay tarika ary matetika izy no nampiasa ilay tarika ho toy ny fomba iray hanondrotana ara-poltika ireo mpikambana ao anatiny.
Ny gazela Springbok, biby amantarana ilay tarika mpilalao rugby, dia marika namantarana ny antoko nasiônaly apartheid efa hatrany amin'ny 1996. Notadiavin'ireo afrikàna tatsimo mainty hoditra izay handravàna io marika io, fa i Mandela kosa nikaroka tetikady fampiraisana mba hahafahan'ireo Afrikaners mitazona azy io ho toy ny fomba iray hampivondronana ny firenena.
Tamin'ny 1995, sambany tonga tany amin'ny lalao fiadiana ny ho Tompondaka Erantany ilay tarika, rehefa nampiantrano an'ilay fifanintsanana i Afrika Atsimo, firenena vao avy niroso ho amin'ny demaokrasia. Fotoana iray tena niavaka teo amin'ny tantaran'i Afrika Atsimo ny lalao famarànana ny fiadiana ho Tompondaka Erantany rugby 1995 nihaonan'i Afrika Atsimo sy Nouvelle-Zélande, nanamarika ny firaisam-pirenena taorian'ny niafaràn'ny apartheid.
Efa ho 28 taona taty aoriana, mbola tompondaka erantany indray i Afrika Atsimo, rehefa in'efatra nandrombaka ny amboara erantany, nisongona an-dry zareo All Blacks tamin'ny isa betsaka indrindra amin'ny anaram-boninahitra azo teo amin'ny tantara. Tena niavaka be io zavabita io raha jerena ny fanilihana an-dry zareo nandritra ireo lalao roa fiadiana ny ho Tompondaka Erantany tamin'ny 1987 [fr] sy 1991 [fr] noho ny rafitra apartheid nisy tao amin'ilay firenena. Ireo fandresena vao haingana azon'ny Springboks tamin'ny Amboara Erantany 2019 sy 2023 dia teo ambany fitarihan'i Siya Kolisi [fr], ilay voalohany tamin'ireo lehilahy mainty hoditra nitaona fanahy lasa kapitenin'ny ekipam-pirenena. Nanamarika dingana iray hafa goavana teo amin'ny tantaran'ny rugby tao amin'ny firenena izany.
Manaraka ny baolina kitra dia ny rugby no fanantanjahantena malaza indrindra ao Afrika Atsimo, manana efa ho 10 tapitrisa mpanaraka azy ao anatin'ireo vahoaka mihoatra ny 60 tapitrisa. Ny lazan'io fanantanjahantena io ao Afrika Atsimo dia hita taratra ihany koa any anatin'ireo mpilalao mihoatra ny 804 279 voasoratra anarana ao amin'ny firenena, izay faharoa ambony indrindra erantany; manaraka an'i Angletera.
Araka ny lahatsary YouTube iray an'ny Ruby Pod , ny fanjakazakàn'i Afrika Atsimo ao anatin'ny rugby dia , angamba, azo avy amin'ny fotodrafitrasa miavaka nomen'ny firenena ho an'io fanatanjahantena io, indrindra fa ireo kianja lafatra, ireo toerana fanazaran-tena ary ireo soa fanararaotra hafa.
Asongadin'ilay lahatsary fa, mifanohitra amin'ny an'ireo firenena hafa, ny rafitra fampilalaovana rugby an-tsekoly, any amin'ny kôlejy sy eny amin'ny anjerimanontolo ao Afrika Atsimo dia tena tantanina amin'ny fomba matianina, miasa ho toy ny taninketsa voalohany ho an'ireo tanora mpilalao mba ho hahitàna an-dry zareo. Ohatra ny Craven Week [fr], natomboka tamin'ny 1964, dia manolotra ho an'ireo ankizy mpianatra ny fiofanana iray avo lenta kokoa noho ny rugby an-tsekoly mahazatra, miasa ho toy ny toeram-pikotrehana talenta ho an'ireo tarika isam-paritra. Ho an'ireo mpitily talenta, ilay fifaninanana dia lasa toerana fihazàna, hikarohana ireo andiantaranaka hoavy handrafitra ireo kintan'ny rugby.
Ny fahamatorana entin'i Afrika Atsimo mikarakara ny rugby dia voatsipika ihany koa any anatin'ireo fantsona marobe natokana ho an'ny rugby miresaka ny rugby anaty klioba, an-tsekoly na any amin'ny anjerimanontolo, ary hatramin'ireo lalao matianina.
Tena zavadehibe ihany koa ny rugby eny amin'ny anjerimanontolo. Amin'ny fomba matotra no fomba itantanan'ny anjerimanontolo tsirairay azy io, ary manana ny liginy azy manokana, manana ny ekipany manokana, ny diviziôna arakaraky ny taona ary manana ny akademiany. Kanefa, ny rigby afrikàna tatsimo, amin'ny antanan-tohatra rehetra, miainga avy amin'ireo kianja tantanin-tsekoly tsy miankina ka hatrany amin'ireo ligy matianina, dia mbola ny fotsy hoditra hatrany no mibahan-toerana ao amin'ilay firenena izay 80 isanjatony no mainty hoditra. Io tsy fitsinjarana ara-poko io dia mitohy miteraka ahiahy momba ny fampiatiana.
Na inona na inona mety ho tombon-dahiny na tsia ho azon'ireo Afrikàna Tatsimo eny ambony kianja, mibaribary ny hoe tena mankafy rugby ilay firenena. Lasa ho isan'ny ADN ao anatiny mihitsy izany nandritra ny tantara, nandrafitra kolontsaina safatsiroa (=tokamiavaka). Ny fahombiazan'ilay firenena teo amin'ny sehatra irasampirenena, indrindra fa nandritra ireo fifanintsanana niadiana ny ho Tompondaka Erantany, dia nandray anjara betsaka tamin'ny fampiraisana ny firenena sy amin'ny fametrahana ny fitiavana ilay lalao.
Tsy hay ho hadinoina ny fitaomana nananan'i Mendela tamin'ny rugby tao amin'ny fireneny. Raha tsy novainy ny filalao sy ny marika famantarana ny Springboks, naveriny nofaritana kosa ireo dikany nomena azy ireny, namadika ny rugby ho lasa hery iray nampitambatra ho an'i Afrika Atsimo manontolo, eny ambony kianja sy any ivelany.