Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Janoary, 2011
Tontolo Arabo: Fankasitrahana ho an'ny “Arabs Got Talents”!
Ny fihatombohan'ny Arabs Got Talents ao amin'ny fahitalavitra dia nitaona ireo tsikera mampiseho fifaliana sy fanakianana tao amin'ny Twitter, ary vetivety izany dia lasa foto-kevitra iadian-kevitra. Ireto misy fijery sasany nafangaro.
Video: Ireo mpanao kiraro erantany
Ireo horonantsary androany dia mifantoka amin'ireo mpanao asa tanana maneran'tany mbola manao kiraro amin'ny tanana. Avy any Mexika hatrany Japana: handinika ny fomba fanamboarana ireo kiraro, kiraro iva sy kapa.
Iran: Liona 14 novonoina tany amin'ny saha fiarovam-biby tany Tehran
Tezitra sy malahelo ireo mpitoraka bilaogy mikasika ny famonoana liona 14 tany amin'ny saha fiarovam-biby any Tehran. Nitatitra ny media Iraniana fa novonoina ireto liona ireto satria nahitana aretina entina...
Kamerona: Ireo mpamorona sy mpanamboatra
Ny famoronana, ny fahaiza-mamorona sy ny fitantanana dia mihetsiketsika any Kamerona araka ny hitantsika ao amin'ireo horonantsary manaraka mampiseho ireo mpanefy vy eo am-piasana, tranona finday sy solosaina finday vita avy amina bararata sy asa tanana fampikotrehana atody.
Gresy: Monomonona manoloana ny tetikasa fananganana fefy sy ny fandroahana mpifindra monina
Ny harivan'ny andro niandrasana ny taona vaovao dia niteraka fanehoan-kevitra kahery vaika ny fanambarana nataon'ny ministra Grika ho Fiarovana ny olom-pirenena, Christos Papoutsis, mikasika ny tsy fsisian'ny indrafo ao anatin'ny politikan'ny governemantany amin'ny resaka fifindra-monina.
Mpandika teny misongadina: Sarah Standish
Tanora Amerikana mpampianatra sy mpitoraka bilaogy manana anton-draharaha i Sarah Standish. Ankoatry ny fampianarany ny teny Arabo ireo mpianatra eny amin'ny kolejy any Etazonia, manantena ity mpikambana ao amin'ny Lingua Arabo ity fa hanangana tetezana eo amin'ny Andrefana sy Atsinanana ary hampisy fifankahazoana bebe kokoa ny fomba fiainana Arabo sy ny fisainany. Nanadihady azy tao anatin'ity lahatsoratra ity i Shams Ahmad.
Nisy niditra an-tsokosoko ny Twitter sy vohikala ofisialin'i Korea Avaratra
Nisy fanafihana amin'ny aterineto nipoaka teo amin'i Korea Atsimo sy Korea Avaratra. Natomboky ny mpampiasa aterineto Koreana Tatsimo iray namoaka tononkalo manevateva mikasika ny fianakavian'i Kim tao amin'ny vohikala ofisialin'ny Korea Avaratra Uriminzokkiri, ary dia novalian'i Korea Avaratra tamina fanafihana DDOS. Androany, dia namely ny kaonty twitter ofisialin'i Korea Avaratra ireo piraty.
Tonizia : Voasambotra androany i Slim Amamou, mpitoraka bilaogy, mpiara-miasa amin'ny Global Voices
Voasambotra androany 6 Janoary teo amin'ny manodidina ny 1 ora tolakandro teo ilay mafàna fo sy mpitoraka bilaogy Slim Amamou. Amin'izao fotoana izao, tsy naharay vaovao mikasika azy ny namany sy mpiara-miasa aminy, ary mbola tsy fantatra ny tohin'ity fisamborana azy ity. Tokony nandeha niasa izy taorian'ny namitàny ny fijerena ara-teknika ny fiarany. Ny vaovao farany avy amin'i Slim dia tweet iray teo amin'ny manodidina ny 1 ora tolakandro teo.
Tonisia: Manako eran-tany ny antsoantson'ireo mpanohitra
Ny kiak''ireo Tonisiana, manohitra ny kolikoly sy ny tsy fisian'asa nandritra ireo roa herinandro lasa, dia mihamalalaka kokoa ao amin'ny Aterineto. Mihetsika manaraka azy ireo sy manely ny antsony ireo mpampiasa aterineto maneran-tany.
Ireo lahatsoratra be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010
Ao amin'ny Global Voices izahay dia miara-miasa amin'ny fikambanan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo mba hamoahana tantara mikasika ny zava-mitranga ao anatin'ny bilaogy sy ny mediam-bahoaka eran-tany. Eto ambany, ny sasantsasany amin'ireo tantara izay nahasarika ny sain'ny olona be indrindra tamin'ny taona 2010 avy amin'ireo mpamaky amin'ny teny Anglisy.