Lahatsoratra farany an'i Miora tamin'ny Jona, 2011
Hong Kong: Fanamelohana Ireo Asa Nasiam-panovàna Tsy Nahazoana Alàlana

Nametraka ny volavolan-dalàna(Fanitsiana) 2011 momba ny Zon'ny Mpamorona ireo asa tany amin'ny Sampana mpanao lalàna ny 15 Jone 2011 teo ny governemantan'i Hong Kong. Hanameloka ireo asanasiam-panovàna ao amin'ny aterineto...
Iran: Firaisan-kina amin'ireo gadra mitokona tsy mihinan-kanina
Nisy ireo fihetsiketsehana nokarakaraina nanerana ny tanàna 25 fara-faha keliny maneran-tany ny Sabotsy 25 Jona 2011, mba hanehoana ny firaisan-kina amin'ireo gadra politika miisa 18 eo ho eo izay mitokona tsy mihinan-kanina any amina fonja Iraniana roa. Natombok'ireo gadra politika izany fitokonan'ny hanoanana izany tamin'ny fahafatesan'ny mafana fo ara-politika roa, Reza Hoda Saber sy Haleh Sahabi.
Sina: Mpampiasa aterineto iray nahazo sazy fanabeazana mandritry ny herintaona noho ny fanesoany ny mpitondra

Araka ny tatitry ny media any an-toerana [zh], nisy mponina iray avy ao amin'ny tanànan'i Chongqing, Fang Hung, nahazo sazy fanabeazana ny Aprily 2011 noho ny famoahana bilaogy kiritika manesoeso an'i Bo Xilai lehiben'ny antoko politikan'ny tanàna, zanak'ilay razokibe Bo Yibo mpitaky fanovàna ao amin'ny Antoko Kaominista Sinoa
Koety: Hetsi-panoherana Enti-manohitra Ny Praiminisitra
Nanao fihetsiketsehana ireo Koetiana ny Zoma teo ka nitaky ny fialàn'ny Praiminisitra Sheikh Nasser Al-Mohammed Al-Sabah eo amin'ny governemanta. Mamintina ny fihetseham-pon'ireo Koetiana mpampiasa aterineto amin'ny fanohizana ny hetsi-panoheran'ny Zoman'ny Hatezerana any amin'ny fireneny i Mona Kareem.
Hong Kong: Antsojay araka ny lalàna

Eo ambanin'ny foto-kevitra hoe One Country, Two Systems (Firenena iray, Rafitra roa), nankafy ny fampitàm-baovao sy ny fahalalahana miteny lavitry ny fitondrana tsy refesi-mandidin'ny Rindrina Be sy ny fanenjehana ara-politika any Sina i Hong-kong.
Ejipta: Fisokafan'ny vavahady ifandraisan'i Rafah sy Gaza
Nanokatra ny toerana fandalovana ao Rafah mankany amin'i faritr'i Gaza i Ejipta androany, mamela ny olona hivezivezy malalaka any Ejipta indray tato anatin'i efatra taona lasa. Ny sisintany, izay vavahady lehiben'i Gaza mankany amin'ny tontolo ivelany, dia nosokafana tsindraindray nandritra ny fitondran'ilay filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak. Ity manaraka ity dia fihetseham-po vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter momba ity fivoarana faramparany ity.