Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Desambra, 2012
Niharan'ny Hetsika Miaramila Ny Alina Mialoha Ny Andro Krismasy i Balochistan
Nanatanteraka hetsika miaramila tany amin'ny distrikan'i Awaran ao Balochistan ny tafika Pakistaney nyalina alohan'ny Krismasy izay niafara tamin'ny fahasimbàna maro. Raha ny fantatra dia nikendry ny Tehsil Mashkai an'ny tranon'ilay mpitarika fisintahana, Dr. Allah Nazar any amin'ny vohitr'i Mahi io hetsiky ny tafika io.
Nanomboka Fanentanana #ProtectPrivacy Izay Niteraka Resabe Ny Minisitry Ny Fifandraisan-davitra Libaney
Miantso ny fianakaviambe ao anaty aterineto ny Minisitry ny Fifandraisan-davitra Libaney hanampy azy hiaro ny tsiambaratelo, raha nangatahina hanome ny mombamomba ireo olom-pirenena. Miteraka adihevitra goavana izay hanazavana ny politika ao an-toerana io fanentanana io.
Bangladesh: Tolotra Finday Ikarakarana Ny Fahasalaman'ny Ho Renim-pianakaviana Sy Ny Tera-bao
Samy nilatsaka ny taha-pahafatesan'ny Reny sy ny zanaka any Bangladesh. Amin'ny andaniny dia manakaiky ny 66% ny fidiran'ny finday ary maro amin'ireo mpampiasa azy no vehivavy. Aponjon, tolotra fitandroana ny fahasalaman'ny reny izay mmampiasa ny finday dia natomboka vao haingana hikendrena ireo ho renim-pianakaviana sy ireo tera-bao any Bangladesh mba hampihenana ny aretina sy ny fahafatesan'ny reny sy ny zaza menavava.
Mamono Syriana Milahatra Mofo Ny Hery an'habakabak'i Assad
Nanatanteraka tifi-danitra namono olona ny governemantan'i Syria – tamin'ireo Syriana nilahatra mofo tany amin'ny trano fivarotana mofo tany Halfaya, any Hama. Eo amin'ny 90 ka hatramin'ny 300 eo ireo olona...
Fihetsika Hafahafaha Ataon'ny Facebook
Olona maty mitia zavatra ao amin'ny Facebook. Olona velona mitia sy mizara zavatra tsy fantany. akory. Manadihady izany fihetsika tsy mahazatra ataon'ny Facebook izany i Leila Nachawati.
Vonoin'izy ireo Ny Hazo Any Ejipta
Misaona ny fandringanana ireo hazo sy ny fandrodanana ireo tranobe ntaolo any amin'ny zanavohitr'i Heliopolis any Caire i Michael Hanna, Ejiptiana mpitoraka bilaogy sady mpitana trano fivarotam-panafody. Jereo ny zavatra nanjo ilay hazo rofia izay mety ho ny ntaolo indrindra ao amin'ny faritra.
Atrikasa: Media Nomerika ho an'ireo Teny Tandindonin-doza Ao Amerika Latina
Miara-miasa amin'ny Tetikasa Enuring Voices sy ny Fampianarana Ambony Momba ny Teny Miaina ny Rising Voices, izay mikarakara atrikasa mikasika ny Media Nomerika ho an'ireo Teny Tandindonin-doza ao Amerika Latina, izay hotanterahina ao Santiago, Shily amin'ny Janoary 2013. Mafana fo amin'ny tenin-jana-tany roa ambin'ny folo no hivondrona hianatra ny fomba hampiasàna tsara kokoa ny teknolojia dizitaly hiraketana sy hitahirizana ny tenin-dreniny..
Nahatratra An'i Shina Tampoka Ny Hetsi-panoherana Tsy Mahazatra Any Pékin Entina Hanoherana Fiaran-dàlam-by Express
Nahatratra mpampiasa aterineto Sinoa maro ny hetsi-panoherana iray nentina hanoherana ny Làlam-by Express any afovoan-tànanan'i Pékin ny 9 Desambra. Mino ny sasany fa fambaranà fanovana politika lalina izany, raha mitana ny fofon'ainy kosa ny hafa ary mampifandray ny tànany.
Hetsika “Voafonja Ny Latsabatoko” Hanohanana Ireo Mpitarika Ny Mpanohitra Ao Iran
Naraha-maso akaiky nandritra ny 650 andro ireo mpirotsaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena teo aloha sy lehiben'ny Hetsika Maitso, Mir-Hossein Mousavi, sy Mehdi Karroubi, miaraka amin'ny vadin'i Mousavi, Zahra Rahnavard. Nitodika tany amin'ny media sosialy ny vondronà Iraniana mpampiasa aterineto mba hanairana sy hanosehana ny famoahana an'ireo voafonja noho ny fanehoan-kevitra ireo.
Ravan'i Pablo Tafio-drivomahery Tropikaly Mahery Ny Tapany Atsimon'i Filipina
Namela marikanà faharavana ny rivodoza tropikaly Pablo (anarana iraisam-pirenena: Bopha) tany amin'ireo faritra samihafa any amin'ireo nosy any atsimon'i Filipina, Mindanao, Leyte, Cebu, ary Negros taorian'ny nidirany ny firenena ny 4 Desambra lasa teo. Pablo no rivodoza mafy indrindra nandona an'i Mindanao.