Ao anaty fanadihadiana iray vaovao, Ozbekistan mankalaza ny hetsika reformista Jadid

Fampisehoana ny mpikatroka Jadid iray, mpanoratra sady mpanao gazety, Mahmudkhodja Behbudiy, ao anatin'ilay horonantsary fanadihadiana. Pikantsary avy aamin'ny Lahatsary Youtube an'ny Blue White sy ny Green Production. Fampiasàna ara-drariny.

Tamin'ny 20 Novambra, no navoaka voalohany tao amin'ny YouTube ny lahatsary Ozbeka iray fanadihadiana nitondra ny lohateny hoe “Armon: Jadidchilik Tarixi” (Ny Nofy : Tantaran'ny Jadidisma) . Ny orinasa mpamokatra ao ambadik'ilay sarimihetsika, Blue, White and Green Production dia namoaka azy io ho azo raisina amin'ny fiteny Ozbeka sy Rosiàna, ka ity farany ity nampitondraina ny lohateny hoe “Mechtateli” (Ireo Mpanonofy).

Ity ilay fanadihadiana amin'ny fiteny Ozbeka ao amin'ny YouTube.

Lazain'ilay fanadihadiana ny tantaran'ny hetsika refôrmista sy môdernista izay lasa fantatra amin'ny anarana hoe Jadidisma. Navitrika tany Ozbekistana sy tany amin'ireo faritra sasany tany Azia afovoany izy io tamin'ny faran'ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan'ny taonjato faha-20, fony ilay faritra mbola ampahany voalohany tamin'ny Ampira Rosiana ary avy eo dia ny Firaisana Sovietika taorian'ny Revolisiona Oktôbra tamin'ny 1917.

Ny mpikambana ao amin'io hetsika io dia nahazo ny anarany tamin'ny fametrahana ireo  fanavaozana mitondra fanabeazana izay nampiditra ireo sekoly usul-i jadid (fomba vaovao). Ny toetra mampiavaka ireo sekoly ireo dia ny fampiasàn'izy ireo ny fomba fônetika mba hampianarana ny abidy Arabo sy ny fampidirana ireo taranja laika ho ao anatin'ny fandaharam-pianarana.

Napetrak'ireo Jadids ho sahala amin'ny tanjona faran'izy ireo ny sivilizasiona sy ny fandrosoana ary noheverin-dry zareo fa ny fanavaozana ara-panabeazana, politika sy sosialy no fomba voalohany hanatrarana izany. Navitrika izy ireo niaro ny fanabeazana ireo tovovavy any an-tsekoly, ary nilaza fa ireo vehivavy nahita fianarana dia tena ampahany manandanja ao anaty fiarahamonina. Ny politikam-piarahamonina sy kolontsaina tsy misy fampiatiana nataon'ny Ampira Rosiana tao amin'ilay faritra dia namela toerana ampy ho an'ireo Jadids hanohizan-dry zareo ny fanavaozana nataony.

Tsy ny fanabeazana irery no hany sehatra nila fanavaozana, araka ny voalazan'ireo Jadids. Maro amin'izy ireo no nianatra tany Istanbul, noho ny fiarahamonina feno hatsaram-panahy ho an'ny fanabeazana ireo ankizy natsangan'ireo mpanankarena mpivarotra avy any Bukhara mba hahazoan'ireo zanaka lahin-dry zareo fianarana moderina any ivelany. Nandritra ny fianarana tany, nahita ny hevitry ny fandrosoana sy ny maoderina ireo tanora Jadids, nanery azy ireo hanao adisisika hisian'ny fanavaozana tao an-tanindrazany.

Nampiasa literatiora sy teatra ireo Jadids mba hanentanana fanavaozana midadasika. Ny ohatra tena malaza indrindra angamba dia ilay sanganasa antsoina hoe “Tales of the Indian Traveler” (Tantaran'ilay Indiàna mpivenjy) nosoratan'i Abdurauf Fitrat. Nanova endrika ho toy ny mpivahiny avy any India mitsidika an'i Bukhara ny mpanoratra teto mba hitsikera ny kolikoly ataon'ireo Ulama (mpitondra fivavahana) nentim-paharazana, ny faharatsian'ny rafitra ara-pahasalamana sy ny fidiovana, ary ny fahasimbàn'ny tanàna saika eny rehetra eny. Jadid olo-malaza iray hafa, Mahmudkhodja Behbudiy, no nanoratra ilay tantara an-tsehatra maoderina voalohany amin'ny fiteny Ozbeka atao hoe “Padarkush” (The Patricide) mikasika ny loza noho ny tsy fahalalana.

Ny tantaran'ny jadidisma dia ny tantaran'ireo zava-dehibe ara-kolontsaina sy ara-politika tao Ozbekistana. Matetika ny mpikambana ao aminy no ireo mpamorona ny karazana literatiora ka ny ohatra voalohany indrindra dia i Abdulla Qodiriy, izay heverina ho nanorina ny “prose” Ozbeka niaraka tamin'ilay tantarany “Utkan kunlar” (Bygone Days) izay nibahan-toerana tamin'ny literatiora Ozbeka.

Ity ny sarimihietsika “O'tgan kunlar” nalaina avy tamin'ny tantara nosoratan'i Abdulla Qodiriy

Ny tantaran'ireo Jadids sy ireo malaza hafa no tantarain'ilay fanadihadiana miaraka amin'ny fanampian'ny havan-dry zareo sy ireo manampahaizana eo an-toerana sy vahiny mikasika ny Jadidisma, ary koa amin'ny alalan'ny famerenana anaty fialamboly ireo sehatra ara-tantara nisy an'ireny olomalaza ireny.

Loza mahatsiravina no niandry ny Jadids tamin'ny taona 1930 rehefa nohamafisin'ireo manampahefana sovietika ny fahefany ary nofongoriny ireo  intelligentsia tao an-toerana. Novonoin‘ireo manampahefana ny Jadids noho ny fiampangana tamin'ireo hetsika fanoherana ny revolisiona sy Panturkistes nandritra ilay Horohoro Goavana tamin'ny 1937. Maro tamin'izy ireny no maty teo amoron'ny reniranon'i Ankhor, ao Tachkent renivohitra, izay nananganan'ny governemanta Ozbeka tamin'ny taona 2001 ny Mozea ho an'ireo niharam-boina tamin'ny Famoretana ara-Politika .

Nanomboka niverina teny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe ireoy Jadids teo ambany fitondran'ny filoha ankehitriny Shavkat Mirziyoyev. Tamin'ny 2020, nomeny fankasitrahana taorian'ny fahafatesana ry Abdulla Avloniy, Mahmudkhodja Behbudiy, sy Munavvarkori Abdurashidkhanov ho amin'ny laharan'ny Mariboninahitra “Ordre du Président”  noho ireo “Asa Lehibe Vita” sy noho ny “nandraisan-dry zareo anjara sy nananganan-dry zareo ny rafitra fanabeazana nasionaly”. Tamin'ny 11 sy 12 Desambra, nandray fihaonambe ny tao Ozbekistana, nitondra ny lohateny hoe “Jadids: hevitra mikasika ny maripamantarana ny firenena, ny fahaleovantena sy ny maha-fanjakàna”.

Toa mbola haharitra ela ny fiverenan'ny Jadid eny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe, miaraka amin'ny governemanta mampiasa ny lova navelan'izy ireo ho fitaomam-panahy. Raha niteny nandritra ilay fihaonambe, ny lehiben'ny mpanolotsaina an'i Mirzioyev, Saida Mirziyoyeva dia nanamarika fa “hita taratra ao anatin'ireo politikan'ny filoha ireo hevitra, nofinofy sy fanirian'ireo Jadids”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.