Lahatsoratra farany an'i Miora tamin'ny Mey, 2011
Nepal: Manoratra mikasika ny Fikomiana sy ny Fanivànana ao amin'ny Facebook

Nitondra rivo-panovana tany Nepal ny lohataona Arabo. Ny Asabotsy 7 Mey, niangona teo akaikin'i Maitighar manodidina an'i Kathmandu renivohitra mba hangataka ny famahana araka izay haingana ny fiziriziriana nisy tato ho ato vokatry ny hatak'andro amin'ny fananganana lalàmpanorenana vaovao ny vondron'ny tanora.
Lahatsary: Manam-pahaizana tanora vao misondrotra any Inde, Singapore ary Afrika Atsimo
Efa nivoaka ny filaharan'ireo mpifaninana hiatrika ny dingana antsasa-dalana amin'ny Tetikasan'ny Google Science Fair. Na dia nisokatra ho an'ireo tanora eo anelanelan'ny 13 sy 18 taona avy amin'izao tontolo izao aza izany, mahaliana ny manamarika fa i Etazonia, Singapore ary Inde no nahazo ny isa ambony indrindra tao anatin'ireo mpiatrika ny dingana antsasa-dalana 60 voafantina, izay ahitana ihany koa ireo tafiditra avy any Nouvelle-Zélande, Afrika Atsimo, Fanjakana Mitambatra ary Kanada.
Malezia: Bitsika Momba ny Fihotsahan'ny Tany Tao Amin'ny Fitaizana Zaza Kamboty
Raha sahirana niady hevitra mikasika ny ‘fara andro’ izao tontolo izao, nisaona ny fahalasan'ireo zaza tsy manan-tsiny tao anatina toby fitaizana zaza kamboty manakaiky an'i Kuala Lumpur ireo Maleziana
Broney: Manaitra Ny Vahoaka Ilay Sarintsarim-pandrobàna
Ny herinandro lasa teo, ireo vaovao momba ny fandrobana tao anatina fiara fitateram-bahoaka tany Broney dia niparitaka haingana tao amin'ny twitter sy facebook. Teo noho eo dia naneho ny ahiahiny momba ny fandriana fahalemana eny amin'ireny toerana natao ho an'ny daholobe ireny ireo mponina any Broney. Avy eo dia fantatra fa tsy tena izy ilay fandrobana. Mihetsika amin'izany tranga izany ireo mpampiasa Aterineto.
Palestina: Fihetsiketsehana Hanoherana ny Fibodoana, Sy Ho An'ny Firaisam-Pirenena
Tato anatin'ny taona vitsivitsy, nahita ny taniny sady bodoin'ireo fanorenana Jiosy sy ny rindrina fiarovana natsangan'i Israely ao Cisjordanie ireo tanàna Palestiniana ao Andrefan'i Gaza ao. Any amin'ireo tanàna tahaka an'i Nabi Saleh, Bi'lin ary Ni'lin, namaly izany tamin'ny fanatanterahana hetsika milamina isan-kerinandro ireo mponina eny an-toerana. Tsy nivoana tamin'izany ihany koa ny herinandro taorian'ny nanasoniavan'i Hamas sy Fatah fifanekena amin'ny fiombonany.
Oganda: Mitroatra Ny Vahoaka Noho ny Fisamborana Tamin-kerisetra Ny Lehiben'ny Mpanohitra
Voasambotra indray tany amin'ny Kampala renivohitra ny Dr.Kiiza Besigye lehiben'ny mpanohitra Ogande noho ny fandraisany anjara tamin'ny the Walk to Work Campaign(mandeha tongotra mba hiasa) alina iray taorian'ny famotsorana azy notakalozam-bola. Nomena fahafahana nosandaim-bola i Besigye nasiana fepetra fa tsy handray anjara amin'ny fanentanana izay nahatonga ny fitondrana Ogande ho lohateny lehibe nandritra ny telo herinandro izao.
Zimbaboe: Miady hevitra momba ny lova navelan'i Mugabe ireo mpitoraka bilaogy
Zimbaboe dia firenena iray, izay ny firesahana mikasika ny fahasalaman'ny filoha na ny ho avy tsy misy azy dia mety hitondra ny olona iray ho any am-ponjan'ny mpitandro filaminana. Lasa sehatra tokana ahafahan'ireo Zimbaboeana mpampiasa aterineto miady hevitra momba ity "olana manahirana" ity ny bilaogy.