Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jona, 2018
MySQAR: Tambajotra Sosialy Voalohany An'i Myanmar
Hita manontolo ao teny Brimana ny MySQUAR. Herintaona latsaka teo, nivoatra haingana izy tao anatina firenena iray izay mbola an-dalampivoarana ny fidirana amin'ny Aterineto arakaraky ny fiparitahan'ny tolotra fifandraisandavitra.
Ireo Feo Avy Any Azia Atsimo
Famintinana fohifohy mikasika ireo zava-nitranga tao Azia Atsimo (2006).
Okraina: Tantara Iray Mampalahelo Avy Amin'ny Fiainan'ireo Marary Manaraka Fitsaboana Fampienàna Fanaintainana
Vao haingana, blaogera Okraniana roa no nifantoka tamin'ireo olan'ny fampihenana vokadratsy. Ireo mpampiasa ny Livejournal, depo3p sy zpt_users, dia namerina nandefa tantara iray mikasika marary momba ny opiate replacement therapy (ORT) (fitsaboana fanolo ho an'ny rongony mahery) avy ao an-tanànan'i Shostka. Hita ho tena niaritra ny aretina ilay marary, ary na eo aza ny zavamisy hoe ny fitondrantenany no tena antony lehibe nahatonga an'io olana io, nanao izay azony natao ireo marary hafa hanampiana azy.
Pakistàna: Blaogy-o-Fahombiazana
Ao anatin'ny natiorako tena tia manao soa ny mpiarabelona, tapaka ny hevitro hizara aminareo tsiambaratelo iray mampivarahontsana, nafenin'ny mpibaiko ambony an'ny Cyber Templar nandritra ny taona maro
Kibera : Ireo Vehivavin'ny PowerWomen Manohitra Ny Fitsaràna Ivelany Ny SIDA
Nandritra ny fitsidihan'izy ireo tao Kibera, Nairobia, no nihaonan'ny vondrona kely iray nisy ireo mpikambana avy amin'ny Global Voices, tamina vondrom-behivavy mitondra ny tsimokaretina izay ny asan'izy ireo andavanandro dia nataony mba handresena lahatra hanoherana ny fitsaràna ivelany ny VIH/SIDA sy mba hanentanana mikasika ny fahasalamana ara-pananahana eny amin'ireo mponina tena mahantra. Fitantarana nataon'i Ahmed Awadalla sy Rayna St.
Nikaragoa: Ampihimamba Atao Amin'ireo Fifandraisandavitra
Ny 26 may 2008, nanambara ny gazety nikaragoaiana La Prensa fa i Carlos Slim, lehilahy manankarena indrindra eto ambonin'ny tany, dia eo ampividianana ny fandaharana iray manan-danja indrindra andoavam-bola ao amin'ny fahitalavitra ao Nikaragoa. Mahatsiaro sahirana ireo mpanjifa amin'ny fahazoana fidirana aminy.
Ny Andavanandron'i Afrika: Ny Fiainana Andavanandro An-tsary, Manerana An'i Afrika
Everyday Africa, Ny Andavanandron'i Afrika, dia blaogy iombonana iray izay mampiasa ny sary mba hiadiana amin'ireo fitsaratsaram-poana atao an'i Afrika. Ireo sary dia nalaina voalohany taminà finday, izay mampiseho ny fahatongavan'ny teknolojia ao Afrika. Ireo fadaharanasa fanofanana ireo tanora etsy andaniny efa nokarakaraina, mba hampianatra azy ireo hamahavaha ny fampisehoana an'ireo olona sy ireo toerana amin'ny alàlan'ireo media.
Miaiky Ny Google, Yahoo Ary Ny Microsoft Fa Ilaina Ny Fitsipi-pitondrantena Mikasika Ny Fahalalahana Maneho Hevitra Amin'ny Aterineto
Natomboka ny tetikasa Global Initiative Network., hetsika natao hamolavolàna ny fitsipi-pitondrantena ho an'ireo fikambanana iraisam-pirenena amin'ny tontolon'ny aterineto, mikasika ny fiarovana ny fiainana manokan'ireo mpampiasa aterineto sy ny fahalalahana maneho hevitra.