Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jolay, 2012
Indonezia: Fisindàna Nataon'ny Video4Change An'ny EngageMedia Momba Ny Lahatsary Ho An'ny Fanovàna Sosialy
Indonezia no firenena nampîantrano ny Video4Change, herinandro manontolo fiatoana izay nivondronan'ireo fikambanana rehetra hiady hevitra momba ny fahafahana mampiasa ny lahatsary amin'ny fanovàna sosialy ary koa hitondrana vahaolana momba ireo tsy fahampian'ny loharam-baovao.
Mametraka Ny Tahiry ICP-ny Any Shina Ny Vohikala Ofisialin'ny Lalao Olaimpika Ao Londona
Araka ny nambaran'ireo Sinoa maro mpampiasa aterineto, tsy ilaina ny fametrahan'ny Kaomitin'ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona ny tahirin'ny vohikalany ao amin'ny MIIT
Hifaninana Eo Ambanin'ny Sainan'ny Lalao Olaimpika Ilay Sodaney Tatsimo Mpihazakazaka Lavitr'ezaka
Tsy hihazakazaka eo ambanin'ny sainam-pirenen'i Sodana Atsimo ilay mpihazakazaka lavitr'ezaka Guor Marial mandritra ny Lalao Olaimpika ao Londona. I Sodana Atsimo, izay nahazo ny fahaleovantenany tamin'ny taona lasa, dia mbola tsy ankasitrahan'ny Kaomity Iraisam-pirenenan'ny Lalao Olaimpika.
“Don't Fear the Internet”: Fijoroana Vavolombelona Momba Ireo Anaran-tsehatra Sy Ny Fahalalahana Miteny
Lasa toeram-piadiana anaran-tsehatra momba ny fahalalahana miteny any Shily. Anatin'ity lahatsary iray vaovao avy amin'ny tetikasa “Don’t Fear the Internet”, manazava raharaha roa ny ONG 'Derechos Digitales' highlights : ny elmercuriomiente.cl sy ny estafadoscorfo.cl. Samy ohatry ny fikasan'ny fiadiana anaran-tsehatra mba hampangiana ny fitenenana ireo raharaha roa ireo.
“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Fanentanana Vaovao Momba ny Fahalalahana Miteny Tanterahan'ilay ONG ‘Derechos Digitales’
Mifototra amin'ny fanapahan-kevitry ny ONU handray ny fahalalahana miteny ho isan'ny zon'olombelona, nanomboka fanentanana iray antsoina hoe “No temas a Internet” [es] ("Aza matahotra ny Aterineto") ilay ONG “Derechos Digitales” (“Zo Dizitaly”) vao haingana izay, hanairana ny olona amin'ny lanja fototry ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.
Arzantina: Miteraka Adihevitra Ilay Lahatsarin'ny Lalao Olympika Tany Amin'ireo Nosy Malouines
Raha mikarakara ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona i Arzantina, nisy fanambarana nataon'ny Filoha sy noraketina an-dahatsary tany amin'ireo Nosy Malouines niteraka adihevitra be miaraka amin'ny fehezanteny: "Raha hifaninana any amin'ny tany Anglisy isika, manazatra tena amin'ny tany Arzantina."
Mongolia: Mandinika Ireo Zanaka Sakadia An-dranomandry
Vitsy dia vitsy ary sarotra tratrarina ireo sakadia an-dranomandry. Nanao fanadihadiana lava momba ireo sakabe ireo ny vondrona manam-pahaizana avy ao amin'ny Snow Leopard Trust ary nizara ampahany tamin'ny fandinihan'izy ireo.
Fanambarana Ny Fahafahan'ny Aterineto
Amin'izao fotoana izao dia niombona ireo vondrona maro hamorona Fanambarana ny Fahalalahan'ny Aterineto, izay iray amin'ireo mpanao sonia voalohany indrindra ny Global Voices Advocacy. Hatreto, nosoniavinà fikambanana sy orinasa mihoatra ny 1300 io Fanambarana io ary mbola mitombo izany.
Fanentanana Ho An'ireo Mpitoraka Bilaogy Syriana
Mitombo isanandro ny isan'ireo vahoaka mpanao gazety maty na voasambotra tany Syria. Misy fanentanana iray momba ilay mpitoraka bilaogy Hussein Ghrer--mikatsaka ny hanaitra ny sain'ny maro amin'ireo raharaha mafana mahazo ilay mpitoraka bilaogy.
Global Voices Podcast: Jambo Avy Any Kenya! Ilay Fivoriamben'ny Global Voices
Inona no hoavin'ny mediam-bahoaka ao anaty aterineto? Anatin'ity andiany ity (sy ny manaraka) haheno avy amin'ireo tonian-dahatsoratra, mpanoratra, mpiara-manorina sy ireo mpandray anjara hafa tamin'ny Vovonamben'ny Mediam-bahoaka Global Voices 2012 tany Nairobi ianao mikasika ny hoavin'ny fiaraha-miasanay ao anaty aterineto.