RV Newsletter: Hirika famatsiambola ho an'ireo tetikasa fanaovan-gazety sy fanadihadiana

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovaontsika isam-bolana dia manome famintinana ireo lahatsoratra am-bilaogy vao haingana miresaka momba ny lafiny rehetra mahakasika ny fampiatiana nomerika, toy ny fidirana sy ny fampiasana fitaovana nomerika, ary ireo fomba sy hirika samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina mba handraisana anjara feno amin'ny aterineto. Vakio eto ny fanontàna teo aloha amin'ity gazety ity.

Salama ry mpamaky hajaina, manao ahoana ianareo ?

 Dia eto indray isika izao, akaikin'ny faran'ny taona, fotoana iray izay maro amintsika no manomboka misaintsaina ny taona izay madiva hivalona atsy ho atsy sy hanao drafitra ho an'ny taona vaovao. Ka efa eo ihany ianao dia tianay ny mampatsiahy an'ireo rehetra mpanao gazety, mpaka sary sy mpanao horonantsary fanadihadiana mba hijery an'ireo fanomezana roa karakarain'ny Pulitzer Center izay misokatra mandritra ny taona – ny Global Reporting Grants sy ireo famatsiambola mifantoka manokana amin’ireo tantara zara raha misy mpiresaka any Afrika atsimon'i Sahara – miaraka amin'ireo hirika famatsiambola maro hafa avy amin'io fikambanana io ihany miaraka amin'ireo tetiandro samihafa.

Mirary taombaovao lafatra ho an'ny rehetra izahay !

MISIMISY KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGY RISING VOICES

Liana amin'ny fianarana mivantana mikasika ny anjara asan'ny Aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana sy fanomezana aina vao indray ireo fiteny zanatany, vitsy an'isa, tandindonin-doza na tsy ampy fitaovana ve ianareo ? Ny Rising Voices sy ny mpiara-miasa aminy ankehitriny dia mitondra fihodinana vaovao ho anareo amin'ilay fifandimbiasam-panentanana Twitter ho an'ny taona 2023, Anasongadinana isan-kerinandro ireo mpikatroka nomerika maneran-tany ho an'ny fiteny. Andao hiaraka anay ary henoy izay ho zarain'izy ireo aminareo !

@ActLenguas (Amerika Latina)

  • Estrella Hernández Pérez [es]: mpiteny Tsotsil avy ao Meksika, izay mirehareha amin'ny fiteniny ary manokan-tena ho amin'ny fikajiana ny fàka niaviany amin'ny fampandraisana najara ny tanora amin'ny alàlan'ny fitantaràna ampiasàna fitaovana nomerika
  • Emma Vadillo [es]: mpikatroka ara-pitenenana mafana fo, izay miteny Quechua Tatsimo ary manamafy fa (toy ireo ezaka fanomezana aina indray) mavesa-danja ny ady amin'ny fanavakavahana amin'ny fiantohana ny fahaveloman'ny fiteny iray.

FAMATSIAMBOLA

Mpamokatra avy amin’ireto firenena Eoropeana ireto ve ianao ka maniry ny hiara-miasa amin'ireo mpamokatra sarimihetsika monina any amin’ireo firenena ireo amin'ny tetikasa fanadihadiana iray ? Ny IDFA Bertha Fund dia maniry ny hanampy anao amin'ny fanaovana izany amin'ny alalan'ny rafitra famatsiambola ho an'ny Vondrona Vitsy An'isa ao Eorôpa. Ny antsipirihany mikasika ny fampiharana fanampiny dia azo jerenaa eto. Fara-fisoratana : 15 Janoary 2024.

 Mandritra izany fotoana izany, ny Sandbox Fund – niara-natolotry ny Sundance Institute sy ny Sandbox Films — dia vonona amin'izao fotoana izao handray ny fangatahana ho an'ny Winter Cycle. Raha toa ianao manana tantara ho tantaraina mikasika ny “rohy misy eo amin'ny siansa sy ny kolontsaina”, dia mety ho mendrika ny ho jerenao eto ny antsipirihany bebe kokoa.
Misokatra ny fangatahana : 11 Desambra 2023–5 Febroary 2024

HIRIKA| VATSIM-PIANARANA & TOHANA ARA-BOLA

Ho an'ireo mpamokatra sarimihetsika eo anelanelan'ny 18 – 25 taona : mandray ny fisoratana anarana dieny izao ny vatsim-pianarana Sundance Ignite x Adobe Fellowship ho an'ny taona 2024 !
Raha toa ianao ka matotra amin'ny famokarana sarimihetsika amin'ny maha-asa ary mahatsapa fa afaka hahazo tombontsoa avy amin'ny fiarahana mandritra ny taona
iray  izay miaraka amin'ny fanoroana sy ireo loharano hafa, dia mety ho hirika tokony ho dinihinao manokana ity (eto ny antsipirihany). Fara-fisoratana : 7 Febroary 2024 amin'ny 11ora (PST)

MARI-PANKASITRAHANA   

Mpamokatra rindram-baiko ve ianao – na mahafantatra iray – izay mandray anjara amin'ny fanovàna ara-tsosialy amin'ny alalan'ny fanaovana ny asany ho open source sy azo idiran'ireo vondrona tsy mitady tombontsoa sy mpanao adisisika? Ny Pizzigati Prize for Software dia maniry ny hankalaza an'ireo izay manana toe-tsaina mitovy amin'ny an'i Antonio “Tony” Pizzigati efa nodimandry mba hahatonga izao tontolo izao ho toerana tsara kokoa ! Azo jerena eto ny antsipirihan'ny loka. Fara-fisoratana : 24 Janoary 2024.

FITAOVANA & LOHARANO

Raha toa natao tany Dubaï ny COP28, ilay fihaonambe mikasika ny toetrandro, ny Thomson Foundation kosa te-hampahatsiahy an'ireo izay liana amin'ny asa fanaovana gazety miresaka ny tontolo iainana “ny maha-manandanja ny eo an-toerana “. Ho fanampim-baovao bebe kokoa momba ireo lesona maimaimpoana an-tambajotra ireo, jereo ato.

HAMAKY, HIJERY, HIHAINO BEBE KOKOA

 

Misorata anarana amin'ny gazety Rising Voices

 

Misaotra an'i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan noho ny fandraisana anjara tamin'ity gazety ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.