Miora · Novambra, 2018

Lahatsoratra farany an'i Miora tamin'ny Novambra, 2018

Ô ry Bandy e, Bandy ve Iny Sipa Iny?

Misaintsaina momba ny fanambadian'olon-droa mitovy fananahana ireo Malezianina. Momba ilay vehivavy mpanambady, izay nanova fananahana raha nateraka ho lehilahy 30 taona lasa izay, ny bilaogera SK.

22 Novambra 2018

Japana: Ny Ankizy amin'izao Fotoana

Inona no ataonao rehefa mankaleo anao ireo ankizivavy tanora manao toy ny any an-tranony anatin'ny fiarandalamby nefa ianao reraka avy any am-piasàna ary mba te hiaina fotsiny? Tofoka tanteraka ity lehilahy iray 35 taona tao Yokohama ka nandaka ankizivavy 17 taona iray nipetraka sy niresaka tamin'ny namany teo akaikin'ity rangahy.

22 Novambra 2018

Pakistana: Bilaogin'ny Loza

Nanantena ny hampiseho ireo bilaogy amin'izao fotoana mandrakotra fotodresaka samihafa aho, saingy manahy fa noho ny horohorontany goavana tao Pakistana sy ny faharavana naterany (izay tsy nisy na iray tamintsika aza nanam-po ny hamafiny), dia hitondra rakitranà bilaogy Pakistaney mifantoka indrindra amin'ilay horohorontany indray aho hovakianareo.

16 Novambra 2018

Na eo aza ireo Sakana Rehetra, Faly koa i Yemen!

Navadika ho anaty tontolo Yemenita ilay hira Happy malaza an'i Pharrell William, mampiseho ny fahaiza-mamorona sy ny talentan'ireo tanora Yemenita, ny fanahin-dry zareo mijery foana ny lafitsaran-javatra ary ny hanihaniny.

15 Novambra 2018