Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jona, 2017
Ejipta: Mbola Mametram-panontaniana Ny Amin'ny Tena Ilàna Ilay Rivopanovàna Tamin'ny 1952 Ireo Ejipsiana
Amin'ny fotoana ankalazàna ny fahafito amby dimapolo taonan’ny rivopanovan'izy ireo (57 taona tamin'ny 2009) dia mbola mandinika hatrany sy miresaka ny nahatonga io tranga manan-tantara io ny Ejipsiana.
Sary: Fandehandehanana any Afrika Avaratra
"Nandany vola tamin’ny fividianana fitaovana fangalana sary raitra ny ekipa, mba hahafahantsika mampitombo ny isa sy ny hatsaran'ny sary mandravaka ireo lahatsoratsika."
Togo: Foana ny Fanamelohana Ho Faty
Na dia hatramin'ny taona 2003 aza no voalaza ho fampiharana ny fanamelohana ho faty, tamin'ny taona 1978 no nisy fampiharana azy farany tao Togo.
Bilaogy Maghrebiana
Nanomboka tetikasa iray vaovao mitondra ny anarana hoe Maghreb Blog (Bilaogy Maghrebiana) ny vondronà mpanoratra bilaogy mavitrika avy ao amin’ny tontolo Maghrebiana; izay misy an'i Maraoka, Tonizia, Alzeria, Libia ary Maoritania.
11-11-11: Raiso Ny Fakantsarinao Ary Alaivo Sary Ny Fiainana
Andro vitsivitsy sisa dia tonga ny 11/11/11, andro iray hiraketan'ny olona maneran-tany ny fiainany anaty horonantsary sy hira. Mandraisa anjara amin’ny tetikasa 11Eleven sy ny Andro Iray Eto An-tany mba hamelana ny marikao eto an-tany.
Etazonia: Herinandro Ho An'ny Tantaran'ny Hazondrongony, Mamonjy Zanakazo Sy Planeta
Anatinà vanim-potoana sarotra ara-toekarena, inona no antony mety handraràna ny fambolena mitodika amin'ny indostria ny zanakazo iray tena ilaina sy ahazoana tombontsoa, izay saika tsy mila fanafody famonoana bibikely?
Miady Hevitra Momba Ny Fampijaliana Biby Mandritra Ny Fetibe Dashain Ao Nepal
Am-pifaliana no hankalazan’ireo Nepaley manerana ny tany ny Dashain satria mampiray ireo vondrom-piarahamonina sy ireo fianakaviana izy io. Kanefa tato ho ato, voatsikera ity fialantsasatra malala ity noho ny antony maro, fa indrindra indrindra noho ny fampijaliana biby.
Tsy Misy Fampanambadiana Ankizy Intsony Ao Trinidad & Tobago
Ela loatra ary feno resabe poakaty tsy nilaina, saingy hainareo ihany fa tsy ara-dalàna ny fanambadian'ny ankizy aty Trinidad sy Tobago amin'izao fotoana izao, [...]
Pakistana: Avelao Hanidina Ireo Papango
Noraràn'ny Fitsaràna iray tao Lahore ny fampanidinana papango ao amin'ny faritanin'i Punjab (Pakistana) tamin'ny 2005, fa hoe lalao mampidi-doza, ary nanaisotra ny haravoan'ny maro manoloana ireo lanonan'ny Basant. Tsapan'ireo mpitoraka bilaogy sasany fa ny fametrahana fepetra sy fampanarahan-dalàna entitra no tokony atao fa tsy ny fandraràna mba hanenana ireo loza.
Espaina: Meksikàna Mibilaogy Mba Hahatsiaro Ho Toy ny Any An-Tanindrazana
Misy vondrom-piarahamonina mitombo rafetin'ireo Meksikana mpitoraka bilaogy monina ao Espaina, manoratra mba hanampy azy ireo hahatsiaro ho toy ny any an-tanindrazany amin'ny alàlan'ny fizaràna ny heviny momba ny fonenana any aminà firenen-kafa sy momba ireo fomban-drazana mbola voatahiry.