miora · Jolay, 2011

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jolay, 2011

Ejipta: Nahemotra ny Fitsarana Ireo Namono An'i Khaled Saeed

Khaled Saeed, tovolahy avy any Alexandria nambara fa maty teo am-pelatanan'ireo mpitandro filaminana tamin'ny volana Jona raha araka ny tatitra, dia lasa sary famantarana ny Revolisiona ao Ejipta. Nandrehitra ny tsy fahafaliana teo amin'ireo tanora Ejiptiana nandritra ireo herinandro lasa ny famonoana azy, nahatonga ny sarin'ny vatany voavely mafy hiodina be tao amin'ny aterineto nitondra nankamin'ny revolisiona. Niatrika fitsarana ireo mpitandro filaminana voampanga ho namono azy androany. Ireto manaraka ireto ny fihetseham-po vitsivitsy taorian'ny fanemorana ny raharaha ho amin'ny 24 Septambra.

Ginea-Bisao: Andro Iraisam-pirenena Ho an'ny Ankizy Afrikana

Rising Voices  03 Jolay 2011

Nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Ankizy Afrikana ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices, "Youth Voices of Bandim and Enterramento" ny 16 Jona tao Bissau tamin'ny fandefasana horonantsary, vaky boky, adihvitra, dihy nentin-drazana izay mifantoka amin'ny zon'ny ankizy avokoa.