Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jona, 2022
Fantaro i Alhassan Mohammed Awal, mpikatroka ho an'ny fiteny Dagbani
Avy ao Ghana, niasa hatrany nizara fahalalàna tamin'ny alàlan'ny fitenindreniny i Alhassan Mohammed Awal, nampiasàny ny Dagbani tamin'ireo tetikasa Wikimedia.
Valanjavaboary nasiônaly vaovao ao Makedônia Avaratra, iharan-doza noho ireo tetikasam-pampandrosoana mitohy
Taona iray taorian'ny nanambaràn'ireo manampahefana fa hametrahany valanjavaboary vaovao ao Makedonia Avaratra, manao fahirano an'ilay toerana ireo mpamokatra herinaratra manosika hankamin'ny fanorenana foibe famokarana herinaratra ao anatin'ilay vala.
Fiaraha-mientana hisian'ny hoavy mampiaty kokoa
Fifaninanana, hirika, fampiatiana nomerika, ary maro hafa!
Fanontaniana & Valiny niarahana tamin'i Silvia Cebolla, mpikatroka ho an'ny fiteny Aragonezy
Avy any Aragón, Espaina, nampitomboin'i Silvia Cebolla ny fahitàna ny fiteny aragonezy, amin'ny maha-mpanolotra fandaharana anaty fahitalavitra azy, sy maha-mpikarakaraka sakafo "vegan" ao amin'ny YouTube, ary amin'ny alàlan'ireo hetsika maro hafa ety anaty aterineto ho fampiroborobana ilay fiteny.
Herotra gilasy mampiseho ny endrika mifanohitra hita amin'ny sivana “4 Jona” ao Shina
Fifanoheran-javatra iray no avoitran'ny fanivànana an'i Li Jiaqi: raha misy olona iray te-hisintaka lavitra ireo lohahevitra mafampàna ara-pôlitika, dia tsy maintsy ianarany ireo rehetra lohahevitra voaràra.
‘Your’dle : Misy amin'ny fiteny maro erantany izao ny Wordle
Fomba iray mahafinaritra mba hampiasana saina ny Wordle, saingy ny kaody loharano malalaka ao ambadik'ilay lalao maimaimpoana koa dia namboarina mba hiasa amin'ireo fiteny samihafa, anisan'izany ny fiteny indizeny.
Handositra, sa Tsia? Izany izao no fanontaniana ao Sri Lanka
Ankehitriny ry zareo SriLankey dia miatrika ny fotoana manjombona indrindra amin'ny resaka fahasahiranana ara-bola mahazo ny rehetra, maniry ny handao ny fireneny ny ampahefatry ny vahoaka, indrindra fa ny tanora sy ireo nahita fianarana
Ao Azerbaijàna, mampahonena ny fahalalahan'ny media araka ny voalazan'ireo manampahaizana
Amin'izao fotoana izao izay farafahakeliny mpanao gazety efatra no mbola voafonja, ary voasakana ireo tranonkala Web tsy miankina sy mpanohitra, ary manjaka ao Azerbaidjan ny sivana, dia tsy misy antony mihitsy hiravoravoana amin'ity anio ity.