Lahatsoratra farany an'i Miora tamin'ny Jolay, 2010
Fitorahana blaogy mivantana mikasika ny fanehoan-kevitra momba ny fiparitahan'ny antontan-taratasin'ady any Afghanistan
Mihoatra ny 90,000 ireo antontan-taratasin'ny miaramila any Etazonia mikasika ny fanafihana tany Afghanistan naboraka. Ho fitsapana, mampiasa Google Wave isika mba "live blog global blog" iraisam-pirenena sy ireo resaky ny media mikasika ireo "boky mirakitra ireo ady" (#warlogs) nasehon'ny Wikileaks, Der Spiegel, New York Times sy The Guardian vahoaka androany.
Ireo mpitoraka blaogy mikasika ny lamaody any Indonezia
Ireo mpitoraka blaogy malaza any Indonezia dia ireo mpitoraka blaogy miresaka lamaody sy ny fomba fiainana izay matetika tanora vehivavy . Iza izy ireo ary fa maninona izy ireo no malaza?
Italy: TSIA amin'ny famerana ny fahalalahana miteny ao amin'ny aterineto

Raha mampivoitra hetaheta ny hananganana “toeran'ny fahalalahana mampahafantatra vaovao” miaraka amin'ny fanampian'ny Islandy [EN] ny raharaha WikiLeaks [EN], ny governemanta Italiana kosa dia toa mitongilana any amin'ny lalana mifanohitra amin'izany.
Iran: Fampielezan-kevitra hamotsorana an'ilay mpitoraka blaogy an-tsary Hamed Saber

Mihoatran'ny 70 ireo mpianatry ny anjerimanontolo Iraniana sy ireo mpianatry ny ambaratonga ambony no mitaky [fa] ny famotsorana an'i Hamed Saber, mpitoraka blaogy an-tsary Iraniana sy mpikirakira solosaina voasambotra noho ny antony tsy fantatra ny 21 Jona 2010 tany Tehran
Global: Teny Grika mankany amin'ny teny Anglisy, teny Sinoa mankany amin'ny teny Rosiana, ary teny Espaniola mankany amin'ny teny Masedoniana
Samy efa nandre ireo zava-mahatsikaiky mitranga isika rehefa lasa mampihomehy ny fandikana ireo fomba fitenin'ny teny iray avadika amin'ny teny hafa. Ny fandikana ireo teny sarotra ireo dia anisan'ireo fifaninanana lehibe indrindra ao anatin'ny fandikan-teny, na ho an'ny olombelona izany na ho an'ireo solosaina.Ny Wikidioms dia loharano amin'ny aterineto vaovao manampy ireo mpandika teny handresy izany olana izany. Niresaka tamin'ny mpamorona ity vohikala ity, Pavel Kats, sy tamin'ny iray amin'ireo mpanampy azy, Yasna Trandafilovska.
Jordania: Mpianatra Jordaniana iray voaheloka higadra an-tranomaizina roa taona noho ny IM

Araka ny voalazan'ny Next Web – Middle East, manonona ny vohikala Ammannet, dia voasambotra ny mpianatra Jordaniana iray miofana momba ny solosaina, mitondra ny anarana hoe Imad Al-Ash, nanomboka ny...
Kroasia: Mandrava fihetsiketsehana feno filaminana tany Zagreb ny mpitandro filaminana
Nandrava hetsi-panoherana am-pilaminana nanoherana ny fampiasana tsy ara-dalàna ny tanim-bahoaka natao tao afovoan'i Zagreb ny mpitandro ny filaminana Kroaty omaly maraina ary nisambotra sivily mafana fo 11 raha kely. Ny teny famantarana ny lalambe #Varsavska ao amin'ny Twitter no loharanom-baovao haingana sy ahafahana mahita ireo sary.
Azia Atsimo-Atsinanana : Ny resaka ara-nofo sy fanivànana vohikala
Amin'izao fotoana izao ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin'ny aterineto dia raisina ho tahaka ny fanoherana ny fahalalahana miteny kanefa ireo Governemanta any Azia Atsimo-Atsinanana dia toa afaka manamarina izany amin'ny fampisehoana ny filàna hanavotra ny tanora amin'ny loza aterak'ireo fitondrantena mamoafady miresaka firaisana ara-nofo
Sina: Famelezana ireo blaogy bitika
Araka ny vaovaon'ny Apple Daily androany, nandray fepetra hentitra amin'ny fanaraha-maso ny fiasan'ireo fitorahana blaogy fohy kely rehetra ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny serasera sy ny fampahalalam-baovao. Hatramin'ny nahavoasakana ny Twitter...
Egipta: mpitoraka blaogy navotsotra rehefa voatana an-tranomaizina nandritra ny roa taona mahery
Zanakavavin'i Mos'ad Abu Fagr Taorian'ny fitanana azy an-tranomaizina nandritra ny telo taona teo ho eo izay, dia novotsorina tamin'ny Talata, 13 Jona, 2010 ihany ilay mpitoraka blaogy Ejiptiana Mus'ad Abu...