Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Novambra, 2015
‘Aylan ho an'i Tajikistan': Ankizy Mpifindra Monina Iray Maty Teo An-tsandrin'ny Manampahefana Rosiana
"Umar! Ny fahafatesanao dia mari-pamantarana ny fahalemena sy ny tsy fahamarinan-toetra , Meteza ho mpitondra hafatra madion'ny fireneko eo anatrehan'Andriamanitra."
Namela Olom-pirenena Nifindra Toerana sy Fanànana Simba Ny Fihazàna an'i “El Chapo Guzmán ” Ilay Mpivarotra Zava-mahadomelina An-tsokosoko tany Meksika
Ny olona nifindra toerana ao anatiny sy ny fananana simba any amin'ny faritra Avaratr'i Meksika dia vokatry ny fifandonana teo amin'ny tafika sy ny andian-jiolahy mba hisamborana indray ilay lehiben'ny fikambanana mpivarotra zava-mahadomelina iraisam-pirenena any Sinaloa.
Manavao Ny Famoretana Ny Fombafomba Ara-Pivavahana Indray Ny Governemanta Any Bahrain
Nifandona tao Bahrain androany ny mpitandro ny filaminana sy ny tanora, rehefa nanafika tanàna ny polisy, ka nanàla an-keriny ny sorabaventy napetraka teny amin'ny lalana ho fankalazàna ny Ashura. Maro ny olona naratran'ny bala firaka natifitra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.
Netizen Report (Tatitry Ny Mpisera Anaty Aterineto): Mitady Vaha-olana Amin'ny Fitsipiky Ny Angon-kevitra Ao Amin'ny Vondrona Eoropeana Ny Kaompanian'ny Teknolojia Amerikana Aty Aorian'ny Tontolon'i Snowden
Mamoaka ny lisitra maintin'ny Aterineto amin'ny fomba fanao Rosiana i Okraina, navotsotr'i Kiobà ilay mpanakanto-bilaogera "El Sexto" rehefa notànana 10 volana an-tranomaizina, ary nogadrain'i Bahrain noho ny fanompàna ny mpanjaka i Zainab Al-Khawaja.
i Pelé Ve No Nampitsahatra Ny ady an-trano Nisy Rà Mandriaka Be Indrindra teo amin'ny Tantaran'i Nizeria Nandritry ny 48 Ora?
Marina ve fa nitarika ny fitsaharan'ny poabasy nandritry ny 48 ora ilay Breziliana mpanjakan'ny baolina kitra tamin'ny ady an-trano nisy rà nandriaka tany Nizeria? Nanao fikarohana ny mpanoratra iray ary marina ny fisalasalàny.