Lahatsoratra farany an'i Miora tamin'ny Oktobra, 2015
Marlon James Mahatonga An'i Jamaika Ho Afaka Mirehareha Noho Ny Nahazoany Ny Loka Man Booker Ho An'ny Tantara Foronina
Bob Marley. Ny CIA . Politika. Adin'ny samy jiolahy. Inona no tsy misy ho tiana? Nihevitra izany ny mpitsara ny Man Booker Prize; nanonona an'ilay Jamaikana Marlon James ho nahazo ny loka amin'ity taona ity izy ireo.
Famonoan-Dreniny ny Zanany, Fikasàna Hamono Tena Manasongadina Ny Enta-Mavesatra Ho an'ny Vehivavy Tajik
'Mitranga izany rehetra izany satria tsy misy fiarovana ara-tsosialy ho an'ny mponina. Misy sampan-draharaha manana andraikitra amin'izany, nefa tena tsy misy ilàna azy.'
Ilay Tia Tanindrazana Mpihinana Labiera Ankafizin'i Rosia Indrindra, Ankehitriny Nandoro, Nihinana, ary Nanitsakitsaka ‘20.000 Dolara’

Tamin'ity herinandro ity i Baretsky dia nandoro, nitsako, nanitsakitsaka, ary avy eo nanondraka amin'ny labiera ny antontana dolara sy euro. Nilaza izy fa nahatratra eo amin'ny $20.000 eo izany—izay voalaza fa tahiriny nandritra ny fiainany.
Ayotzinapa: Valiny Sivy Mety Hisy Ho An'ireo Fanontaniana Tavela, Herintaona Taorian'ny Fanjavonan'ny Mpianatra 43
Herintaona taorian'ny fanjavonan'ny mpianatra 43 avy amin'ny ny sekoly any Ambanivohitra Manomana ho Mpampianatra - Isidro Burgos de Ayotzinapa, Iguala - mbola misy fanontaniana maro tsy voavaly mikasika ny zavatra tena nitranga.
Lasa Kilalaon’ny Vehivavy Ny Fanafangaroana “Sake” any Japana—Indray
Fahiny, nolazaina fa asan’ny vehivavy ny fanamboarana sake. Fa voarara ho an’ny vehivavy ny fanaovana izany nandritry ny zato taona vitsivitsy farany. Manova ho amin'ny fomba goavana izany.