Lahatsoratra farany an'i Miora tamin'ny Janoary, 2019
Ejipta: Libaney iray any Ejipta – Avy amin'ny Fibodoana mankany amin'ny Fanafahana
Indray andro, nahatsiaro ho afa-baraka izy, ary ny andro taorian'izay, nahatsiaro ho afaka. Izany no tantaran'i Layal El Katib, bilaogera Libaney iray nipetraka tany Ejipta nandritra ny fotoana naharitra, nentin'i Tarek Amr ho antsika.
Mahatezitra ireo Malaoita ny Hevitry ny Bilaogera Iray momba ny “Nsima”
Niteraka adihevitra momba ny halehiben'ny fahafahana mety hananan'ny olona amin'ny fanehoany hevitra anaty bilaogy ny lahatsoratra iray momba ny "nsima", foto-tsakafon'i Malawi. Nasehon'ireo fanehoankevitra sasany fa ilaina ihany ny famerana ny tena, ny fandraisana andraikitra ary ny fahatsapan-tena, indrindra raha manoratra momba an-javatra iray raisin'ny hafa ho sarobidy aminy ianao.
Iràka: “Soa ihany fa tsy Baomba tanaty Fiara!”
Rehefa avy niala sasatra kely aho, tsy misy tsara mihoatra nóho ny fanomezako ireo mpamaky izay tena tiany ho vakiana -teny avy any an-dalamben'i Bagdad sy Mosul. Ary tsy misy fotoana tsara nóho ity satria niverina nanoratra bilaogy i Chikitita, mizara ny fahitàny an'i Bagdad, nilaozany nandritra ny volana maro.
Zambia: “Hankalaza” ny Fanidína ilay Vohikala Fampitam-baovao ny Filoha Lefitra

Nilaza tamin'ny parlemanta ny Filoha Lefitra Zambiana, Dr. Guy Scott, fa hifaly raha toa ka hikatona ny vohikala Zambian Watchdog. Ny hariva nialoha ny fanambarany, lasa nanano-sarotra tampoka ny fidirana ny ZW. Nitatitra ireo mpamaky avy any ivelany fa tafiditra soa aman-tsara raha toa kosa tsy tafiditra ireo tao Zambia.
Afrika: Manolo ny Zava-drehetra ny Fanantenana
Tia mizara ny traikefany sy maneho ny heviny ny vehivavy, saingy tsy hisy mihitsy famantaranandro hiandry azy ireo hipetraka sy hifampizara ny antsipiriam-piainany - na ataony anatin'ny bilaoginy aza izany. Tsy maintsy mitohy ny fiainana.
Kolombia: Mamoaka Olontsotra Mpanao Gazety Mampiasa Haino Amanjery Maro ny Fifaninana Iray
Fifaninanana natao ho an'ny rehetra, na inona na inona zompirenena zakainy, mba hanoratra, hampiseho sy hamorona votoaty milaza amin'izao tontolo izao ny momba anà toerana iray miavaka ao Kolombia tsy ho fantatry ny besinimaro amin'ny andavanandro. Hita anatin'ity lahatsoratra ity ireo ohatra avy ao Chocó sy Antioquia.
Miverina amin'ny Laoniny i Kenya
Ankehitriny, miray indray ireo mponin'i Nairobi, izay mpifahavalo sy nanahy momba ny fiaviany ara-poko teo aloha, mba hamely ny minisitry ny governemanta ao an-toerana noho ny fanovàna ny làlan'ireo fitateram-bahoaka sy ny fanerena ny olona handeha an-tongotra lavitra be.
Serbia: Paradisan'ireo Mpifoka Sigara
Nanamarika ny Androm-pirenena ho an'ny tsy Fifohana Sigara i Serbia ny 31 Janoary teo, saingy, araka ilay voalazan'ny bilaogera Serbiana iray, "Paradisa sy El Dorado an'ireo mpifoka sigara i Serbia."
Barbada: Mihamarefo ny Baolina Kitra ao Karaiba
Mihamarefo ny Baolina Kitra ao Karaiba araka ny fanehoankevitry ny bilaogera iray monina ao Barbada.
Kenya: Feno Fanantenana ireo Bilaogera amin'ny Fanelanelanan'i Kofi Annan
Vitsy ireo olona nanantena fandrosoana tanatin'ny fifampiraharahana rehefa nanolotra ny rotsankazon'ny fandriampahalemana ho an'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana taloha, Kofi Annan, ny Filoham-pirenen'i Ghana, John Kuffour. Saingy miaraka amin'ny iray volana nanolorantena tsy tapaka, miavao indray ny fahatokisana eo amin'ny hisian'ny fifanarahana maharitra eo amin'ny fandriampahalemana.