Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Aogositra, 2015
Culebra, Nosin'i Pôrtô Rikô: 135 Taona Nitolomana Sy Nandresena
Mankalaza ny 40 taona taorian'ny nandroahan'ny vahoakan'i Culebra ny Navy Amerikana sy ny 135 taona nananganana ilay nosy kaominina ny horonantsary fanadihadiana fohy nataon'ny gazety mpiseho isam-bolana, Diálogo.
Mihetsika Ny Kroaty Manoloana Ny Fanambaran'ny ISIS Ny Fanapahan-doha An'i Tomislav Salopek
Mihetsika ireo mpampiasa media sosialy any Kroasia, Ejipta, ary eran-tany manoloana ny vaovao mandeha momba ny fahapahan-doha nataon'ny ISIS tamina Kroaty iray mpila ravinahitra tany Ejipta.
Taorian'ny Fisamborana Ireo Tanora Mafàna Fo, Miteny Manohitra Ny Tsimatimanotan'ny Mpitandro Filaminana Ny Ogandey
"Nietry ho vondron'olom-bitsy mitam-piadiana izay miady amin'ny mpanohitra ara-pôlitika sady miasa tapak'andro amin'ny fampanarahan-dalàna ny mpitandro filaminana ao Oganda"
Mitondra Fanantenana Sy Fanasitranana Any Palestina Ny ‘Faribohitra Miloko Marevaka’ Ao Gaza
Antsoina hoe "ny faribohitra miloko marevaka" i Al Zaytoun ao Gaza noho ny arabe voaloko mamirapiratra sy ny rindrina voaravaka, ezaka fanavaozana an-drenivohitra taorian'ny ady teo amin'i Isiraely sy Gaza tamin'ny taona 2014.
Mijirika Indray Ny Tafika (Ny Azy Ihany) i Rosia
Manetry ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena ny Rosiana mpijirika "Anonymous International" noho ny fomba ratsy fanao amin’ny tsy fahampian’ny fiarovana ny torohay ka nisian’ny fiporitsahan’ny tahirin-kevitra saropady izay voalaza fa nalefa tamin'ny alalan'ny tolotra fandefasana mailaka maimaim-poana .
Nahatohina An’i Shina Ny Fividianan’ny Vondron’orinasa Japoney Misahana Media Ny Financial Times
Raha jerena ny tsy fifankahazoana hatry ny ela eo amin'i Shina sy Japana tamin'ny heloka bevava momba ny ady nataon’ny Japoney nandritra ny Ady Lehibe faha-II ary koa ny disadisa ara-jeopolitika tany Azia, maro ny Shinoa no tsy nandray ny vaovao ho tsara.
Manakombona ny Vavany amin‘ny “Scotch” Ny Mpiangaly Mozika An’Arabe Ao Maosko Mba Hanoherana Ny Famoretana Ataon’ny Polisy
Ny mpiangaly mozika an’arabe ao Maosko maneho fanoherana amin’izay lazainy ho fanagadràna tsy ara-dalàna ataon’ny polisy sy ny sazy ara-bola mihoa-pampana manitsakitsaka ny zony sy ny fahalalahany ara-javakanto.