Nodimandry teo amin'ny faha-65 taonany i Benjamin Zephaniah, poeta britanika tsy manam-paharoa manana faka avy any Karaiba ary manintona be ao anatina fiarahamonina manana kolontsaina marolafy

Benjamin Zephaniah, Waterstones, Piccadilly, London, 6 Desambra 2018. Sary an'i Edwardx avy amin'ny Wikimedia Commons, CC BY-SA 4.0 DEED.
Fanomezam-boninahitra manokana ho an'i Benjamin Zephaniah noho ny fahatongavan'ny Volana ho an'ny Tantaran'ireo Mainty hoditra any Angletera tamin'ny Oktobra 2023 teo no nanasongadina fa ilay Britanika/Karibeana poeta, mpanakanto be mpankafy, mpanoratra, mpanoratra tantara an-tsehatra, mpilalao sarimihetsika ary mpikatroka mafana fo, dia tsy mihevitra ny tononkalo “ho sahala amin'ny haitraitra” fa “tena filàna iray amin'ny fiainana”, ho an'ny fanahin'ny olombelona.
Fivontosana tao amin'ny atidoha no nahafaty an‘i Zephaniah teo amin'ny faha-65 taonany, valo herinandro taorian'ny nahatiliana azy. Ny fianakaviany no nandefa teo amin'ny X (Twitter taloha) hoe :
— Professor Benjamin Zephaniah (@BZephaniah) December 7, 2023
— Profesora Benjamin Zephaniah (@BZephaniah) 7 Desambra 2023
Teraka Benjamin Springer izy tamin'ny taona 1958 tao amin'ny faritra henjana tao Handsworth, Birmingham (izay nipoiran'ilay tarika tranainy indrindra tamin'ny reggae Roots Steel Pulse). Indray mandeha izy dia namaritra ity faritra ao Midlands Britanika ity ho “renivohitra Jamaikàna any Eoropa”. Barbadiana ny rainy ary Jamaikana mpanampy mpitsabo ny reniny. Tsy nisy azony nantenaina ireo taona voalohandohan'i Zephaniah. Niharan'ny herisetra nataon'ny rainy izy ka niafara tamin'ny fisarahan'ny fianakaviana. Ny dyslexie no nanampy trotraka tamin'ny fahasarotana tany an-tsekoly ary tsy nahavita ny fianarany mihitsy izy, rehefa noroahina teo amin'ny faha-13 taonany. Nandany ny androny tany amina borstal izy, na ivon-toeram-panarenana ireo zaza tsy ampy taona nania. Tamin'ny faramparan'ny adolantsentony dia nigadra tany amponja izy, rehefa voampanga tamina fandikan-dalàna isan-karazany, anisan'izany ny famakiana trano. “Nivily lalana aho”, hoy izy. Mampalahelo fa ny fahazazany dia toy ny fahita mahazatra iainan'ireo tovolahy mainty hoditra marobe manam-piaviana Karaibeana nitombo teny an-tanàndehibe tao Grande-Bretagne tamin'ny taona 1960 sy 1970 : hiafara amin'ny fisian'ny fiantraikany amin'ny ankamaroan'ny asany izany.
Teo amin'ny faha-22 taonany, nanalavitra an'ireo fitaoman-dratsy i Zephaniah ary nandao an'i Birmingham ho any Londra, izay nanombohany nalaza tamin'ny maha-poeta sy mpilalao an-tsehatra azy. “Mihevitra ny tenako ho toy ny poeta andalam-be foana aho”, hoy izy vao haingana teo amin'ny tafatafa iray ho an'ny Britanika Sky News. “Tena tezitra tamin'izao tontolo izao aho – raha tsorina dia mbola tezitra amin'izao tontolo izao aho – saingy manana an'ity hirika ity aho… Manana ny fomba fanehoako hevitra aho, ary izay no nanavotra ahy teo amin'ny fiainana.”
Voasarika be tokoa tamin'ny Rastafari, ny tononkalo sy ny mozika Jamaikana ary ilay nantsoiny hoe “tononkalon'ny arabe”, nanjary tafiditra tamina asa famoronana maromaro i Zephaniah, niantsa ny tononkalony dub radicale sy ireo fanehoankevitra ara-tsosialy nataony tany amin'ireo efitrano Londoniana. Tamin'ny taona 1980 no namoahany ny bokin-tononkalony voalohany, “Pen Rhythm,” ary tamin'ny taona 1982 ilay rakikira voalohany, “Rasta”. Nanaraka an'ireo ny angona tononkalo 13 hafa sy ireo rakikira dub marobe, ary hatramin'ireo tantara an-tsehatra maromaro. Ilay tantara nosaoratany “Hurricane Dub” no iray tamin'ireo mpandresy tamin'ny BBC Young Playwrights Festival Award tamin'ny 1998, ary nolalaovina tao amin'ny Riverside Studios tao Londra, tao amin'ny Hay-on-Wye Literature Festival, ary koa tamin'ny fahitalavitra sy onjam-peo.
Zephaniah ihany koa dia nanao asa ho mpilalao sarimihetsika, niaraka tamin'ny fisehoany malaza indrindra tamin'ny maha-mpitory teny azy tao anatina andiany miisa 14 tamin'ilay andian-tantara gangsters malaza “Peaky Blinders,” izay tany Birmingham no nisehoany. Ilay mpilalao fototra, Cillian Murphy, dia nanome voninahitra an'i Zephaniah ho “olona tena manan-talenta sy mahafinaritra, poeta, mpanoratra, mpahay mozika sy mpikatroka ho an'ny andian-taranaka nisy azy. Brummie iray mirehareha [teratany avy any Birmingham] sady Peaky Blinder.”
Taty aoriana teo amin'ny asany, ny tononkalo tany am-boalohany sy azo raisina nataon'i Zephaniah, niresaka ireo olana ara-tsosialy tamin'ny fomba fijery maranitra, dia nambabo be an'ireo tanora ary voarain'ireo mpanabe tsara. Vao haingana, sekoly iray no namoaka fa ilay tononkalony “The British (Serves 60 Million)” dia nanome aingam-panahy sasantsasany ho amina “taharo” poetika mahaliana teny anivon'ireo mpianatra :
Absolutely loved reading these poems for equality from S1! After studying the brilliant poem ‘The British’ by @BZephaniah they came up with their own recipe for a better world. #Equality #Respect #RightsRespectingSchool pic.twitter.com/vfPfB42dyW
— Holyrood English Department (@Holyrood_Eng) October 27, 2023
Tena tiako ny namaky ireo tononkalo ho an'ny fitoviana avy amin'ny S1 ireo ! Taorian'ny fandalinana ilay tononkalo mamirapiratra ‘The British’ an'i @BZephaniah dia nanamboatra ny taharony manokana hisiana tontolo iray mendrika izy ireo. #Fitoviana #Fanajàna #SekolyManajaNyZo pic.twitter.com/vfPfB42dyW
— Holyrood English Department (@Holyrood_Eng) 27 Oktobra 2023
Sekoly iray hafa nizara ny fankamamiany ny iray tamin'ireo tantara nosoratany ho an'ny tanora :
Year 6 are really enjoying Windrush Child by @BZephaniah during writing lessons at the moment. They produced a great piece of writing from Leonard's perspective today. #BlackHistoryMonth2023 pic.twitter.com/YwMfxlpYGR
— Hollingwood Primary School (@HollingwoodPAY) October 9, 2023
Tena mankafy ny Windrush Child an'i @BZephaniah ireo mpianatra amin'ny sekoly taona faha-6 mandritra ny fampianarana manoratra amin'izao fotoana izao. Androany izy ireo dia namokatra lahatsoratra tsara avy amin'ny fijerin'i Leonard #VolanNyTantaranNyMaintyHoditra2023 pic.twitter.com/YwMfxlpYGR
— Hollingwood Primary School (@HollingwoodPAY) 9 Oktôbra 2023
Mpanoratra iray nanan-karena i Zephaniah, nanoratra boky ho an'ny sokajin-taona rehetra. Miaraka amin'ny fombany mivantana sy azo takarina, nitondra fampieritreretana foana i Zephaniah ary im-betsaka namelively ny establishment Britanika tamin'ny adisisika tsy misy marimaritra nataony mba hisian'ny rariny ara-tsosialy. Niaritra fanavakavaham-bolonkoditra izy hatramin'ny fahatanorany, mpikatroka nanohitra ny fanjanahantany nibaribary nandritra ny androm-piainany izy, nanohitra ny Order of the British Empire (OBE) tamin'ny 2003 ary naneho hevitra hoe : “Mijoroa tsara, Andriamatoa Blair sy Ramatoa Queen. Ajanony ny firesahana momba ny ampira.”
Saingy tsy nionona fotsiny tamin'ny fitenenana izy, fa nanohana sy niahy mavitrika an'ireo hetsika marobe niompana tamin'ny fifandraisan'ny foko sy fanavakavaham-bolonkoditra anaty andrim-panjakana, toy ny Newham Monitoring Project tany atsinanan'i Londra, izay niainany tamin'izany fotoana izany. Taty aoriana teo amin'ny fiainany dia nifindra tany ambanivohitr'i Lincolnshire izy, saingy nanohy ny fahavitrihany avy any.
Nateraka ho mpikatroka nandritra ny androm-piainany i Zephaniah, anisan'izany ny maha-mpiaro mafana fo azy amin'ny veganisma. Tahaka izay notantarainy taloha dia nanomboka hatramin'izy mbola kely izany – nampijaliana izy tany an-tsekoly ary nihataka teny amin'ny sisin'ny tokontanin-tsekoly, ary naleony ninamana tamin'ireo biby : “Mahagaga fa tsy mbola nahita biby mpanavakavaka mihitsy aho.”
Vao haingana, ny vondrona iray mpiaro ny zon'ny biby no nizara teo amin'ny X :
Thank you to author, poet, musician and activist, @BZephaniah, for endorsing the 7-Day Vegan Challenge.
Sign up for free today: https://t.co/hK4haqzIPA#WorldVeganMonth pic.twitter.com/Z3TUbLDHJE
— Animal Aid (@AnimalAid) November 2, 2023
Misaotra an'i @BZephaniah mpanoratra, poeta, mpahay mozika sy mpikatroka, nanohana ny Andro 7 Fanamby Vegan.
Misorata maimaimpoana eto androany : https://t.co/hK4haqzIPA#WorldVeganMonth pic.twitter.com/Z3TUbLDHJE— Animal Aid (@AnimalAid) 2 Novambra 2023
Nanjary vegan izy teo amin'ny faha-13 taonany, ary ny tononkalony “Talking Turkeys” (Vorontsiloza miteny), nosintonina avy tao amin'ny bokin-tononkalony voalohany ho an'ny ankizy, dia ahitana taratra io faharesendahatra raiki-tampisaka nandritra ny androm-piainany io :
‘Enjoying a vegan lifestyle is the ultimate protest against animal exploitation’ ~ Benjamin Zephaniah pic.twitter.com/OuqoKpmglA
— Vegan Future (@veganfuture) October 6, 2023
‘Ny fankamamiana ny tontolom-piainana tsy mihinana biby no fanoherana faratampony atao amin'ny fitrandrahana biby’ ~ Benjamin Zephaniah pic.twitter.com/OuqoKpmglA
— Vegan Future (@veganfuture) 6 Oktobra 2023
Tsy latsaky ny 16 ny maripahaizana fanomezam-boninahitra azon'i Zephaniah ary, tamin'ny 2011, dia nekeny ny handray ny toerana Mpampianatra tononkalo sy fanoratana famoronana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Brunel tao Angletera, izay nanome voninahitra azy. Efa Mpanoratra Nipetraka tao amin'ny Africa Arts Collective tao Liverpool, ary efa kandidà ho amin'ny toerana mpampianatra tononkalo tao amin'ny Anjerimanontolon'i Oxford.
Nanana fijery maranitra ny fiarahamonina foana i Benjamin Zephaniah. Tamin'ny Aogositra dia nizara lahatsary iray izy nanosoka hevitra fa eto izo ny fiarahamonina mpanaramaso :
Recorded somewhere in the 90s, this recording just sat on the shelf doing nothing. But when considering the state of our nations, & how states strive to control people & abuse power, it is still relevant, probably more relevant, now.
See whole video herehttps://t.co/slot1RXIMP pic.twitter.com/Gu4cZYk95B
— Professor Benjamin Zephaniah (@BZephaniah) August 7, 2023
Voarakitra tany ho any tamin'ny taona 90 tany, ity rakipeo ity dia nimpirina tany ambony talantalana tany, tsy nanao n'inon'inona. Saingy rehefa dinihana ny toetoetry ny firenenay, sy ny fomba fiezahan'ny Fanjakana hifehy ny olona sy hanararaotany ny fahefany, dia mbola mitombina mandrakariva izany, angamba tena mbola manandanja kokoa, ankehitriny.
Jereo ny lahatsary manontolo eto https://t.co/slot1RXIMP pic.twitter.com/Gu4cZYk95B— Professor Benjamin Zephaniah (@BZephaniah) 7 Aogositra 2023
Ny BBC, nandritra izany fotoana izany, dia nizara ampahana horonantsary iray nitafatafàna tamin'ilay mpanakanto tanora :
Benjamin Zephaniah has died, aged 65. The writer and poet appeared on Sixty Minutes in 1984, talking about why he wanted to have a message in his writing and who he is talking to with his work. pic.twitter.com/OUOaGHEbYC
— BBC Archive (@BBCArchive) December 7, 2023
Maty teo amin'ny faha-65 taonany i Benjamin Zephaniah. Mpanoratra sady poety niseho tao amin'ny Sixty Minutes tamin'ny taona 1984, nanazava mikasika ny antony naniriany handefa hafatra tao anatin'ny asa sorany sy ny hoe mitodika amin'iza ny asany.pic.twitter.com/OUOaGHEbYC
— BBC Archive (@BBCArchive) 7 Desambra 2023
Ilay namany sady “Brummie” mpiara-nihira taminy, Joan Armatrading, izay teraka tao St. Kitts, dia nanome voninahitra ny maha-mpampivondrona azy : “Tiany haverin'ny olona rehetra ametraham-panontaniana ny momban y zavatra rehetra… tiany ho fantatry ny olona, misy fomba tsaratsara kokoa ve ?”
“He's left us with his charm, his poetry, his revolutionary ways, his caring for people, his inclusiveness…”
The legendary artist, Joan Armatrading, has paid tribute to Benjamin Zephaniah on #Newsnight – ending the heartfelt interview by saying thank you to her friend. pic.twitter.com/jWSxRWUVrT
— BBC Newsnight (@BBCNewsnight) December 7, 2023
“Navelany ho antsika ny fambaboany, ny tononkalony, ny fombany revolisionera, ny fiahiany ny olona, ny maha-mpampivondrona azy…”
Teo amin'ny #Newsnight i Joan Armatrading, mpanakanto malaza, no nanome voninahitra an'i Benjamin Zephaniah – namarana ilay tafatafa nahavaky fo tamin'ny alalan'ny fisaorana ilay namany.pic.twitter.com/jWSxRWUVrT
— BBC Newsnight (@BBCNewsnight) 7 Desambra 2023
Ny Stephen Lawrence Day Foundation (natsangana ho fanomezam-boninahitra ilay Britanika tanora mainty hoditra novonoina nandritra ny fanafihana iray noho ny fanavakaham-bolonkoditra tamin'ny taona 1993) dia namintina ny fikatrohan'i Zephaniah sy nanohina fo tamin'ny fanomezam-boninahitra avy aminy :
Professor Benjamin Zephaniah, a luminary and leader, gave voice to hope in Black Britain. His legacy will resonate, building bridges of understanding and inspiring change for generations. Grateful for his extraordinary contributions to Stephen's legacy. Rest in eternal power. pic.twitter.com/XwUMgdsLsM
— Stephen Lawrence Day Foundation (@sldayfdn) December 7, 2023
Ny Profesora Benjamin Zephaniah, mpanazava sady mpitarika dia nanome feo ny fanantenana ao anatin'i Grande-Bretagne mainty hoditra. Hikarantsana ny lova navelany, hanorina ny tetezan'ny fahatakarana sy hanentana fiovàna ho an'ireo taranaka. Misaotra noho ireo fandraisany anjara miavaka amin'ny lova navelan'i Stephen. Mandria am-piadanana ao anatin'ny hery mandrakizay.pic.twitter.com/XwUMgdsLsM
— Stephen Lawrence Day Foundation (@sldayfdn) 7 Desambra 2023
Mpamorona tsy manam-paharoa, nametraka ny dian-tanany tamin'ny tononkalo Britanika i Zephaniah, ka nanjary artista sady mpisehatra nankafizina izay nanavatsava ny sisintany rehetra. Nanolotra fanantenana ary nanohana ny tanora Britanika Mainty Hoditra ihany koa izy, sady nikaroka ny hanasitranana ny fiarahamonina nisamantsamaka vokatry ny fanjanahantany, ny fanakavaham-bolonkoditra sy ny tsy rariny ara-tsosialy. Tsy isalasalàna fa tena ho fahabangàna goavana ho antsika ilay feony, izay sady taratry ny maha-olombelona, mamelombelona ary manaitaitra.