miora · Oktobra, 2018

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Oktobra, 2018

Neil Harbisson: Mihaino ireo Loko

  31 Oktobra 2018

Nanana areti-maso antsoina hoe akrômatopsia i Harbisson, izay mahatonga azy tsy hahay hanavaka ny loko ankoatra ny mainty sy fotsy. Namorona ny "Eyeborg" izy hanampy azy amin'ny fandraisana ireo maridrefy alefan'ny loko ka hamadika azy ireo ho feo misongadina izay reny amin'ny alàlan'ireo taolana ao anatin'ny sofiny.

Venezoelà: Ilay Poeta Nankafy ireo Zavatra Tsotra teo amin'ny Fiainana

  31 Oktobra 2018

Niaina tanaty fahatsorana hatrany i Nazoa. Naneho ny hakanton'ny andavanandro sy ny fanahy mahatsikaiky misy ao anatin'ny Venezoeliana rehetra izy no sady niaro ny Zon'Olombelona nandritra ny taompolo 60 tao Venezoelà. Manome voninahitra ity poeta ity, izay nanana fitiavana miavaka ireo zavatra tsotra teo amin'ny fiainana, ireo bilaogera Venezoeliana.