Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Febroary, 2019
Japana: Nankaiza daholo ny dibera?
Nankaiza ny dibera ? – hoy ireo Japone mpanjifa mitaraina rehefa avy nikaroka hatraiza hatraiza ilay vokatra avy amin’ny ronono. Niteraka tsy fahampiana goavan’ny dibera tao Japana ny fitotonganan’ny famokarana ronono velona, izay vao mainka nohasarotin’ny fiakaran’ny vidin'ny voa sy ny fiovan’ny rafitra eran-tany amin’ny fanjifàna vokatra avy amin’ny ronono.
Goatemalà: Mankalaza ny Andron'ny Tany sy ireo Fomba Fitandrovana azy
Loharanon-drehareha ho an'ny maro ao Goatemalà ireo alany sy ilay hatsarany voajanahary. Na izany aza anefa, ahiahy ihany koa ny tsy firaharahiana ny tontolo iainana sy ny fahasimbàna, ary manome sosokevitra amin'ny fomba hahazoana antoka ny amin'ny fitandrovana azy ireo bilaogera ao an-toerana.
Bahrain: Miantso ny Fandroahana ireo Tia ny Mitovy Fananahana aminy ireo Solombavambahoaka
Mivoaka amin'ny fahanginana dia mivoaka ny firenena ihany koa? Entin'i Ayesha Saldanha amintsika ny fanehoankevitr'ireo bilaogera momba ny fiadian'ireo solombavambahoaka Bahrainita hametrahana lalàna iray vaovao hanakanana ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana ao an-toerana sy handroahana ireo vahiny mpila ravinahitra ka tia ny mitovy fananahana aminy.
Bangladesh: Fatiantoka eo amin'ny Varotra
Tatitra momba ny fatiantoka ara-barotr'i Bangladesh manoloana an'i Inde sy Sina.
Koety: Mandria Am-piadanana ry Ahmad AlRubi'e
Mitomany ny fahalasanan'ilay avara-pianarana mpitarika sady mpanao politika, Dr Ahmad AlRubi'e, ireo bilaogera Koetiana. Maro ireo bilaogera namoaka fiaraha-miory tamin'ny fianakaviany tao ami'ny bilaogin-dry zareo ary ny sasany tamin'ireo nanoratra tamim-pirehetampo fatratra momba ny fifandraisan-dry zareo taminy. I Abdullatif AlOmar no mitondra ny tantara amintsika.
Paragoay: Fanehoankevitra hafa an'ireo Bilaogera manoloana ny Fandresen'i Lugo
Taorian'ny fandresena goavana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany, nanome ny eritreriny momba ny fanantenany amin'ny governemanta vaovao an'i Fernando Lugo ireo bilaogera sasany ao an-toerana, ny sasany kosa mijery ny fe-potoam-piasan'ny filoha teo aloha, Nicanor Duarte. Ny hafa kosa midera ny fandresena ny Antoko Colorado efa nandrasana hatry ny ela.
Azerbaijan: ilay Toerana Fivahinianana “Death Star”
Raha jerena indray mipi-maso ity toerana fivahinianana ity dia toa mahavariana sy mitodika sahady amin'ny hoavy, misy fitoviana be amin'ilay Death Star hita anatin'ny Star Wars. Mahagaga anefa fa tsy any Las Vegas na koa any Dubai no hatsangana izy io, fa kasaina aorina any Baku, renivohitry ny Repoblikan'i Azerbaijan.
DoGooder.tv: Vohikala Fizaràna Lahatsary ho an'ireo Tsy Mikatsaka Tombontsoa Manokana
Vohikala iray natao ho an'ireo lahatsary miaro fotokevitra ny DoGooder.tv. Amin'ny alalan'io, afaka mampiroborobo ny fotokeviny aminà mpijery voafaritra ireo fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa manokana: mpijery efa liana amin'izay tiany ambara, sy mitady fomba hahafahany manampy.
Fankalazàna ireo Fetim-pirenena Roa an'i Koety
Fetim-pirenena roa no nankalazaina tao Koety tamin'ny herinandro lasa teo - ny iray tamin'ny 25 Febroary ary ny faharoa kosa ny 26 Febroary. Mailaka ireo bilaogera Koetiana nisikotra ny tantaran'ireo fankalazàna ireo.
Sri Lanka: ny Free Media sy ny Governemanta
Mitatitra ny famelezan'ny Minisitry ny Fiarovana ao Sri Lanka ny gazety tsy miankina ny Free Media.