Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Septambra, 2013
Mivadika Sehatra Fanaovana Ady Totohondry Ny Parlemantan'i Tanzania
Vao tsy ela izay, nifanandrina tamin'ireo mpiambina ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta. Tsy vao izao no niafara amin'ny fifandirana ny olana any amin'ny Parlemantan'i Tanzania.
Fanofanana Voalohany Miaraka Amin'ny Ekipan'Onjam-peon'ny Dizha Kieru
Tanana iray manana ny tambajotrana findainy manokana : Dizha Kieru, iray amin'ireo nahazo famatsiam-bola madinika amin'ity taona ity, dia nanao fanofanana momba ny fampiasana tsara kokoa an'ity teknolojia vaovao ity, rafitra fandefasana simaiso izay manome fahafahana an'ireo mpikambana anatina tobin'onjam-peo handefa hafatra an-tsoratra maimaim-poana mivantana any amin'ny findain'ireo mponina any amin'ny vohitra.
Praiminisitr'i Thailand Teo Aloha Voakiana Noho Ny Fosafosany Hoe “Makorelina Vendrana”
Gazety maro no nandika ilay lahateny ho 'vehivavy vendrana' sy 'andriambavilanitra vendrana' . Na izany na tsy izany, mila ny fifonan'ilay mpitarika ny Mpanohitra ireo vondrom-behivavy.
Oroka no Niantombohany: Miteraka Adihevitra Momba Ny Fankahalana Ireo Olona Mitovy Fananahana Miaraka Ny Mpilalao Baolina Kitra Iray any Brezila
Niteraka tsy fitovian-kevitra sy resabe tao anatin'ny media sosialy ny sary mampiseho mpilalao baolina kitra iray manoroka ny namany lahy , mifanandrina ny "machismo" sy ny fanekena.
An'arivony Ireo Tsy Manaiky Ny Valim-pifidianana Tany Kambodza
Manome toky ny mpanohitra fa hanao filatsahana an-dàlabe hafa amin'ny herinandro ambony ary nandrahona ny hanembatsembana ny fotoam-panokafana ny Parlemanta.
Na Iray Aza Tsy Nisy Afa-panadinana Tany Amin'ny Anjerimanontolo Ireo Mpianatra Liberiana Tamin'ity Taona ity
"Tsy misy na dia iray aza anatin'ity firenena ity kinga saina mba nanao hosoka?" hoy ny mpampiasa Twitter iray taitra ka nanontany.
Fanovana Ny Fandaharam-pianarana Any Indonezia, Mibahan-toerana Kokoa Ny Finoana, Ary Mihena Ny Siansa
Hampifanoloana amin'ireo taranja fototra tahaka ny teny Bahasa Indoneziana, ny fitiavan-tanindrazana sy ny fandalinam-pinoana ny fampianarana ny Siansa sy ny teny Anglisy.
“Tsy Hiantso Ny Angady Hoe Angady” Ny Media Jamaikana
Misy bilaogy iray miahiahy ny amin'ny fahaizan'ny media tranainy ao amin'ny firenena - fa tsy fifandirana tsy dia fahita amin'ireo mpampiasa aterineto any amin'ny faritra - noho ilay tatitra mampiady hevitra nataona gazety momba ny loza namoizana aina tany Jamaika.