Miora · Desambra, 2017

Lahatsoratra farany an'i Miora tamin'ny Desambra, 2017

Mandrindra Fikomiana Amin'ny Alàlan'ny Bilaogin-tsary Ireo Mpianatra Any Amin'ny Sekolim-panjakana

Angatahan-dry zareo ny fitaterana maimaimpoana, fanadinana hidirana tsy andoavam-bola, fanavaozana ireo kilasy mianatra tontolo andro, ary ny fanenan-danja ny Lalàna Fototry ny Fanabeazana. Miara-miasa amin'ireo parlemanta avy amin'ny elatra havia sy havanana ny Minisitry ny Fanabeazana amin'izao mba hifanekena amin'ny vahaolana tsara indrindra hamahàna ity fangatahan'ny mpianatra ity.

26 Desambra 2017

Fijery Arabo: Feon'Ireo Mpandalina Ny Finoana Silamo

Tsy ireo bilaogera miteny Anglisy avy any Afovoany Atsinanana irery ihany no miezaka tsy an-kiato mampitohy ny hantsana ara-kolontsaina, fa misedra ady mitovy amin'io koa ireo bilaogera miteny Arabo ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Arabo. Mitsikera ny sasany amin'ireo fady anatin'ny rafitra misy azy ireo mpandalina ny finoana Silamo.

24 Desambra 2017

Advocacy: Ampio Hiaro Ireo Bilaogera Eran-tany

Nametraka takelaka manara-maso ireo tranga amin'izao fotoana izahay ato amin'ny Global Voices ho fanampiana amin'ny fanangonana ireo hetsika rehetra manohana ny bilaogera. Manana takelaka wiki ihany koa izahay - Global Voices Advocacy - izay ahafahan'ny tsirairay manampy vaovao momba ireo bilaogera voarahona sy ireo hetsika natao ho azy ireo.

24 Desambra 2017

Ganà: Ny Ivontoerana Kofi Annan ho an'ny Fahombiazana Amin'ny ICT

Ny alakamisy maraina teo, natomboko tamin'ny fitsidihana samirery ny Ivontoerana Kofi Annan ho an'ny Fahombiazana amin'ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay: Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana], ivontoeram-piofanana manaraka ny teknolojia avolenta natsangan'ny fitondran'i Inde sy Ganà, ny tontolo androko.

23 Desambra 2017

Topimaso Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Syriana

Taorianà volana henjana noho ireo hetsipanentanana manohitra ny herisetra, toa nitony ny tontolon'ny bilaogy Syriana tamin'ity herinandro ity… Nanodidina ny dingana vaovao nataon'i Etazonia hanome 5 tapitrisa dolara ho fampiroboroboana ny fitondrana demôkratika sy ho fanavaozana an'i Syria ireo adihevitra.

22 Desambra 2017

Kurdistance-2

Herinandro iray mampalahelo ho an'ny Firaisan'ireo Bilaogera Kiorda ity satria mangataka fiatoana ofisialy amin'ny asam-bondrona mba hifantohana amin'ny tetikasan'ny tsirairay izy ireo. Kanefa, tsy ireo bilaogim-bondrona rehetra no milona.

21 Desambra 2017

Tokony Hitovy Kokoa Amin'ny Global Voices Izao Tontolo Izao

Blaogim-Piarahamonina GV

"Raha niomana hisidina hiala an'i Sri Lanka aho taorian'ny Fihaonana andiany 2017, tsy vitako ny tsy hieritreritra fa tokony hitovy kokoa amin'ny Global Voices izao tontolo izao: toerana feno fitiavana sy fangorahana handraisana an-tànan-droa ireo hevitra mitandro ny fandriampahalemana."

20 Desambra 2017