Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Desambra, 2016
Ireo Lahatsary Fohy Notontosain'ireo Tovolahy Kambodziana Ho Fampitsaharana ny Sotasota Ara-nofo
Maninona no atsahatra ny sotasota ara-nofo? Tanora tsy matianina avy ao Kambodza amin'ny famokarana lahatsary no nitrandraka ny valin'io fanontaniana io mba handrisihana ny olona -- indrindra fa ny lehilahy -- hahatakatra ny fiantraikan'ny sotasota ara-nofo.
Tatitra Tsy Miankina Manolotra Fahitana Manahirana Momba Ny Zo Nomerika Ao Ekoatera
Ny sehatra nomerika Mil Hojas sy Usarios Digitales dia mampiseho tatitra hafa noho ny an'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona ho anisan'ny Fandinihana ara-potoana ny Zon'olombelona manerana izao tontolo izao.
Ny Ohatra Fakan-tàhaky Ny Fanampiana Ara-Pahasalamana Nataon'i Kiobà Faha-Fidel Castro Ho An'ny Firenena Afrikàna
Lavitry ny kabary politika, ny fahafahan'ny isambatan'olona ary n y zon'olombelona, tao anatin'ny sehatry ny fifanohanana sy ny fanofànana, indrindra fa ny ara-pahasalamàna, no nivoatra ny fifandraisan'i Kiobà sy ireo firenena Afrikàna, nandritry ny tantara kiobàna teo ambany fitarihan'i Fidel Castro.
Nisaritaka Ny Haino Aman-jery Japoney Taorian'ny ‘Naminanian'ny’ Mpamantatra ny Hoavy Hoe Hisy Horohorontany Mafonja
"Matsubara Teruko, izay naminany ny horohorontany tany Tohoku tamin'ny 2011, dia ohatra iray amin'ny filazana hoe " na dia ny famantaranandro efa mijanona aza dia indroa manondro ny ora marina ao anatin'ny iray andro ". Inoy arakarak'izany ny faminaniany.