Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Marsa, 2023
Nosintonina tsy ho alefa ao Hong Kong ilay sarimihetsika mampihoron-koditra ‘Winnie ilay Bera’
Nankatoavin'ny mpanivana tao HK ilay sarimihetsika, saingy nosintonina tsy nasiam-panazavana akory izany taty aoriana. Ireo mpanivana ao Shina tanibe no nandrara tsy tapaka ny sarin'ilay bera natao sariitatra, satria maro no nampitovy izany tamin' Xi Jinping, filohan'i Shina.
Ankizivavy rosiàna nanao sary manohitra ny ady. Ankehitriny any amina toby fialokalofan'ny ankizy izy, ary nosamborina ny rainy
Herintaona lasa izay, mpianatra iray tamin'ny CM2, Masha Moskaleva, no nanao sary manohitra ady. Ankehitriny, migadra telo taona an-tranomaizina ny rainy ary mety ho alefa any amin'ny trano fitaizana zaza kamboty i Masha.
Siria : avy any amin'ny vahohon'ny fahafatesana ka hatrany amin'ny fihin'ny anjara
Nanamafy ny krizy Siriàna efa nisy nandritra ny 11 taona ny horohorontany. Manoloana ny krizy amin'ny maha-olona sy ireo vonjy taitra voafetra, tena mila fanampiana fatratra ny mponina.
Ankizivavy “Trans” avy any Rosia namono tena tao amin'ny toby fialokalofana
Mampiharihary ny olana amin'ny fahazoana fitsaboana ara-tsaina sy ara-pahasalamana any anatin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ity tranga mahatsiravina ity. Atahorana fatratra ny amin'ireo solontenan'ny vondrom-piarahamoninaLGBTQ+ raha tonga amin'ny famonoantena ny resaka.
Eritreritra avy any Tiorkia momba ny ady ao Okraina, herintaona aty aoriana
"Ny foko dia mitodika any amin'ireo namana sy mpiara-miasa be herim-po rehetra izay nanohy ny asany na teo aza ny korontana."
Miaraka amin'ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia amin'i Okraina izay toa tsy mbola ato ho ato no hitsahatra, mirohotra manodidina ny fiteniny ny Kazakhs
Tranga mahaliana fa toa ny adin'i Poutine ao Okraina no nahatonga ireo Kazakhs marobe hanaiky ny fiteny Kazakhs ary, amin'ireo tranga sasany, hanomboka hianatra izany indray.
Ho an'ireo Okrainiàna miaro ny tanindrazany, manan-danja ny teny
Tsy fitaovam-piadiana ihany no andraman'i Rosia amotehana an'i Okraina, na ny fandroahana an-kery ny mponina na ny "famerenana fanabeazana" ny ankizy any amin'ireo faritany bodoiny, fa koa ny teny
Hajao amin'ny maha-izy azy izy
"Miaraka amin'ireo fanamby sy ny fahasarotana ary fifanoherana rehetra entiny, ry zareo nivadika ho vehivavy dia endrika iray isehoan'ny maha-vehivavy."
Tiorkia : nohozongozonin'ny andiana horohorontany mandravarava
Sary nalaina avy eny an'habakabaka avy amin'ireo toerana voadona mafy indrindra mampiseho ny faharavana tamin'ireo tranobe, hopitaly, tranom-panjakana ary ireo tranobe hafa maro, anisan'izany ny Lapan'i Gaziantep izay niorina efa ho 2000 taona.