Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Desambra, 2013
Fidinana An-dàlambe Miisa 7 No Hita Tany Azia Atsimo Atsinanana Ny Taona 2013
Governemanta maro tany amin'ny faritr'i Azia Atsimo Atsinanana no niatrika fihetsiketsehana goavana maro tamin'ny alalanà fidinana an-dàlambe ny taona 2013. Mbola mitaky ny fialàn'ny lehiben'ny governemanta hatramin'izao ny mpanao fihetsiketsehana ao Tailandy.
Facebook Amin'ny Teny Guarani: Inona No Ataon'ny Facebook Any Paragoay?
Inona no tadiavin'i Facebook anatinà tsenam-barotra ahitàna mponina 6,9 tapitrisa monja? Mitafatafa miaraka amin'i Laura Gonzalez Eestéfani, Talen'ny Firobroboan'i Amerika Latina ao amin'ny Facebook, i Gabriela Galilea.
Niala Tsiny i Etazonia Manoloana Ny Fisamborana Sy Fisavàna Nanaboridanana Ilay Diplomaty Indiana Devyani Khobragade
Araka ny voatatitra dia naneho alahelo tamin'ny fomba nanaovana ny fisamborana an'i Devyani Khobragade, ny Sekreeram-panjakana John Kerry tanatinà antso an-tariby ho an'ny mpanolotsainan'ny Fiarovam-pirenena ao India, Shiv Shankar Menon.
Manaiky ilay “Lalàna Manohitra ny Fampihorohoroana” Be Mpitsikera i Arabia Saodita
Voasokajy ho fampihorohoroana ny fangatahana ny fanovàna ara-politika ao Arabia Saodita ankehitriny, araka ny lalàna iray vaovao izay nampiharina nanomboka androany. 16 Desambra 2013
Lasa “Toerana Masina ho an'ireo Trozona sy Fesotse (Dauphin)” i Orogoay
Nankatoavin'ny Mpanao lalàna ao amin'ny firenena ny lalàna vaovao rny fihazàna, ny jono, na ny fampijaliana ireo trozona sy ireo fesotse (Dauphin), ary navoakan'ny Filoha José Mujica hanan-kery.
Hampigadra Mandrapahafatiny Ireo Olona Mitovy Fananahana Mifankatia Ny Volavolan-dalànan'i Ogandà Manohitra Ny Fifankatiavan'Olon-droa Mitovy Fananahana
Hampigadra ny olona tsy mitatitra ny fisian'ireo olona mitovy nefa mifankatia any amin'ny manam-pahefana ihany koa io volavolan-dalàna io.
Manaisotra ny Rakotra Manarona ny Sivana ao Shina
I Shina no manana fandrindrana fanivanana voalalina indrindra eran-tany, ary mety ho tena sarotra ho an'ireo avy any ivelany ny hahatakatra ny fomba fiasany sy ny zavatra tena voasivana. Maro...
Niteraka Korontana Tao Tajikistan Ny Fanosihosena Ny Hasin'ny Sainam-pirenena
Sary iray nahitàna sainam-pirenena Tajik natsipy tamin'ny tany sy nampiasaina ho solonà fandraofam-pako no niteraka hatezerana teo amin'ireo mpampiasa mediam-bahoaka tao Tajikistan.
Manameloka Ny Famonjàna An'i Le Quoc Quan,Ilay Vietnamiana Mpitoraka Bilaogy, ireo Manampahaizana Ao Amin'ny Firenena Mikambana
Voasambotra ny volana Desambra 2012 i Le Quoc Quan noho ny fiampangana azy ho nitsoaka hetra -- saingy miahiahy ireo manampahaizana fa "ny tena tanjona" amin'ny fihazonana sy ny fanamelohana azy dia ny mba hampanginana an'i Quan, Quan, izay mpiaro mafana fo ny zon'olombelona.
Okraina: Ho Fanoherana Ny Herisetran'ny Mpitandro Filaminana, Nanakana Tranonkalan'ny Governemanta Ireo Mpijirika
Araka ny tatitry ny Global Voices, tsy voalohany izao no naneho ny tsy hafaliany amin'ny governemanta Okrainiana tamin'ny alalan'ny fanidiana ireo vohikalany na ny famoahana antsokosoko ny mombamomba ny governemanta ireo vahoaka Okrainiana mahafehy ny momba ny teknolojia