Fahazarana tsara vintan'ireo ao Gaza hoe ?

Nanjary mariky ny tolon'ireo Palestiniana ilay silaka voanketsihetsy. Ny nofony menamena, ny hodiny maitso sy fotsy ary ireo voany mainty dia mahafaoka ny loko rehetran'ny saina Palestiniana. Taorian'ny ady nifanaovan'i Israely sy ny Arabo tamin'ny 1967, rehefa noraràn'i Israely ny fametahana sainam-pirenena Palestiniana, dia noraisin'ireo Palestiniana tamim-pahakingana ho toy ny vahaolana an'ohatra ny voanketsihetsy. Zavakanto nataon'ny ao amin'ny Flickr. Nampiakarina tamin'ny 10 Novambra 2023. Sehatra ho an'ny daholobe.

Ity tantara ity dia ny We Are Not Numbers no namoaka azy voalohany, tamin'ny 16 Novambra 2023. Nosoratan'i Nowar Diab ho toy ny fitantarana manokana avy any ambanin'ny daroka baomba tsy nisy fitsaharana nataon'i Israely tao Gaza. Tsy misy toa azy ilay tantara, natolotra ho toy ny fijoroana vavolombelona tsy nosivanina mikasika ny ady. Navoaka izy io mba ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Misokatra foana ny varavarankely mba hialàna amin'ny loza ateraky ny vakim-pitaratra. Isa-maraina aho dia lalitra maharikoriko mimonomonona eran'ny efitrano no mamoha ahy. Arakaraka ny anakaikezany ny sofiko no maha-mafy ny feony. Tena sarobidy ny torimaso satria kely fotsiny no mba azoko. Noho izany dia mahasorena ilay tsy ampy torimaso noho ataon'ny bibikely iray.

Nowar sy ilay fandraisampeon'ny raibeny. Sary nomen'i Nowar Diab ho an'ny We Are Not Numbers, nampiasaina nahazoana alalana.

Mifoha aho ary mahatsiaro ho sorena. Manontany tena aho hoe ahoana no nahafahako nahita  tory na teo aza ny feo manorisory avy amin'ny onjampeon'ny raibeko. Manana fandraisampeo mitovy mandeha amin'ny vatoaratra daholo ny fianakaviana Gazàna tsirairay. Io no loharanom-baovao ho anay rehefa tsy misy jiro na aterineto. Tena halako io onjampeo io noho ny zavatra asehony. Mahatonga ahy ho hendratra be izany satria tsy ampiasainay izy io raha tsy amin'ny fotoana tahaka izao : rehefa iharan'ny fanafihana izahay sy rehefa misy maty ny olona tianay.

Mandeha ao amin'ny efitrano fandroana aho. Manasa tarehy amin'ny rano tao anaty tavoahangina Coca Cola izay nofenoiko. Avy eo dia mankao an-dakozia manao kafe amin'ny rano kely sisa navelako tao anaty tavoahangy. Mipetraka irery eo an-dakozia ary misotro izany amina fahatsapan-tena ho meloka – satria tsy fahita firy ny rano ary misy olona tsy mba misotro na inona inona mandritra ny andro maro.

Tonga avy eo ny ampahany sarotra indrindra amin'ny fiainako andavanandro. Mifandray amin'ireo namako tsirairay aho mba hanamarina raha mbola velona izy ireo. Tsy maintsy manomana ny saiko aho mialohan'ny handefasako hafatra amin'izy ireo. Ataoko ho fahazarana izany, na dia fantatro aza fa zava-poana. Manahy mafy aho manontany tena raha indray andro any mbola hahazo valiny.

Tsy mitsahatra aho miantso an'i Maimana, ilay tena namako akaiky satria henoko fa nisy zera baomba tany amin'ny nipetrahany. Naveriko indray fanintelopolo izany saingy tsy mbola maneno foana ny findainy. Tsy manana fifandraisana izy. Matahotra ny  amin'ny ainy aho ary tsy mitsahatra midobodoboka toy ny hitsahatra ny foko. Imbetsaka aho no miteny amin'ny tenako ihany fa tsy haninona ary hiantso ahy indray izy rehefa manana fifandraisana.

Nifoha ny fianakaviako nony farany. Tsy irery intsony aho. Niara-nipetrapetraka izahay ary niresadresaka ny isanandron'ireo faritra manodidina nodarohan'i Israely baomba tamin'ny alina. Fahazaranay isa-maraina ny manara-maso izay zava-nitranga nandritra ireo ora telo sarobidy natoriana.

14 izahay no miara-mipetraka ao an-tranon'ny havana iray. Samy manana ny andraikitra ataony daholo ny tsirairay aminay rehefa maraina. Ny lehilahy mankany amin'ny fanaova-mofo mba hijery raha toa misy izany. Avy eo, entin'izy ireo any ampatsakana ireo tavoahangy sy siny foana mba ho fenoina rano. Mandritra izany fotoana izany, manomboka manasa lovia ireo vehivavy, manadio ny gorodona ary mikarakara ny sakafo antoandro.

Miankina amin'ny fisian'ny mofo na tsia ny sakafo antoandro. Matetika no tsy misy. Voafetra ny safidinay, saingy fara-faharatsiny manana safidy izahay. Ny sasany tsy tsara vintana ary renay ny momba ireo olona mijaly noho ny tsy fahampian-tsakafo.

Niantso ny reniko ary toa nitomany. Nanontany azy aho hoe salama tsara ve dia namaly izy hoe eny. Fantatro fa mandainga amiko izy. Noraisin'ny dadatoako ny finday ary nivadika tao an'efitra ilany izy.Tonga dia fantatro fa misy zavatra mitranga. Nahatsiaro ho navesatra ny foko mandra-pahatapitry ny tontolo andro. Nanana fahatsapana aho fa hafahafa ny fihetsikin'ny fianakaviako ary manafina zavatra amiko.

Mahazo fifandraisana aterineto mandritra ny fotoana voafetra izahay mandritra ny tontolo andro. Isaky ny miverina mifandray izahay dia mihazakazaka aho mandefa hafatra amin'ireo namako, mijery ny vaovao amin'ny tambajotra ary mandefa eo amin'ny tambajotra sosialy mikasika izay mahazo anay. Rakotry ny fanontaniana mitovy mikasika ny Hamas sy ilay tamin'ny 7 Oktobra izahay. Asehon'izany ny tsy fahampiana tanteraka teo amin'ny fahatakarana avy amin'ireo haino aman-jery tandrefana mikasika izay mahazo anay.

Tapaka indray ny aterineto. Ary, tahaka ny fianakaviana Palestiniana hafa rehetra miaina an'io ady io dia milalao karatra izahay, raha ilay onjampeo adaladala kosa mitantara aminay izay zava-mitranga amin'ny alàlan'ireo tati-baovao.

Te-hanontany ny fianakaviako aho raha mahafantatra zavatra tokony ho fantatro izy. Saingy nihemotra ny tenako satria matahotra sao handratra ny foko ny vaovao. Naleoko nankany an-davarangana mba ho afaka hihaino ilay hira tiako indrindra, Hymn to Gentrification nataon'i Faraj Suleiman. Ity hira ity, dia tahaka ny miresaka amin'ny olona mahatakatra ny fialako aina.

Tapaky ny antson'ny namana iray ilay fitokanako samirery. Noraisiko saingy tsy tafita ny fifandraisana ka navelako. Notohizako ny fihainonana ny hirako ary niteny tamin'ny tenako aho hoe OK daholo ny zavatra rehetra. Haiko fa lainga izany. Misy fahatsapana mahatsiravina ao amin'ny ambavafoko.

Nowar, avy eo ankavia, miaraka amin'ny namany akaiky Maimana, izay maty tany Gaza nandritra ny ady farany nifanaovan'i Israely sy Gaza. Sary natolotr'i Nowar ho an'ny We Are Not Numbers, nampiasaina nahazoana alalana.

Naneno indray ny findaiko. Mbola ilay namana teo ihany. Noraisiko, ary tamin'ity indray mitoraka ity nifandray izahay. “Marina ve fa maty i Maimana sy ny fianakaviany ? Latsaka no sady vaky potipotika an-tapitrisany ny foko. “Tsia, tsia. Iza no nilaza izany ?” Hoy aho namaly, sady vonton-dranomaso ny masoko. “Ny olon-drehetra”, hoy izy namaly ahy. Nihiakiaka aho ary nitohy nirotsaka ny ranomasoko.

Tena namana akaiky ahy indrindra izy. Tsy nitia olona tahaka izay nitiavako azy aho. Tamin'izay fotoana izay dia tsaroako ho nafoiko ny zava-rehetra. Maharary ny fahafahana miresaka amin'ny olona iray, ary maty zareo ny ampitso. Nanomboka nitamberina tao an-dohako ireo fahatsiarovana nifampizarànay. Reko ny hehiny. Tsaroako izaho nihira tao anaty fiara niaraka tamin'ny reniny. Be loatra izany rehetra izany ary tsy zakako.

Fanindroany izay tao anatin'ny herinandro maro no nandrenesako fahafatesana olon-tiana. Ny voalohany, ilay namako tsy foiko Abraham. Tsisy olona mitovy aminy : mampihomehy, lalin-tsaina sady tsara fanahy ary manana fo feno fitiavana. Tsy azoko faritana ny fihetsehampo tsapa rehefa maharay vaovao tahaka izany ianao. Tena mahaketraka – mitovy amin'ilay ianao manjera lovia ireny ka vaky potipotika ilay izy.

Miha-ratsy hatrany izany amin'ny alina. Amin'izay no manomboka ny horohoro. Miara-matory ao amin'ny efitrano iray izahay rehetra satria mahatsiaro ho voaaro tsara kokoa. Miezaka ny hatory aho na dia eo aza ny tabataban'ny zera baomba mahery vaika sy ireo tatitra amin'ny onjampeo. Miha-mavesatra hatrany ny masoko. Ary avy eo niafara tamin'ny tsy fahatsiarovako tena ka dia renoky ny tory aho nony farany.

Ny ampitso maraina, nifoha aho. Fa tamin'ity indray nitoraka ity dia tsy nisy fimonomononana tao an'efitrano. Natahoran'ireo lalitra ny zera baomba nandritra ny alina. Ary dia nifoha aho mba hiatrika ny tontolo andro iray feno ratram-po sy hihaino ilay vata fandraisampeon'ny raibeko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.