Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jolay, 2013
Fandikàna Ireo Hira Pop Ho Amin'ny Teny Inuktitut
Kelly Fraser, mpianatra sady mpihira Inuit, dia mihira ireo hira malaza taorian'ny namadihany azy ireo ho amin'ny teny Inuktitut. Miantefa any amin'ireo tanora Inuit ny hirany, izay mahita ny tenin'izy ireo tarafina anatin'ireo hira efa fantany, amin'ny alalan'ny fizaràny izany ao amin'ny YouTube sy ny SoundCloud.
MERCOSUR Sy Ny Hoavin'ny Aterineto Any Amerika Latina
Ny Zoma lasa teo, namoaka fanambarana hentitra manohitra ny fanaraha-maso goavana ataon'ny governemantan'i Etazonia ny olom-pirenena ao aminy ireo mpitondra ambony ao amin'ny governemantan'i Amerika Latina nandritra ny fihaonana maika nataon'ny MERCOSUR, firaisana ara-toekarena sy ara-diplomatikan'ireo mpitarika any Amerika Atsimo. Manakaiky io fihaonana io, nisy vondron'olona mafana fo, mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony ary Fikambanana tsy miankina avy ao Amerika Latina nanoratra taratasy misokatra [es] ho an'ny MERCOSUR, manasa ireo mpitondra haka ny hevitry ny fiarahamonina sivily mba hananganana politika miaro ny zon'olombelona ao amin'ny faritra
Manome Famatsiam-bola Ho An'ny Hetsi-panentanana Hikarohana Ny ‘Nofinofy Shinoa’ i Shina
Nahazo famatsiana akademika ho an'ny fikarohana ny "Nofinofy Shinoa", fampielezan-kevitr'i Shina nalaina avy amin'ny nofinofy Amerikana, izay manindry ny Antoko Kaomionista ho ilay làlana tokana mankany amin'ny fiandrianana.
Mpanakanto Iray Avy Ao Pôrtô Rikô Mizara Ny Fitiavany Taratasy
Mampiasa ny tambajotra sosialy ny mpanakanto iray ao Pôrto Rikô, Aydasara Ortega, ho sehatra iray hanaparitahany ny teny momba ny "Toque de Queda," hetsika ara-kanto izay mifantoka amin'ny fikarakarana atrikasa momba ny fanamboarana taratasy vita tànana.
Brazila : Manokatra Ivontoeram-panabeazana ho an'ny indizena ny Foko Breziliana iray
Ela ny ela ka nisokatra ihany ilay ivontoeram-panabeazana iray naorin'ny foko Paiter-Surui [en] any amin'ny faritra breziliana any Amazonia, izay hanome fanofanana arak'asa ireo indizena any amin'ny faritra. Manantena izy ireo fa hisy andiana tranobe hatsangana mba ho faritry ny anjerimanontolo ho an'ny foko Paiter-Surui any Brezila, tsy manam-paharoa any amin'ny firenena.
Mibaiko Ireo Ankizy Lehibe Hitsidika Ny Ray Aman-drenin'izy ireo I Shina
Namoaka lalàna iray vaovao nanan-kery nanomboka ny herinandron'ny 6 jolay iny i Shina izay manery ireo ankizy lehibe hitsidika "matetika" ny ray aman-drenin'izy ireo, izay nitarika fanarabiana teo anivon'ireo mpampiasa ny vohikala fitorahana bilaogy bitika malaza indrindra ao Shina, ny Sina Weibo.
Fahasalamana + Angona = Knight News Challenge 2014
Nanambara ny fotokevitra ifotoran'ny andiana hetsika karakarainy amin'ity taona ity ny Knight News Challenge, izay mifantoka amin'ny fahasalamana sy ny angona.
Ilay Vavy Antitra sy ny Ovy: Niparitaka ny Tantaran'ny Fahantran'i Ukraine
Olena Danko, mpanao gazety dia nanoratra lahatsoratra fohy momba ny fifanenany tamina vavy antitra iray tany an-tsena izay tsy nanana afatsy vola kely mba hividianana singan'ovy tokana. Tantara mampalahelo hahalalana an'i Ukraine izany, izay tsy mahagaga intsony ny olona izay efa nonina tany amin'ny firenena na dia nandritra ny fotoana fohy aza. Saingy tanaty ora vitsy monja dia efa niparitaka...
Miala Amin'ny Maha-Filohan'ny Anjerimanontolo Azy Fa Marary Mafy Ny Rain'ilay Rindrimbe Aro Afo Goavana Ao Shina
Fang Binxing, manampahaizana manokana amin'ny fiarovana ny torohay, nomena solon'anarana hoe “rain'ny Great Firewall - Rindrimbe Aro Afo Goavan'i Shina”, dia niala tamin'ny toeran'ny filohan'ny Anjerimanontolon'i Beijing misahana ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra. Nampitraotra ny tao anaty aterineto ary nahatezitra ny vondrom-piarahamonin'ny manampahaizana mikasika ny Aterineto ny fanapahan-keviny tampoka ny hiala--nataony nandritra ny kabariny fanokafana taom-pianarana teny amin'ny anjerimanontolo.
Sempotry Ny Zavona i Singapore Sy Malezia
Nahatakatra haavony mampidi-doza ny kalitaon'ny rivotra any Singapore sy Malezia taorian'ny nandrakofan'ny setroky ny doro ala ny mpiray vodirindrina aminy, Indonezia. Io no zavona ratsy indrindra hita tany Azia Atsimo tanatin'ny taona vitsy. Nampiato ny fianarana tany amin'ireo toerana tratr'izany i Malezia raha nanome sosokevitra ny vahoakany hiomana amin'ny fihitaran'io zavona io. Efa nanao fialantsiny ofisialy i Indonezia manoloana io zavona io.