Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Oktobra, 2019
Taratasim-pifandraisana RV: Fetibe maharitra herinandro ao Goatemalà ho fankalazana ny fahasamihafan'ny tenin-janatany ao anaty aterineto
Ny gazetin'ny Rising Voices dia manome rohy mankany amin'ireo hetsika momba ny fampidirana nomerika, anatin'izany ny fidirana sy ny fampiasàna ireo fitaovana nomerika, ary koa ireo fomba hafa sy hetsika ahafahan'ireo vondrompiarahamonina mandray anjara feno anaty aterineto.
Navotsotr'ireo manampahefana Tajika i Alex Sodiqov, mpanoratra ato amin'ny GV
Tafaray tamin'ny vady aman-janany ihany i Alexander Sodiqov, mpikaroka sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices, ny 22 Jolay 2014, rehefa notanan'ireo manampahefana Tajika nandritra ny dimy herinandro.
Fantaro i Marisol Mena Antezana, mpampiantrano ny kaonty Twitter @ActLenguas ny 13 ka hatramin'ny 19 Mey
"Ny nofinofiko dia ny mba hampianarana ny teniko anatin'ireo toeram-panabeazana, ary ny hanangana fantsona TV sy onjampeo amin'ny tenin-dreniko."
Efa mandeha ireo vohikala vaovaon'ny Lingua amin'ny teny Igbo sy Santali
Nanokatra vohikala ho an'ny teny Igbo sy Santali ny Global Voices!
Minya: Manana tantara maro hafa ireo mpandray anjara amin'ny atrikasa
Tantaran-tsedra no mipoitra anatin'ilay tetikasa Women of Minya Day by Day, saingy teo koa ny faharetana nandresena ireo fanamby ireo. Manome fahafahana ireo vehivavy haneho ny heviny momba ireo olana mahakasika ny tenany ireo atrikasa omen'ny New Woman Foundation, indrindra momba ireo lohahevitra mikasika ny fahasalamana sy ny zony ara-dalàna.
Minya: Feon'ambanivohitra maro hafa avy ao Dawadeyya
Amin'ny maha isan'ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices ny Women of Minya Day by Day, manohy mizara ny heviny momba ireo fiovàna farany niseho tao amin'ny fiarahamonina Egyptiana ireo vehivavy monina ao ambanivohitr'i Dawadeyya (Minya, Egypta), no sady manoratra momba ny fiainany manokana any an-tranony.
Vonjitaitra ao Pakistana 2007
Ny 3 Novambra 2007, nanambara ny Filohan'i Pakistana, Pervez Musharraf, fa latsaka an-katerena ny firenena. Notapahana ireo fantsona fahitalavitra tsy miankina, nosakanana ireo finday tao an-toerana ary nahena ny fidirana Aterineto. Novalian'ireo bilaogera io toejavatra io, na dia mety hampidi-doza ny fiarovana ny tenany aza ny fanakianana ny governemanta sy ny fanaovana hetsika.
Miresaka momba ny fihaonamben'ny GV ao Tiorkia? Arahabao ny Ivontoeran-bondrompiarahamonina Poseidon Lighthouse!
Miara-miasa anatinà tetikasam-bondrompiarahamonina ireo mpikambana ao amin'ny Global Voices Tiorka!
Lilly Satidtanasarn, ilay zazavavy 12 taona miady amin'ny loto ateraky ny plastika ao Thailandy
Mieritreritra ireo olon-dehibe fa manao entimody na tetikasa any am-pianarana aho. Tsy noraisin-dry zareo ho matotra aho saingy nanohy nandefa imailaka tany aminy aho ary amin'izao, mandray ahy ho matotra ry zareo.
Taratasim-pifandraisana RV : Midira anatin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra anaty aterineto ho an'ny tambajotram-piarahamonina
Ny gazetin'ny Rising Voices dia manome rohy mankany amin'ireo hetsika mila araraotina mikasika ny fampidirana nomerika, isan'izany ny fanomezana fidirana sy ny fampiasàna ireo fitaovana nomerika, ary koa ireo fomba samy hafa ahafahan'ireo vondrompiarahamonina mandray anjara feno ao anaty aterineto.