Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Febroary, 2016
Mitarika Ny Olona Hidina An-Dalambe Ny Fahalotoan'ny Rivotra Any Makedonia, Ary Misy Fampiharana iray Ho An'Izany
Nanampy hitarika fihetsiketsehana faobe ny fampiharana angon-drakitra misokatra "Ny Rivotro", ka nahatonga ny olom-pirenena Makedoniana hahafantatra ny vokatry ny fanarahamaso ny fahalotoan'ny rivotra. Dia tonga ny fanafihana DDoS sy ny faneren'ny governemanta.
Midika Hetra Vaovao Sy Fifehezan-kibo Ho An'ny Vahoaka Any Trinite Sy Tobago Ny Fahasahiranana Ara Toekarena
Nilaza ny Minisitry ny Vola, Imbert, fa ilaina ny fiovana mba hamonjena ny toekarena amin'izao endriny marefo izao, satria tsy mitsahatra mitotongana ny vidin-tsolika. Tsy nanampy, ihany koa, ny fandaniana be loatra nataon'ny fitondrana teo aloha.
Tsy Momba Ny YouTube Ihany Ny Sivana Atao Amin'ny Aterineto Any Pakistàna
Mety ho tsy misy mihitsy, nifototra tamin'ny fanapahankevitra ad hoc izay noraisina tao anatin'ny tsy fisian'ny mangarahara sy ny tsy fandraisana andraikitra, ny fitsipika mifehy ny Aterineto any Pakistana.
Satria Mihataka Amin'ireo Fikambanana Momba Ny Zon'olombelona i Rosia, Mipoitra Ny Fanapahankevitra Amin'ny Fanarahamaso Ataon'ny Fanjakana
Namoaka didy ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona nanome rariny ny mpiaro ny fahalalahana miteny manohitra ny fanarahamaso ataon'ny governemanta Rosiana . Nefa noho ny lalàna vaovao, tsy manahy, amin'ny fomba ofisialy, i Rosia.