Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Novambra, 2010
Ejypta: Nosakànan'ny Facebook ny pejy malaza manohitra ny Fampijaliana
Fanavaozana 1: Miverina indray ny pejy nosakànana. Araka ny mailaka iray azon'ilay mpandrindra ity pejy ity, “Taorian'ny famerenana nandinika ny mikasika anareo, dia namerina indray ity pejy ity izahay, ary...
Fanambarana ny zon'ny teratany : Mitoka-monina i Etazonia ankehitriny fa nanasonia i Kanadà
Nanaiky ny Fanambaran'ny Firenena Mikambana mikasika ny zon'ireo tompon-tany i Kanada, ary mametraka an'i Etazonia ho firenena tokana manohitra ity fanambarana ity.
Syria: Filazana mikasika lalàna vaovao momba ny fanontàna anaty aterineto
Tonga amin'ny dingana farany amin'ny fanekena azy izao ny lalàna vaovao iray momba ny e-publishing (fanontàna amin'ny aterineto) any Syria. Nahazo fandrakofana bebe ihany ity lalàna ity hatramin'ny nanombohan'ny fandrafetana...
Kazakhstan: Resaka fitantanam-pitondrana
Tsy mitsahatra ny miady hevitra amin'ny lohahavitra tiany indrindra ny mpitoraka bilaogy Kazakh – ny kalitaon'ny fitondram-bahoaka. Mametram-panontaniana mikasika ny fahaiza-manaon'ireo mpitondra ambony i Megakhuimyak ary miteny fa matetika dia...
Haiti: Horohorontany, Kôlera; Tomas koa?
Navarina sokajy i Tomas, izay narahin'ny faritra maso amin'ny maha tafiodrivotra tropikaly talohan'ny nivoarany ho rivodoza mahery sokajy faha-2 azy ka nandrava izay hitsin'ny diany tamin'ny namakivakiany ny nosy madinika maro. Niverina tamin'ny heriny teo aloha izy rehefa nitodi-doha nankany Haiti mbola miavotra noho ilay horohorontany nitranga ny 12 Janoary teo sy ilay areti-mifindra Kôlera.
Asia Atsimo-Atsinanana: Tranonkalam-panabeazana ifanakalozana momba ny ara-pananahana
Nanomboka nisokatra ny Jolay 2010 teo tany Singapore, ny vohikala sexxie.tv dia nilaza ho sehatra fampianarana ara-pananahana voalohany sy tokana erantany izay novolavolain'ireo mpitsabo malaza mikasika ny fampianarana ifanakalozana ara-pananahana. Tsy sahala amin'ireo fandaraham-pianarana nentindrazana mikasika ny fananahana, ny sexxie.tv fa mampiasa ny sehatry ny aterineto mba hahatratrarana izay liana amin'izany.