Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Oktobra, 2011
Libia: Ny Marina Momba Ny Fahafatesan'i Gaddafi
Mifety i Libia iray manontolo satria lavo ny toeram-pamaharana mafy fotrotr'i Gaddafi, Sirte ary, na ny tenany voasambotra dia novonoina, na novonoina dia voasambotra. Mbola manjavozavo ny antony nahatonga ny fahafatesany, sady vitsy no mifanipaka ireo andinindininy. Ao amin'ny Twitter, miezaka mamerina manangana ny antony nahafaty azy ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy.
Fihaonan'ny Jamba: Ny Goalball Sy Ny Fikarakarana Zaridaina
Toy ny ahoana ny fiainana ho an'ny fianakaviamben'ireo jamba any Thessaloniki, Gresy? Ireo bilaogera vaovao avy amin'ny tetikasa Blind Dates dia nanoratra lahatsoratra mikasika ny laàlam-baovao entin'ny teknolojia hanampiana azy ireo, hatramin'ny fomba andanian-dry zareo ny fotoam-pialamboliny, toy ny fikarakarana zaridaina na fanaovana fanatanjahan-tena toy ny goalball.
Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy
Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.
Teny: Phil Cash Cash Sy Ny Teny Nez Perce
Phil Cash Cash dia mpandalina momba ny teny ary mpikambana amin'ireo Fokon-janatany Weyiiletpu (Cayuse) sy ny Nuumiipuu (Nez Perce) ao Amerika Avaratra. Izy koa dia liana manokana amin'ny fampiasana ny teknolojian'ny web 2.0 ho fihazonana ny teny sy ny famerenana indray ny teny Nez Perce, izay tombanany fa eo amin'ny 20-25 amin'ireo mpiteny mahafehy tsara azy sisa no tavela.
Tontolo: Adihevitra Ao Anaty Aterineto Mikasika Ny Teknolojia Ho Amin'ny Mangarahara
Ny Hetsika Teknolojia ho amin'ny Mangarahara, iarahana amin'ny Paikady Vaovao amin'ny resaka Zon'Olombelona, dia manasa anao handray anjara amina dinidinika anaty aterineto momba ny 'Fampiasana Teknolojia mba Hampiroborobo ny Mangarahara'. Miaraha aminay hiresadresaka mikasika ireo hevitra vaovao, ireo fanamby, ireo risika sy tombontsoa.
Eran-tany: Firohotan'ny Twitter Ho An'i #TroyDavis
Tamin'ny fanamelohana ho faty an'i Troy Davis, nidina an-dalambe ireo mpampiasa Twitter eran-tany mba hitakiana famelan-keloka. Nahazo fampiatoana tsy maharitra i Davis, fa mbola mitohy ihany ireo hiaka. Mitatitra i Jillian C. York.
Oganda: Navotsotra Ny Mpanoratra Iray Mpanohitra An'i Museveni Dimy Andro Taty Aoriana
Navoakan'ny governemanta Ogande ny mpanoratra boky iray izay nampidirina am-ponja nandritra ny dimy andro ary tsy afaka niresaka na tamin'ny mpisolovava azy na tamin'ny fianakaviany. Ilay bokikely fanta-daza an'i Vincent Nzaramba izay antsoina hoe People Power, Battle the Mighty General ( Herim-bahoaka, Ady amin'ilay Jeneraly Tsy Refesi-mandidy) dia niantso fanonganam-panjakana sy fanovàna ao amin'ny firenena, nanosika ity mpitolona tsy be mpahalala ity hitodihan'ny hazavan'ny jiroben'ny rehetra.