miora · Oktobra, 2017

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Oktobra, 2017

Fampiasàna ny Fanamarihana Mba Hifampiresahan'ny Sinoa Sy Ny Japoney

  31 Oktobra 2017

Ireo Sinoa mpanoratra bilaogy no nitari-dàlana tamin'ny fampiasàna ny fanamarihana ho fomba iray hiresahana ireo olana - indrindra ny ara-pôlitika. Raha mamoaka zavatra ao amin'ny bilaoginao momba ny fihenjanana eo amin'ny Sinoa-Japoney, na adihevitra momba ny tantara Sinoa-Japoney, sy ireo olana mifandraika amin’izany ianao, ampiasao ity fanamarihana ity: cn_jp_dialog.

Sodàna: Ireo Heloka Bevavan'ny Ady ao Darfour, Ny USS Cole, Taovolo Iray Lamaody Ary Mbola Betsaka Koa

  29 Oktobra 2017

"Ankehitriny, azoko antoka 100% fa nataon'i Etazonia lasibatra ny fireneko. Hatramin'ny nilazàna fa tsy nahomby ny tetikadin'i Darfour, mampiasa hevitra hafa izy ireo mba hangejana ny governemanta. Nahoana i Etazonia no tsy mandoa ireo onitra sy ireo tombontsoa mikasika ny daroka baomba tamin'ny orinasa Al Shifa, tamin'ny taona 1998? Hitan'ireo masoko tsara ny balafomanga namakivaky ny habakabaka!"

Fampahafantarana ny Tsunami-Info.org

  25 Oktobra 2017

Miarahaba ny rehetra.... Manana ny anaran-tsehatra azy manokana ny vohikalako "tsunami info" ankehitriny: Tsunami-Info.org. Manambatra ireo tosa-baovao sy bilaogy avy aminà loharano samihafa manerana izao tontolo izao ity vohikala ity, ary manome dikateny novokarinà milina, amin'ny fiteny maherin'ny enina.

Community Fabric (Tambatselam-piarahamonina)

  25 Oktobra 2017

Vao avy nametraka tamin'ny toerany, niaraka tamin'ireo namako vitsivitsy, ny wiki ho an'ny tetikasa vaovao loharano iray misokatra atao hoe Community Fabric aho (avy amin'ny fantsona joiito freenode IRC). Ny hevitra dia ny mba hahafahan'ireo olona mitrandraka ireo fitaovana misy ao amin'ny tambajotra sosialy mba hanaovana blaogy, hametrahana tsoratadidy, hiarahana miasa sy handefasana ireo sary avy any anatin'ny tontolom-piarahamonina iray andraisan'ny rehetra anjara sy mora ampiasaina

Però: Inona No Mamono Ireo ‘Feso’ Ao Amorontsiraka Avaratra?

  21 Oktobra 2017

Nitarika korontana ny vaovao milaza fa feso 3000 no hita maty tamin'ny taona 2012 teny amin'ireo morontsiraka avaratri Però. Mampiasa ny tambajotra sosialy ireo Peroviana sy mpikatroka, tsy hoe fotsiny ho fampahafantarana ny fisian'ilay fandringanana sy hanairana ny saina, fa koa mba hanadihadiana izay antony.